ho antsika namana eto antanindrazana na ireo mandalo eto manao ny fialantsasatra.

21. ari.malala ( 16/07/2004 13:30)
Hiezaka ny ho avy ê!
22. six ( 17/07/2004 12:00)
d le izy zany araky ny hevitry hendry we ts ny oul rehetra no michat na miforum d hita avy am io fihaonana kely io ny hanaovana ny fihaonam-ben'ny mp serasera.org rehetra e!!!! fa ze tratra antso zany d tokony ho tonga e!!!!!
merci e
siksssssss
23. fyjl ( 17/07/2004 12:39)
Marina ny tenin'ny six we tongava izay tratra antso satria eo tsika mahita izay tokony hatao manaraka mba hampihaonana ny namana rehetra, na anaty salle io na somary mivoaka kely.
Dia mba ilazao ny namana rehetra fa antsika rehetra io e!
Ento foana na tsy tsy mbola namana aza fa raisintsika ho namana izy.
Hitafatafa isika - hiresadresaka - hitsakotsako - hihirahira ary ataontsika am-pirahalahiana sy am-pitiavana tanteraka izany rehetra izany
24. bryan ( 19/07/2004 11:21)
izahay aty ampitan-dranomasina koa dia mila fanentanana mba hihaona amin'ny fomba mavitrika satria samy gasy mila ravin'ahitra ka tokony hafanohana na koa hanohana ny tranon'kalantsika izay tsy ambaka ny an'ny vahiny, caramail, yahoo, sns, sa tsy izany,, samy nahita soa taminy sdaholo indrindra ny samy malagasy
25. edwin ( 19/07/2004 11:45)
izay izany no izy ry zalahy koa dia tongava daholo amin'io fotoana io.mba tsara ihany koa raha mba mifankahita iska.koa dia aaza adino ny fotoanantsika e!!!
bye
26. arimalala ( 19/07/2004 13:31)
Tena hevitra mahafinaritra ilay izy fa dia misaotra an'izay tompon-kevitra ka dia manentana antsika namana rehetra eto Tanà zany mba samy ho avy e
27. gtxm76 ( 19/07/2004 13:46)
Manantena antsika rehetra izay afaka ho avy amin'io fotoana io :roll:
28. baly ( 19/07/2004 15:09)
Za koa aloha miombon-kevitra aminaeo @ io fiaonana io; izay fotoana lany dia mety amiko daholo
29. belhou ( 19/07/2004 17:09)
zahay aty bira koa hiezaka ny ho avy e!miakatra matetika any koa mantsy ka sûr fa tsy ho olana @nay ny handeha ho any.Revenay mihintsy 'zany!milay!!!
30. mimikely ( 19/07/2004 18:31)
manahoana daholo.
Tsara be le hevitra fa tsy afaka atao mba mi aout ve lay fihaonana na ohatr' izany . Satria mantsy betsaka ny pikambana ato @ serasera no aty an-dafy ka mba misy maromaro no tany @ faran'ny volana sy mi aout.Fa ny tena tsara angamba dia atao vote le izy.
31. dahery ( 19/07/2004 21:07)
Tsara be lay hevitra ary misotra ireo mpikarakara fa ny tiako hanontaniana de hoe malalaka ve ny trano fa sao de tonga daholo ao ny namana de........sahirana eo isika
32. voahirana ( 20/07/2004 10:38)
Dia raikitra izany fa tsara ilay fihetsehana e!!! dia ny faniriana zany ny hahabetsaka indray ny mpikambana ho tonga.Misaotra an'izay tompony hevitra koa fa raha nanao ny fivoriana faharoa teny Ambohijatovo ny mpikambana dia nanapa-kevitra fa hatsangana ny birao vonjimaika io mba hampandeha ny fikambanana no antony fa ny mpikambana rehetra dia mpanolon-tsaina avokoa afaka manome hevitra sy mamisavisa fa izay hetsika rehetra vita hatr'izay dia hevitra avy amin'ny mpikambana daholo fa tsy avy @ birao akory. Nybirao izany dia mpanatanteraka sy mandrindra ny visavisa hatolotry ny mpanolon-tsaina fotsiny.Dia mahafinaritra rehefa misy mpikambana afaka manapan-kevitra rehefa mahita fa tokony hisy ny fihaonana dia faly manohana hatrany ny hevitra mitranga rehetra zany e!!! dia misaotra sahady an'izay ho avy rehetra samia mitarika ny namany fa mahafinaritra ny mifankafantatra mivantana an!!!!!
33. maik ( 20/07/2004 16:27)
Ny ahy aloha dia tiako ho fantatra raha efa complet tsara ve ny birao sa ahona ? Raha toa mantsy ka tsy mbola ampy dia tsara raha hoankalazaina ilay fivoriambe de ampandrenesina daholo ireo namana ary dia asiana fifidianana koa amin'io .Raha misy moa tsy tokony hovana dia aleo hijanona fa raha misy kosa tokony hampiana dia izay tonga mivory no manapaka azy. Amin'izay rehefa tafatsangana tsara ny birao dia afaka manao hetsika iraisana isika rehetra mba hananana kesy ahafahantsika manao sortie kely na lehibe mihintsy aza arakaraka ny eo ampelatanana ihany. Sa ahona hoy anareo ?
34. achraf ( 20/07/2004 21:39)
misaotra betsaka @io hevitra io ee!!!tena tsara raha atao io fihonana io mba hampirissika ny ts1 haneho ny fifandraisa @olonahafa izay bola tsy mifakanfantatra
ny tenako maniry raha atao @le 07 aout fa mbola aty ivelan"ny mada izay izao tsy tonga raha tsy @le 03 ho avy izao ee :lol: :lol:
35. admin ( 21/07/2004 04:51)
Ho an'ireo namana aty andafy ho any Dago amin'ny faran'ny volana.

Araka ny nolazaiko tatsy ambadika dia mbola azo atao indray ny mihaona amin'ny 15 aout ohatra. Azo atao foana anie no mihaona na isanandro aza e :) fa rehefa lazainareo ilay izy dia ankalazaina dia mba tonga hijery anareo koa ny namana ao Dago sasany.

Raha misy amin'ireo namana ireo (mimikely, mumu...) afaka mifampiresaka miteny ny fotoana manaraka (15 aout ohatra) dia mbola ho tonga any indray ny namana.

Mazotoa daholo
36. fyjl ( 22/07/2004 05:40)
Misaotra an'ny rehetra namaly antso sy naneho hevitra satria hita sy tsapa fa mangetaheta fihaonana ny rehetra.
Ity fihaonana @ 31 juillet ity dia santatra ambavarano ihany ary natao mba hamorina izany hevitra rehetra izany. Iarahantsika mandinika @ io fotoana io koa ny momba ny fihaonam-be ka izay lanintsika eo dia atolotra ny birao mba ho dinihiny izay fomba hanatanterahana azy.
Koa mitaona antsika namana rehetre mba ho tonga satria ny hevitry ny maro hono mahataka-davitra.
Mampahery ihany koa an'ireo namana izay tsy mba afaka manatrika io fotoana io noho ny antony samihafa fa ny manetsa be mbola ho avy e!
37. sarondrahona ( 22/07/2004 06:43)
Anisan'ny fifaliako lehibe indrindra izao fampihaonana ny mpinamana "SERASERA" izao, fa dia mankasitraka ny Mpanatontosa rehetra. Te -hilaza avy hatrany aho hoe : amin'ny 2ora sy sasany aho dia efa eo ami'ny paositra, satria tsy hitako ilay toerana, kanefa fikasàna moa no antsika olombelona fa ny fandaharana an'Ilay Mpahary. ka raha tsy misy antony tsy azo hanoharana, dia tsy maintsy ho tonga aho, na ho orana mikija, na ho rivotra mifofo.
Fa ny tiako hotenenina fotsiny, ho antsika mpikarakara rehetra sy mpanatontosa ,dia ny hoe : " sao dia tokony hoeritreretina dieny izao ny fandaminana rehetra hatrehina amin'io andro io, mba tsy hisian'ny fotoana very hoe inona amin'izay àry no hataontsika e ? - Ohatra hoe, amin'io no hananganana indray izay birao hitantana mandrira ny firy taona, izay fitsipika iraisana; raha misy izany, ary izay karazana fety hotontasaina amin'io andro io, saingy heveriko kosa , fa eo angamba isika vao hanapaka hoe : hotontosaina ihany ve ilay amin'ny Desambra sa ahoana. - ka mahaiza manararaotra daholo, fa " volamena ny fotoana e!"
Izay ihany no tiako hamafisina sy asian -teny kely, ary indrindra ny tena tiako hotsindriana mafy dia ny hoe : "ho ela velona anie ny fifaneraseran'ny mpiserasera rehetra !
Tongava maro daholo, fa any vao mba hifankahita endrika e !
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
DO.COM.CYBER Ankadifotsy
38. xxx ( 22/07/2004 10:13)
Tsy misy olana ny fiarahana fa dia organiser-na milay tsara.Sady izaho mahay mitendry clavier ihany fa ialahy isany mihira sy mandihy..............glou_
39. yans ( 22/07/2004 13:00)
tsy de manana ambara noho ny hafaliana noho izao hevitra tsara be izao ,fa manantena ny fahatongavantsika rehetra
40. miangola ( 22/07/2004 13:16)
salut! eny e! ho avy izay e! eo @poste izany ny fotoana e! veloma!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.346