rahampitso no higadona eto Madagasikara Ingahy Chirac hanao fitsidihana manokana

1. ravatorano ( 26/07/2004 13:22)
Raha araky ny fantatro sy reko amin ny vao2 vahiny dia miala sasatra ny filoha frantsay amin izao ary dia atsy La Réunion no hanaovany izany.Hitsidika an i Madagasikara anefa izy ary izany fitsidihana izany dia atao amin ny foma manetrikettika lehibe tokoa no hanaovana azy nefa toa tsy fitsidihana amin ny fomba ofisialy akory ilay izy fa ""visite privée"". :wink: .
Inn no entin 'Ingahy Chirac amin izao fandalovany izao.Ingahy Mitterand no nandalo farany teto ka nahafahana namotsotra an dry Ingahy Andriamaholison ireny :) .Amin ity resaka aministie v no haroson ny frantsay sa ny fanadiovana tanteraka ireo mpitondra teo aloha tamin ny fahotana lebe vitany ka nahatonga azy ireo lasa sesitany araka ny tiany ihany :twisted: .Inn no andrandraitsika malagasy indrindra ny vahoaka amin izao fitsidihana izao.
Amiko manokana aloha dia ho voan ny embouteillage be tokoa aho rahampitso satria d tapaka tanteraka ny lalana eny amin iny faritrAnosizato Antsinanan, iny ka tsy maintsy mandeha aty amin ny lalana Andrefan Ambohijanahary avokoa ny fiara.
Ny lalana sy tsena izay nahazahoana vola avy amin ny frantsay dia ho tokanana rahampitso ka hanasana ny filoha frantsay izany.
Ho tonga amin ny folo sy sasany maraiana eo izy, dia hivantana eny Ambohitsorohitra d avy eo hitokana ny lalana sy ny tsenan Anosibe amin ny endriny vaovao dia avy eo manao ny conference des presidents d misakafo na ny mifamadika amin izay d avy eo miverina atsy La Reunion.Io le zà ihany no nadahatra an io programa io ah fa tsy ny arofenitra akory.
Soa ihany fa tsy 31 no nanaovana io fety io fa saika nisy azy ny teny amin ny 67 ha teny sa ahoana ry namana ?
Dia ho hita eo rahampitso fa amin izao aloah dia tapaka ny lalana any satria dia manao asa famaranana ry zareo anenjehana ny rahampitso , io ilay asa hafahafa fanao mahazatra mba ho hitan ny sasany fa miasa sy manaraka ny planina ny tena dia vitana malaky amin ny fahatongavan ilay mpamatsy vola na ilay tompon antoka mba ho hitany hoe io ary fa vita ilay nampiasana ny volanareo.
Hafa ihany ho aho isika Malagasy ! :oops: :oops:
novalian'i ludo ny 25/08/2004 09:28
2. kitjo ( 27/07/2004 08:57)
Efa misy resaka nataon\' i sipagasy ary @eritreritra mandalo ary!

Amiko aloha politika be no ao, ary mbola ilay fomba fanaon\' ny frantsay, mody omeko kely dia angalako be...misy raha ao.... :{

Aiza handalo ka ho 5h dia hoe hitokana stele,...ppffffffff, n\' importe koi!

Ny dikan\' io amiko dia satria efa manomboka mihavery ny fihinan\'ny frantsay satria efa sokafana @ tany rehetra i M?kara. Mahanza ry zareo fa tsy afaka hitantana ny politika sy ekonimian-tsika tsn @zay tiany anaovana azy

D mazto @ emboutaka zany fa d hatrany Ivato ka hatrany Andoharanofotsy io raha izao,manerana ny tanana mihitsy satria miakatra Ambotsirohitra....hankany Ambanidia aby koa ny olona, hatrany Androndra no hitohana, eny Sabnam iany ngamba no halalaka.

Nefa ravehivavy anankiroa koa ho eny @67 sy Rova Andafiavaratra.....@6 maraina dia mivoaha ny trano ry reto an!
3. nikopol ( 27/07/2004 09:39)
Kitjo, "mody omeko kely dia angalako be", tsy ny frantsay irery no manao an'io fa ny tany mandroso rehetra. Efa nisy rapport nataon'ny banky mondiale mikasika io, efa taona vitsivitsy lasa izay : ao anatin'ny taona iray, ny fitambaran'ny vola alefan'ny tany mahantra makany amin'ny tany mandroso dia be lavitra nohon'ny vola alefan'ny tany mandroso ho an'ny tany mahantra (ao anatin'izany daholo ny imports-exports, ny fanampiana sy ny zana-bola sy ny sisa...).

4. kitjo ( 27/07/2004 11:06)
Eny e, lozika zany fa ho an\' ny ankabeazan\' ny zanatany frantsay dia tafahotra ilay izy ary tsy mandeha @io lozika io.

Ny antony dia satria ry zareo ihany no mbol amitantana ny firenena ara-politika sy ekonomika fa an-kolaka. ARy mi-spons olona akamany be izy hitondra ahafahany manao anzany.

Ampitahao fts ny tany nozanahan\' ny anglisy sy ny frantsay e. Maurice no akaiky antsika inddra angamba.

Amiko dia fahatahorana an\'io no anton-diany.
Tsika ange tsy afaka hiala @ Frantsa e, mbola izy aloha no mpamatsy sy mpiara-miasa amitsika \"bilateral\" voalohany. Fa izany tsy midika hoe izy no hitantana araka izay tiany ny fampandehan-draharaham-pirenena.

Soa aloha fa miova famindra sy manokatra varavarakely bdb ny fitondrana amzao fotoana izao idiran\' ny sasany e. Ny gardiens- ny frantsay nefa nanakana teo am-baravarana ka mitondra grille de protection no andehanany any anapenana anzany mba ho makarakara sisa.
Asa aloha e!
5. kitjo ( 27/07/2004 11:10)
Raha resaka economie ndray, kanefa mbola mifampitohy @resaka lazaiko etsy ambony fa pratique kokoa dia izao ny fahitako ny antony:

Efa lasan\' ny firenena matanjaka hafa avokoa ny orinasam-panjakana lehibebe no-privatiser-na!
Ohatra: Telma, Air Mad, Madarail,...

JIRAMA sisa tsy nisy nahazo ka ataoko fa mi-deal an\'io koa izy satria banky sy orinasa madinika angamba no azon\'ny zareo ka tsy d ho tazana firy izy!
Analyse tsotsotra izany en tant qu\' observateur fa tsy haiko!

ouuppsss! diso le ery ambony hoe miala vao maraina a kay moa efa androany io :roll:
6. raisap12 ( 28/07/2004 09:05)
sambatra hoa sika malagasy fa manana ny teny malagasy mampiray antsika eh! fa vao maika ko asambatra fa manana ny la frantsa reny malala izay mpampandry adrisa eh! raha mangataka mofo ony zanany gasikely de omeny vato mamay e! efa mba nanao zay ho hafany ihany ingahy prezida ntsika mba hialana aminy fa tsy afaka eh! ho aiza @ tany malalaka eo koa moa eh! ny an\'ol efa TGV fa netsika mbola locomotive t@ andron\'ny rainilahiarivony eh! mbola nabaribariny tao fa tsy afaka mankaiza sika raha tsy misy an\'ny la frantsa eh! tôkô de manena kely sika iiiiii!
7. mpitsikilo ( 28/07/2004 15:14)
Dia tandremo ary sao dia :

- Lasan\'i France JIRAMA (EDF/GDF)

- Lasan\'i France SIRAMA

- Lasan\'i France HASYMA

- Alefan\'i France aty ilay fitaovana famokarana herin\'aratra nokleary efa tsy manaram-penitra intsony

- Mbola teny frantsay ihany no hianaran\'ny zaza madinika manoratra rehefa any am-pianarana

- Tsy mahay miresaka afa-tsy amin\'ny teny frantsay intsony ny tanora malagasy

Noho izany :
- Miezaha ry malagasy isany, mivondrona, miombona antoka amin\'ny fampandrosoana, managàna orinasa tena malagasy, tantanin\'ny tena malagasy, fehezo ny toekarenao

- Lanjalanjao ny revy fa aza mandany andro, tsarovy fa misy zavatra azonao atao

Sa tsy izany?
:wink:
8. ludo ( 25/08/2004 09:28)
marina ny anao nefa kosa misy mahatsara ny privatisat° ihany fa itanao ny orin'asa zay tantanan'ny fanjakana rhtr; na izy zay maty antenantenany na tsy mandroso fa ny lehibe ihany no mameno ny paosiny ao d any @ mpanjifa no anenjehana ny faty antoka!!!
ny momban'ny fitenenana vahiny ndray tsy misy maharatsy azy fa'ianaro ny azy d aza ariana ny anao eeeee!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2666