Zava-baovao eto amin'ny forum?

1. hery ( 17/07/2004 06:23)
Nisy zavatra maromaro izany novaina tao amin'ny forum
- Forum manokana. Afaka manamboatra lohahevitra manokana ho azy ny tsirairay. Ilay mpamorona avy eo no manasa namana hijery sy handray anjara amin'ny lohahevitra noforoniny. Rehefa avy eo dia afaka mahita sy manoratra amin'io lohahevitra io toy ny mahazatra ireo mpidinika izay nanaiky handray anjara.

- Raha nataon'ilay mpamorona ho hitan'ny daholobe ilay lohahevitra dia mitranga rehefa jerena ilay hoe Lohahevitra - Manokana etsy amin'ny fanoroam-pejy. Azon'ny rehetra atao ny mangataka handray anjara ka rehefa eken'ny mpamorona izany dia tafiditra ho mpidinika ianao.

- Azon'ny mpamorona atao ny manome andraikitra ny mpidinika hafa. Ohatra hoe tiany hatao mpandrindra lohahevitra ilay mpidinika. Dia toa izany ihany koa, azony atao ny mamafa ny namana [maditra] tsy handray anjara amin'ny lohahevitra noforoniny.

- Mbola hitohy ny fanatsarana
novalian'i hery ny 17/08/2004 00:12
2. hery ( 17/07/2004 06:33)
Raha mpikambana amin'ny lohahevitra manokana ianao dia miseho ao amin'ny lisitry ny lohahevitra (raha vao manokatra ity site ity) izy rehetra.
3. hery ( 17/07/2004 07:34)

Manomboka misy smileys koa eto. Ny sarisary kely ampiasaina tahaka ny hoe :) sy ny :D
Ny fampiasa ao amin'ny namana ihany no miverinamiasa eto.

Misaotra
4. xxx ( 17/07/2004 08:07)
efa mia betsaka ny olona mandray anjara
thanks!!
5. hery ( 17/07/2004 08:23)
efa betsaka mihitsy kah :)
6. nyna ( 17/07/2004 15:41)
ono oah e! afaka mba misy manazava amiko ve hoe lasa aiza tsara ilay loha hevitra "Resak'olon-dehibe"? :!:

Misaotra mialoha :D
7. hery ( 17/07/2004 22:37)
nyna> ny lohahevitra "Resak'olon-dehibe" dia lasa ao amin'ny atao hoe "Lohahevitra manokana".
Ny lohahevitra manokana rehetra dia hitanao etsy amin'ny Fanoroam-pejy (Tsindrio ilay hoe Lohahevitra - Manokana)
Ny lohahevitra manokana dia mila fidirana manokana. Raha te ho afaka hijery sy hanoratra amin'ilay "Resak'olon-dehibe" ianao dia tsindrio ilay hoe [Handray anjara] eo amin'ilay lohahevitra hoe "Resak'olondehibe". Manomboka amin'io dia mitranga eo amin'ny lisitra tahaka ny mahazatra ny "Resak'olondehibe" ka afaka manoratra sy mamaky ianao. Ho hitanao ihany koa hoe iza avy no afaka manoratra sy mamaky (antsoina hoe mpidinika) ao amin'io lohahevitra io. Azon'ny mpandrindra esorina ao amin'io lohahevitra io izay namana atahorana ho latsaky ny 18 taona ( :? ) dia ho dakaina ao ihany koa izay ratsy fitondran-tena :)
Andramo aloha ilay miditra ao amin'ny Lohahevitra manokana dia ho hitanao.
8. ramoul ( 18/07/2004 13:07)
Tsara kosa zany ra misy vavahady ny loha hevitra ko! :D
9. nyna ( 19/07/2004 15:34)
hery> misaotra anao!! mazava tsara ny fanazavana
10. mumu ( 19/07/2004 18:06)
ramaso tena mafinaritra ano mintsy manoratra anio ps akou io an!!
11. fijo ( 16/08/2004 23:36)
azafady fa tsy hitako izany lohahevitra manokana izany?
12. hery ( 17/08/2004 00:12)
Rehefa tafiditra i fijo dia jereo ny ery ankavia ery amin'ny hoe Lohahevitra - Manokana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.204