Pub ao @ TVM

1. ari.malala ( 20/07/2004 07:24)
Asa ianareo raha mba mahatsikaritra fa ao @ TVM ny ankamaroan'ny pub dia an'ny TIKO daolo! vao misy resaka pub dia tsy maintsy an'ny TIKO no mibahan-toerana.
novalian'i kitjo ny 24/07/2004 11:15
2. ravatorano ( 20/07/2004 09:30)
ari.mamalala>marina ny anao fa dia feno pub an'ny tiko aoamin ny tvm.
Amiko raha mandoa vola ohaytan ny rehetra ny tiko amin ilay phenomene defa tena mahafapo ahy izay satria mampiditra vola ao amin y kipom-bolan ny fanjana izany.Aza d taitra loatra amin ny fenomenina tiko.
Raha manambola ny olona ka afaka mampiasa izany avelao izi hanao izay haovany ny volany any rehefa manaraka ny fepetra takian ny manampahefa
3. ari.malala ( 20/07/2004 11:03)
tsy haiko fa toa naheno aho hoe tsy mandoa vola HONO fa tsy haiko aloha izay fahamarinany ê!
4. mangakely ( 20/07/2004 11:06)
Tsy hainareo angaha fa efa an'ny Tiko ambongadiny i Madagasikara atsy ho atsy ? Aiza koa mitsangana daholo izao karazana orinasa Tiko rehetra izao.
5. atmos ( 20/07/2004 12:57)
Mba tena mahagaga marina izany an. Zà moa tsy any an-toerana ka tsy dia mahalala an'izany loatra ka isaorana anareo mandefa vao2 sns... Amiko kosa aloha raha marina io tenin'i ari.malala io, tena mba tsy rariny e!
6. kitjo ( 20/07/2004 13:01)
Aleoko lavitra aza mahita orinasa malagasy manao anzany na tsy mandoa vola aza....toy izay ny orinasa vazaha tsy mandoa taxe manondrana entana sns.........

refa samy hanao ny tsy mety ve tsy aleo tsika gasy toy izay ny sasnay no hanjakazaka ao an-tanana?

ny marina aloha raha toa ka manaraka ny norme rht izy volany no miala tsy hitako izay olana fa tsika ngamba tsy zatra ny mahita orinasa malagasy manao zavatra lehibe.
Tsy d olana amiko ny mahita phenomene TIKO hatrany ambanivohitra tsy tongan 'ny fiara nefa misy frigo TIKO na le plaque kely TIKO iny.

Volany no miala ko! Aiza koa d ny vazaha foana no ho tazana??

Misimisia ny oh azy aza!Gasy io!
7. ramoul ( 20/07/2004 13:18)
Mety ny pub avy any amin' ny TIKO no andoavany ny karaman' ny piasa zany kou! tsaotra nge ny valiny e! :lol:
8. kitjo ( 20/07/2004 13:31)
izy aby zany!
Mety mba hisy qualite kokoa amzay koa ny TVM sady vita malagasy....

Refa samy tsy mety ihany aloha ny atao aleo ho an gasy ny tombotsoa e.
9. ari.malala ( 21/07/2004 12:56)
Ka izao no tena nanaovako ilay remarque, ny pub ao @ TVM aloha izany azo atao hoe azo leferina, fa ny mampalahelo izany dia ireo panneaux trivisions an'ny INJETizay nasorina an-keriny fa ny an'ny TIKO tsy kitihina.
10. kitjo ( 21/07/2004 17:14)
Fa tsy ara-dalana anefa ve ny an TIKO?? sa ampitahaina fts?

Inona koa no tena antony nanesorana ilay an INJET fa tsy azoko manko iny vaovao iny fa tsy mazava ny tenin Andry TGV.
11. ari.malala ( 22/07/2004 05:47)
Resaka tsy mazava mihintsy iny resaka INJET iny ê, nanome ny fahazoan-dalana tsara izao anie ny tao @ commune ê! ko nahoana vetivety eo dia hoe tsy ara dalàna indray ny fametahana ireo panneaux? sady izao koa, iverenako ilay resaka pub, ny pub no tena mba fidiram-bolan'ireo TV isan -karazany ireo, ka raha tsy handoa vola ny TIKO dia efa vola amina millions na milliards veri izany, dia aiza koa ny toeran'ilay fifaninana masina eo @ samy orinasa raha izany? sa ve ny TKO an'ny mpitondra dia tsy maninona na tsy mandoa vola aza?
12. ravatorano ( 22/07/2004 08:02)
Izaho alaoha dia tsy hino mihitsy fa tsy mandoa vola ny Tiko manao pub ao amin ny tvm raha izany no miseho mantsy dia tena fandikana ny lalana misy izany ka afaka atao ny manamarina izany mba tsy ho diso ny fiheverana ary hampazava tsara ny saintsika.
Tsy hanaiky an izany ny mpiasa ao ary tsy maintsy hita foana ny marina .Aza hadino fa tamin ny andron ny naha praim an Atoa Ratsirahonana anie ka nomena exoneration ny produit rehetra nampiasan ny TIKO e nefa fantatra ihany izany d tsisy nanakiana moa ary mbola notohizana izany tamin ny andron dry Mr Pierrot rajaonarivelo ka mandraka androany.
Momba ny INJET dia voalaza fa ny tompon trano izay voatakona tao aorina no nangataka ny fanasorana ilat takelaby fanaovana pub
Izaho dia tena midera an i Andry Rajoelina noho ny asa izay nataony , noho ny tolona nataony tamin ny fampijoroana ny INJEt fa kosa raha misy zvtr tsy tokony hatao d mety hiray hina amin ilay olona ihany aho.
Izao ary ny fivondronana dia tena tompon andraikitra voalohany amin io raharaha io satria manome alalana nefa dia manafoana izany tampoka indray ary dia mandray fepetra tena manahirana tokoa>Inona no tsy nanontanian ny commune ny manodidina ireo fiaraha monina manakaiky ilay takelaby fanaovana dokam barotra izany? Nahoana no tsy nanao izany ry zareo fa rehefa vita ilay asa vao nisy nanao fanakianana tany ho any dia namoaka fepetra iray mifanohioitra amin ilay voalohany ry zareo
Mbola ao anatin ny tsy fahaiza mitantana ihany izany ?
MAHAGAGA TOKOA ?
13. ari.malala ( 22/07/2004 08:53)
Ka izao ary, raisiko io resaka exoneration io, nahoana moa i Pierrot Rajaonarivelo, no gadrainao noho io resaka exoneration de tâxe io, sa rehefa ny TIKO dia azo atao fa rehefa ny hafa dia mampigadra? Misy fiangarana ao izany!
14. kitjo ( 22/07/2004 11:44)
Resaka INJET> zay vao azoko ilay izy fa henoko fts fa tsy d arako lotra.
Tsy misy idiran' ny TIKO angamba ary tsy azo ampitahaina ilay izy fa tsy fahaiza-mitantana tao @fivondronana sy ny fampandehanan-draharaha raha izany fa tsy misy idiran'ny TIKO.

Raha pub @TV aloha ataoko fa mandoa vola izy toy ny fanaparitahana ireo fitaovana misy logo TIKO eraky ny nosy.
Raha @toerana tsy ara-dalana koa ireny dia azo atao ny manala azy ary diso izy.

15. kitjo ( 22/07/2004 11:51)
ari.malala> tsy niteny aho hoe tsy mandoa vola izy fa ny nataoko oe raha toa ary ka tsy mandoa vola izy, mbola azoko leferina satria orinasa malagasy, afaka manao koa ny sasany raha mahavita kanefa fantatra fa ratsy izany.

Ny tiako hiaviana dia jereo ireo orinasa vahiny bdb tsy mandoa taxe ireo, izay pub @ TV io aza ve hisy dikany raha ampitahaina @reny??
raha ireo thailandais sy sri-lankais mpanao vato ireo fts , ohatrinona ny taxe mba alohan' ireoo kanefa refa mandeha mivoaka izy au moins vato valeur 1milliard no entiny, raha kely inddra izany....

Izay ilay lazaiko hoe raha smay hanao ny tsy mety ihany aleo ho an' ny gasy ny tombotsoa e!
Fa raha toa moa ka hoe manara-dalana izy tsy hitako mitsy izay anenjehana azy @zany fa tokony atosika miakatra aza fa ny mahazatra antsika manko, raha misy orinasa gasy tafakatra dia enjehina na finganin' ny fanjakana aza, satria misy politika ambadika miaraka @vahiny ao.

Izay no mahatonga ny malagasy tsy sahy mi-investir ao Dago fa tsy maintsy enjehina foana ary raha vao mba mandroso na olon-tsotra aza d oe "mahitahita" sns......
Aleo atao ambany ondana ny vola na ampidirina banky aty ivelany!

tsy haiko aloha ny vola aloan TIKO @TVM fa azon'ny mpiasa ao atao ny mamoaka anznay aty ivelany raha tsy mandoa izy e.

Tsy diso anefa ry zareo raha manao pub @ TVM satria afaka mamatsy ny firenena ray manontolo ka izay no "target market"-ny fa tsy ny ao Iarivo ihany!

tsy avocaten TIKO za fa zay no zava-misy ary politika anatin' ny orinasa ny ny fandraharahana io.
16. kitjo ( 23/07/2004 06:59)
Ka ra ry zareo aza moa tsy mamoaka ianao v ho sarotiny alohan' ny tompony fa tsikeran' ny ety ivelany iny.

ze voa manodidina!
17. lanto ( 23/07/2004 07:49)
minoa fotsiny ihany
18. ratam ( 24/07/2004 00:00)
ka izay tiany ihany io kanh ... raha manana vola hahafahana manao pub ve izy moa inona no olana ... zara aza izy mampiasa vola ...

Isika anie tsy tokony ho pessimiste be e ! Ny olana amin'ny malagasy dia variana mijery ny fiainan'ny hafa fa tsy miatrika ny an'ny tena hany ka tsy handroso vetivety satria lany andro mitsikera ... sa ahoana ry reto ?
19. sobika ( 24/07/2004 07:29)
efa manaraka le resaka fôna za de tsy haritro fa aleoko koa mba mandray anjara ato:
tena le toetsaina Malagasy mintsy no mitady ho simba
satria de marina mintsy le voalazan ny Kitjo we
aza de variana manao tsikera be fahatany wa eh raha manome sosokevitra moa ianao manin! atolory fa izany mintsy no ilaina!fa raha amiko ndray an! tsaratsara kokoa aloha mitady le info tena marina vô mitolokoloko @ zay tena fondé le resaka we tena mandoha izy na tsy mandoha! satria tsika lasa resaka lava be eto nefa samy suposition daholo le resaka!!! noho izany de mila mahafantatra mintsy zany aloha we tena misy ve le vola mirotsaka ao@ kitapon ny tvm sa tsia!! de manaraka izay refa resaka PUb TVM le izy de pub TVM zany NO FOTODRESAKA satria raha vô niditra le resaka we INJET DE lasa resaka perso le izy zany we alahelo manokana ! de manjary raisina we le TIKO koa zany no anton \'ilay fanesorana paneau! aiza kosa eh!
Ngamba tsy manana fahefana @ zany ry zareo!sady mbola lavitry ny afo ny kitay raha we Gasikara ray mantolo zany efa an\'ny TIKO ambongadiny ka! ny tany misy ny fasandrazanay ndray tena tsy ho voavidindry zareo mintsy kooooooo!! sarotra be zany ..
Raha mba misy oul afaka mamaly le fanotaniana ato @ serasera eh mba iangaviana mba hanome valiny eto raha Mandoa VOla NY TIko na tsia mba soraty ato re ah!sitrany ahay MBA MAZAVA LE RESAKA !!!!!!!!!!!!!
20. kitjo ( 24/07/2004 11:15)
Marina zany ramaso fa io lazain sobika io hoe mitadiava info ary d hita eo!

ny marina amintsika gasy raha misy olana dia tsy te ho diso fa mitady ny fahadisoan'ny hafa: amzay mba oe samy diso d misy namana!

raha misy koa malagasy tafita d lazaina fa manao aferafera na zanaka mahitahita na havan' ny mpitondra (olona eto no resahiko fa tsy orinasa).
Ka raha vahiny dia toa mandeha ho azy raha mahavita zvt lehibeFa ngah tsy mba afak hifaninana @ vazah mihitsy ny gasy e?

ny anah aloha ny faniriako d hoe "misimisia ny ohatry ny TIKO e"
Mba fananan'ny gasy kanefa tsy matahotra ny hifaninana ary tsy ambakan'ny vahiny.
Afaka mandany vola mampiasa technologie sns oh ataon' ny vahiny: Coca-Cola ohatra.
Afaka manafatra fitaovana ary fomba hampandrosoana ny asa.....
Afaka manome karama mihotra nohon 'ny omen' ny orinasa vahiny (zone franche)....

Misy orinasa manao gilasy ao Indonesie kambana @TIKO fa na ry zareo aza mivaky vava
Fitaovana mitovy no ampiasaian satria niara-novidiana, mitovy koa ny anaran' ilay gilasy raha tsy diso aho. Olona iray no nanofana ny mpiasa TIKO sy ny ao Indonesie...

Ka tsika malagasy mifanaratsy sy mifanenjika an-toerana foana ny vazah lasa ihany d samy tavela eo ny farany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1607