SOS

1. xxx ( 04/08/2004 16:51)
victime d'un abus sexuel,j'suis tombée aujourdhui enceinte et je vais accoucher dans klk mois!
refa resahana ny fianakams momba ny olana d ny atsasany mamporisika ahy hitazona ilay zaza ary ny ambony tsy manana lazaina!
raha ny hevitro injay dia mizara b ihany ny lohako, tsy haiko tsony zay tokony atao satria zahako tsy miasa ary tsy manana diplome firy hesana alo hatr@ zao!!
apetraka any@ DDASS any @ centre dacceuil v ilay zaza sa hotazaina! nefa ra tazomina dia ho velomina @ inona!! raha zahako mazaka rano magatsiaka sy tsy mikaly nefa ny zaza v hazaka anzany?
inn tokony ataoko!very hevitra ako ary tsy mahita zay atao! mangataka hevitra avy aty @ nareo namana ako fa mafy loatra ny mahazo ahy!
misaotra tompoko!
novalian'i fijo ny 21/02/2005 23:39
2. booboo ( 04/08/2004 17:22)
Manontania ihany hoe any @ CAF raha misy aide afaka ataony, na koa miresaha @ assistante sociale fa mety afaka manoro anao ny raha tokony hatonina na atao zareo.
Bon courage, je pense bien fort à toi :-* :-*
3. booboo ( 04/08/2004 17:27)
saika hadinoko, raha ohatra ka mieritreritra ny hanao IVG enao dé 12 semaines de grossesses ( 14 semaines après les dernières règles ) ihany no délai eken'ny lalàna.
4. xxx ( 04/08/2004 17:44)
salut raha zah akia no teo @ toerandry de tsy esoriko zany a! :?: fa aleo tezaina eo foana fa tsy maintsy velona foana akia io a :oops:hanao inona fotsiny koa moa i Dada sy Neny :oops: zay fa mahereza e!
5. xxx ( 04/08/2004 17:46)
Irianao ve aloha ny hatongavan'io zaza eto an-tany?Diniho tsara fa ainao io.
ary raha ny fazahoko ny resakao dia hoe dans klk mois dia ho tonga ny vahiny,ka amiko dia
manatona ny CAF,fa misy fanampina ho an'ny mere celibat,ary amin'izao aza efa misy ilayPAJE ao @CAFmandr-pa aloha e!
Rehefa lehibe ndray ny zaza dia ho hitanao ndray ze tokony ho ataonao.
Aza kivy zany fa courage fona e!
6. methode ( 05/08/2004 11:10)
Ny ahy aloha ny hevitro voalohany dia hoe tokony atao aloha izay hahateraka soa amantsara ilay zaza!!! Ny hamelomana azy indray dia tsy maintsy velona foana io e!! Tsy maintsy mahita hevitra foana ianao satria ianao koa tsy maintsy mitady ny ivelomanao ka izay ivelomanao ihany no amelomanao azy!!! Misy foana ny olona manampy rehefa tena hita hoe sahirana ianao!!! Rehefa miezaka koa tsy maintsy tafita foana e!!! Fotoana tsy ampoizina no ahitanao vahaolana!!!
7. xxx ( 05/08/2004 12:31)
si c le cas nefa hoe ho tazomina aza ilay zaza, tsy miresaka vola tsony fa anao ahona ny ho aviny ary ny ho aviko!
8. booboo ( 05/08/2004 12:52)
raha zay indray zà dé mitovy hevitra @ methode. Fa manatona ihany assistante sociale na zany aza. Izy afaka manoro anao ny tokony atao rehetra na ho inona décision raisinao. Courage
9. poupounesana ( 05/08/2004 15:11)
tsy maintsy misy hanampy anao foana eh!na ny fianakavianao aza v d hitazam-potsiny anao? aza kivy fa tsy maitnsy misy solution ny zavadrehetra
10. kally ( 05/08/2004 16:20)
Makà saina tsara,aza sainina ny olana ara-materialy aloha fa manontania tena hoe tianao (l) sa tsy tianao izany hanan-janaka,aza manontany tena hoe ho vita sa tsy ho vita fa hoe tiana sa tsy tiana :?: ?
Aza miandry fanampiana avy @ olona izany kanjo! ny olona koa samy manana ny manahirana azy,tapaho ny hevitra,na tsy manana diplaoma ianao,ny mamafa trano angaha mila diplaoma?Vita foana io rehefa vonona ary aza manantena olona izany eo @ fiainana fa mianara mihoitra irery
11. methode ( 05/08/2004 16:47)
Tsy hoe miandry fanampiana fotsiny anie ry kally fa hoe mba misy ihany ny namana mety manampy rehefa tena tsy misy azo atao e!!! Mino aho fa na ny eto aza raha tena mahafantatra ny mihatra mety manampy!
Za koa mamporisika an'izay akaiky any ka mahafantatra mba hanampy e!!! Raha tsy izany, inona fotsiny no maha-mpinamana!!! Ny erierika no maha-tondra-drano!! Tsy hadalana koa ange ny azy fa vokatry ny tsy fidiny e!! Mendrika ampiana izy raha misy afaka manampy!!
12. xxx ( 06/08/2004 12:14)
tsy fidiny hono :-D
13. booboo ( 06/08/2004 13:13)
nisy nimémé ny fiainanao angah teo no sahy mimé ny manjo ny oul hafa enao ? :evil:
14. kally ( 06/08/2004 13:57)
methode> Misy ny "mety" manampy,izaho angaha moa niteny hoe tsy mendrika hampiana izy fa hoy aho hoe aza miandry fanampiana fa mianara mihoitra irery.
Io miandrandra fanampiana lava io ihany ilay tsy mahalasa lavitra,dia tsy hanapa-kevitra ny hanao zavatra mihitsy izany raha tsy misy manampy?
15. tequila ( 06/08/2004 14:52)
Zah aloha mitovy hevitra amin'i kally e , ny olona nge mamporisika amboalohany foana fa enao irery ihany no hizaka ny mafy rehetra eo , zay lay hoe miankin-drindrina irery . Ny zavatra tiana no tena zaka na mafy aza , marina io .
16. kally ( 06/08/2004 16:28)
Izay mantsy ho'a ry Tequila
17. pitchou ( 07/08/2004 09:26)
xxx t@ 6/8/2004 15:14:36> raha mba nahay nanompa sy nanozona aho d asa foana angamba ny nahazo anao! enao zany manao anao tsy ho azon'aloka mihitsy an! nefa ny miseho imaso aza tsy sahanao akory!

Raha efa nanapa-kevitra ny hihazona le zaza enao dia maka alou saina kely dia mijereva asa satria tsy maintsy hiatrika ny fitaizana sy famelomana azy enao! Raha fantatrao kou ny rainy d azonao aterina any tsindraindray le zaza! na asainao mba mandray anjara e! aza dia miantehatra @ fianakaviana zany na dadanao sy mamanao aza fa ndrao sendra mipika le fitenenana kely tsy tanty! fa rehefa mampiseho enao fa vitanao io d tsy hisy sahy hitsikera mihitsy!
18. xxx ( 07/08/2004 14:32)
TSotra fotsiny aterao ny zaza fa tsy maintsy vita foana io. Enao aza ve manana vola hijerena internet dia sanatria tsy hahavelona ny zanakao. Ny malemy aza mbola manao ezaka ary velona ny tsara. TSy sanatria akory za mandatsa na ôtran'inzany fa vitan'ny olona ve de tsy mba ho vita e. Atovy ambony foana ny moral.Ary enao rehefa mitady asa tsy maintsy mahita foana e
Dia mahereza hatrany akia an
19. sipagasy ( 07/08/2004 15:17)
Fampaherezana no ataoko anao fa ho fanampin'izay voalazan'ny namana etsy ambony dia raha hainao ilay rainy(ary mino aho fa hainao) dia ento eo anatrehan'ny lalàna ny raharaha é! hanoro anao izany ny assistante sociale izany hoe manao recherche de paternité ary manery ilay rainy izany hanampy anao, nefa anjaranao indray ny misafidy na mbola te hanana fifandraisana aminy ianao na tsia avy eo é!
Mahereza fa hivavaka ho anao izahay é!
20. pitchou ( 08/08/2004 12:02)
ie! tsy aintsy mandinika tsara alou enao raha hiditra @zay satria mety hitaky droit le rainy!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3151