maty ny DEBA....................

1. besoiiin ( 31/07/2004 18:35)
raha izao hono no maty i RATSIRAKA de ahoana? faly ve sa tezitra sa malahelo ny GASY...???
novalian'i fijo ny 17/08/2004 19:40
2. rniaina ( 31/07/2004 22:18)
inona no mety ahatezitra????
fahafatesana ve ahafaly??? ny pams iany no mety ho faly amin zany
3. pitchou ( 01/08/2004 03:30)
lalana tsy maintsy izoran'ny miankandrefam-baravarana izany ka! raha @zao taonany izao alou izy no maty d efa tokony itsofana mozika ary!
4. hery ( 01/08/2004 06:33)
fa angaha ary i deba heverinareo fa immortel... na izy kou aza anie mba mametraka an'io fanontaniana io e. :)
Misy fotoana tokoa ieritreretana hoe raha izaho no maty dia iza no faly iza no malahelo... Efa nieritreritra an'izany ve i besoiiin?

HO ela velona e.
5. besoiiin ( 01/08/2004 06:55)
Kay ! Iny indray alou no tsy noeritreretiko ra-Hery a! fa raha ny heritreritro alou dia efa ho faty ny deba e.... kanefa na dia izany aza alou de aleo mba hijaly kely lery vao mody ka...! na asaina milelaka tsirairay ny faladian'ny malagasy mba ho voavela heloka.

tsy haiko alou fa heritreritra mandalo iny e!
6. hery ( 01/08/2004 07:20)
izaho mino fa hanao fihetsika manokana (karazana marika kely) fialana tsiny na fangatahana famelan-keloka amin'ireo Gasy izay nahatsiaro hoe nizaka ny mafy nandritra ny fitondrany.

Fomba fanaon'ny olona izany rehefa ho faty.. mangataka famelan-keloka...

FA samy ho ela velona aloha alohan'izany e.
7. kitjo ( 01/08/2004 11:54)
Ko nga ho fatany oe oviana izy no ho faty??
Tsy tookony efa ataony zao ve?
8. besoiiin ( 01/08/2004 17:23)
hita hoa ry kitjo! dieny izao mihintsy lehiry de tokony hanao izany raha toa ka mba misy saina kely!
9. ramoul ( 01/08/2004 17:47)
Zah anisan' ireo faly indrindra ra toa ka misy zany. 8)
10. kitjo ( 02/08/2004 04:47)
Fa mba las atkou ny saiko oe mbola any v lery e?
11. pitchou ( 02/08/2004 10:53)
ka mety efa manao an'izany ange izy ry besoiin fa isika no tsy mahalala e! lery manko tô tsy mahazo antenne intsony ko!
ramoul> inona lou no tena mahafaly an'iramoul e! le izy hoe mety ho faty sa le izy hoe mangataka famelan-keloka? raha le izy ho faty manko d tsy misy surprise fa araka ny voalaza tery hoe tsy maintsy ho faty daholo ange e! fa raha le iray... iny intéressant!
12. hendry ( 02/08/2004 15:14)
Tsy hitako zay hahafaly satria tsy hanova ho tsara ny zava-dratsy vitany ny fahafatesany, ny hoe ndray tezitra, inona ny hahatezitra @ zany? ngah misy olona tezitra zany rehefa misy maty? Tsy halahelo koa aho nefa satria tsy dia misy ifandraisana loatra zahay.
13. besoiiin ( 02/08/2004 18:28)
ny tena marina tokoa ange dia tsy hay na efa dangy marina ilery izao e! mafy ihany alou ny manjo an'ileiry e! manao sesitany ny tena sisa! izany no tena hoe ratsy fiafara! olona tokony mba efa hiadana sy hilamintsaina @ zao andrompahanterana izao, kanefa indrisy ity mahazo azy! na dia ny tanindrazana aza atahorana! ny aza manao ratsy ihany e! tsy hoe mandatsa fa sahaza ny ratsy nataony ihany izany e! ny ataonao ihany hono no mivaly aminao e!
14. pitchou ( 03/08/2004 09:58)
ka sao kosa d noheveriny ary hoe izay no mety ho tsara no antony nanaovany azy??? fa mba mety nisy kosa aloha olona nahita tombon-tsoa taminy e! isika tsy nahita loatra no sahirana
15. besoiiin ( 03/08/2004 18:15)
tsy lavina fa nisy tokoa ireo nahita tombontsoa tamin'ny fisiany teto antany! kanefa dia vitsy dia vitsy ireo raha oharina @ireo malagasy tena fadiranovana! mba azonareo heritreretina ve hoe any ange ka mbola misy olona tsy nianatra! tsy mba nikasika izany kiraro izany akory ny tongony! tsy mba nihinana izany mofo dipaina izany ny vavany! tsy mbola nandray vola mihoatra ny 50.000 fmg izany ny tanany! kidoro bozaka no fandriany vorokitsay no tafiany ary angady iray sy reniakoho iray mitaiza no mba fananany....! dia ho mendrika sy handry ve ny sain'izay olona tokony mba nanefa ny adidiny kanefa nanetsitadiny teo anivin'ireo vahoaka mahantra ireo????
16. wawawa ( 03/08/2004 18:20)
Tsy maintsy hoe misy ny malahelo fa misy koa ny manao hoe : enfin, bon debarras!
17. mcfy ( 03/08/2004 22:44)
ny Deba v aloha Bandy sa Rôla e!, ny anay mantsy Rôla ihany no tianay :lol:
18. nananie ( 04/08/2004 08:38)
Betsaka ny ho faly ary betsaka ny hitomany.
19. booboo ( 04/08/2004 08:52)
misy faly fa nihena iray ny " méchant " eto ambonin'ny tany, dé misy malahelo fa misy fianakaviana nihena iraika kou ny membren'ny famille-ny
20. pitchou ( 04/08/2004 11:26)
ny fanontaniako izany d hoe: @ maha past president azy, homena funérailles nationales ve izy (d hisaonana :roll: ) sa atao otran'ny olon-tsotra tsy fantatra? satria mety hisy olona hikomy raha hanao tralala ho azy nefa otran'ny hafahafa raha tsy hanao izay azy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1909