Ra 8 lasa any Athene

1. ari.malala ( 06/08/2004 10:56)
Ô ry zareo â! nanondrana indray ny président! Lasa niala sasatra any Athene hono izy araka ny filazam-baovao vao heno androany atoandro, ary ny antambo dia tsy nisy nanam-po ny fahatongavany ny olona any, delegation 19 be izao no indray niaraka aminy any. Isika aty mijaly mafy, ny vidim-piainana miakatra isan'andro nefa ny filoha lasa miala sasatra... Mba rariny ve izany?
novalian'i fijo ny 16/08/2004 21:19
2. nikopol ( 06/08/2004 11:00)
Admin > sao dia mba tokony hafindra any amin'ny loha-hevitra "hatsikana sy lalao " ity resaka ity? :lol:
3. ari.malala ( 06/08/2004 11:46)
He, tsy hatsikana sy lalao io tompoko fa tena resaka serieux. Ny Radio Antsiva no namoaka an'io vaovao io vao t@ antoandro teo.
4. booboo ( 06/08/2004 11:55)
fa inn no maha atambo sy mampanondrana azy @ zany fa tsy azoko. Fa angah ny filoham-pirenena iraika tsy mahazo miala sasatra ?
5. diavolana ( 06/08/2004 12:01)
Inona tokotrany moa no olana amin'izany e?
Chirac ary @ izao isika miteny izao manao vakansa atsy la réunion ko, olona ohatra ny olontsotra anie ireny manana droit hanao vacance e!
Ny amin'ilay hoe délégation 19 indray : ireny tompoko dia tsy ny fitondrana malagasy no miantoka an'ireny fa ny comiti'ny JO erantany mihitsy
ary tsy ny gasy no nisafidy an'ireny atleta ireny fa ny komity olimpika iraisampirenena koa, izany hoe ireo nahazo "minima" t@ lalao iraisampirenena ihany no mandeha.
mazava angamba izay?
6. ari.malala ( 06/08/2004 14:26)
Aza dia entim-pi toy io re fa mba vakio kely ity, dia ho hitanao ny antony nanoratako hoe loza, antambo, nanondrana ê! http://www.lexpressmada.com/article.php?id=23589&r=4&d=2004-08-06

Sa hay moa athlète izy iny?
7. hery ( 06/08/2004 14:42)
Tsy maintsy any Athène ve ny filoha no maka vakansy... dia ireo miaraka aminy koa ve?'
Sao dia tokony tany Foulpointe ohatra...
8. diavolana ( 06/08/2004 14:48)
tena tsy kôpy aho, heveriko fa atleta le niraka taminy kay olontsotra
fa bon, samy manao izay tiany io, sao dia mboa volany privée kosa ohatra no ampiasainy @ izany, izy anie toa manambola ihany?
tiko, sogea, trano any londre, betsaka ihany izany
9. kally ( 06/08/2004 16:22)
Nanondrana ahoana moa?Ohatry ny olon-drehetra ihany afaka mandeha @ fotoana tiany handehanana ary amin'ny tany tiany haleha,ny sasany no te-hikiropaka @ izany.
10. lanto ( 07/08/2004 12:43)
aza matahotra izany fa minoa fotsiny ihany :lol:
11. rixes ( 10/08/2004 06:43)
de mba iza ary hono no niantoka ny saran-dalandry manampahaizana lasa any sa samy niantontena hono :-D
12. xxx ( 10/08/2004 15:18)
tsy hitako mihitsy izay olanareo amzany!
Raha mandeha manao vacance ve ianareo dia hisy hilaza koa hoe jereo ny gasy tsy mihinankanina nefa ianareo manao vacance?
Fa ngah rehefa prezida izy di atsy hanan-jo hanao vacance?
Any no mba tiany andehanana fa mba mila miala sasatra oh ny olona rehetra izy koa!
Sa isak' izay misy olona ao Dago andeha hanao vacance dia tsy mahazo satria mijaly ny gasy?

tadidio fa izy aza ange mety kely nohon' ny fotoana hatoriantsika ny fotoana hatoriany noho ny asany e!
Indrindra @ zao fotoan- tsarotra misy eo @ firenena izao, mba mila miala sasatra ohatra antsika koa izy.

Ry fijo sy ry Samoina izao nande nanao vacance any Dago, maninona tsy misy manakiana????

kitjo
13. ari.malala ( 11/08/2004 10:57)
tsy resaka kiana be fahatany ania no nentina ê! fa raha resaka lalao iraisam-pirenena toy ireny dia mis fandaminana mialoha, ka ny fahatongavan-dry zareo tany dia nanakorontana ny organisation efa vita mialoha tany, sady tonga tsisy reservation d'hotel... tsy resaka koa hoe raha te hanao vacancaes any andafy ianaraeo dia tsy mahazo satria ny gasy tsy mihinan-kanina fa mba jereo @ maso sy ny fo tsy miangatra ny zavatra mitranga fa aza dia sodoka sy mandokadoka fotsiny.
14. booboo ( 11/08/2004 13:38)
Sodoka @ inn sy mandokadoka an'iza satria maninona ?
15. etsimiavone ( 12/08/2004 06:12)
I prezidà io olo fetsy zalahy. Seul problème la mi-critiquer Ra8, lazain'olo anti-merina. Je ne suis pas d'accord avec Zafy, fa tsy mety raha ataon'i Ra_8. Tsy maninona izy mañano vacances fa tsy @ volam-panjakana. Ny raha ka raha ity dia milaza fa tsy miraharaha fahantran'ny vahoaka izy. Salaire olo miaraka aminy==> scandaleusement trop élevé. Avion ampiasainy iny ka raha avion privé-nazy. C'est facile de dire aux gens "mahareta" quand on mène la belle vie
16. xxx ( 12/08/2004 07:05)
etsimiavone> manana porofo ve enao fa volam-panjakana no anaovany vacances???
K na volam-panjakana koa aza sao d ao anatin' ny sata sy rafitra izany?

ari.malala> ka tsy hilalao ange no andeha ataony any na hoe voyage ofisialy hanokattra ny JO e....
T@ Mondiale (foot) farany teo zao nisy fianakaviana maromaro tsaroako niaraka nandeha nijery na' iny lalao iny, gasy, groupe bdb mitsy......Angah nisy nanome tsiny hoe maninona no nandeha tany?
Zay no tiany ary volany no miala sady any no mba tiany aleha.
Ataoko fa vie privee mitsy kosa aloha raha izany....fa asa isika ireto raha mba misy mahatsiaro raha mande cyber ohatra hoe raha handany vola hiditra serasera ohatra 2000fmg, maninona raha omena ireo mpangataka tsy mihinan-kanina??????

Raha efa samy hihfampitsara ihany?
Tsy haiko aloha fa raha vie privee oh zany tsy tokony idirantsika fa mba manana ny zony @ maha-olona azy koa izy e!
tsy hitako izay idiran' ny organisation sns amzany, Tsy vao mainka ve ho loza ny tsikera nahazo azy raha nanao reservation presidentielle @ hotely izy nefa hanao vacances en privee no diany???
Hanatrika oh olon-drehetra nge no nalainy fa tsy mila hoe omena seza manokana na hoe fitsenana makotrokotroka e.....
Tsy efa manetry tena aza ve izy @ maha-prezida azy hoe tsy ilaina fanomanana makotrokotroka handaniam-bola fa tonga ohatra ny vahoaka rehetra tonga any?

Toa tsy hita ihany izay anaovana antsika gasy k! Tsy maintsy hanakiana foana zany ....raha toa ve ka hoe nanaovana fanomanana be teo iny tsy vao mainka ho loza hoe "Izy no te hanao vacances ka ny vola nolaniana hanomanana ny diany?"
Sa ve ho zavatra hafa no notenenina eee


kitjo
17. tsiperifery ( 12/08/2004 09:36)
Raha izaho koa aloha no teo @ toeran'i Ra8 ka mba nanana moyen de mba nankany Grêce e ! Na tsy invité aza. Evenement be ny JO lalaovina ao Athene indray ka iza no ho gisitra eo ?
Sady hatrizay nandraisan'ny gasy anjara t@ JO izay anie toa tsy mbô nisy filoham-pirenentsika nanome voninahitra izany mihintsy e !
Sady miala voly Ra8 no manefa adidy e ! Isika aza sady miasa no mba mangala-pihinana miresadresaka eto @ serasera kouh ! :D
18. tsiperifery ( 12/08/2004 09:53)
etsimiavone> Tokony hirehare isika manana prezidà fetsy araky ny voalazanao. :D Olom-bitsy tsy misaina no miteny izany "anti-merina" izany.
Na Tsiranana na Ramanantsoa na Ratsimandrava na Ratsiraka na Ravalomanana, rehefa tokony critiquer-na dia malalaka ny safidin'ny tsirairay hanao izany . Saingy ny asany no tokony hitsaràna azy fa tsy ny fihaviany.
Ireo olo-jiaby miara-miasa aminy ireo koa anie raha atao kely karama dia tsy mahazo considération loatra e !
Ny filoham-pirenena eran-tany , na firenena faran'izay mahantra indrindra aza dia tsy maintsy miezaka mampiseho ny maha numéro 1 azy na @ lafiny fahefana izany, na ny fananana. Izany anefa tsy midika ho fanaovana tsinotsinona ny mponina fa mba tokony samy manaiky sy manaja ny toerana misy azy avy ny tsirairay e !
19. xxx ( 12/08/2004 13:54)
za mbo gaga!
Aleo zany le prezida le vao jerena dia le bonaika be ireny....
Izay tian' ny olona hanaovana azy na alikilika sy ampangalaina zorontrano raha misy fihaonana iraisam-pirenena.....
Na resaka bogosite aza ange kosa mba hafa ihany mba oe io ny prezida-nay e,ihihihihiih,
Tsy oe bogosy be akory Ra8 fa mba presentable e....

kitjo
20. ari.malala ( 16/08/2004 05:56)
Ary ahoana indray ary ilay hoe "j'aurais emmené tout le monde si j'avais su qu'il y avait une délégation Malgache à Athène", izany hoe tsy fantany ary ve fa handray anjara @ io JO io ny gasy??????? Mba hafahafa ihany anie izany ê!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6961