saron-doha

1. hendry ( 08/07/2004 14:52)
Ady hevitra mandeha @ firenena eropeanina ny tsy amelàna ny vehivavy musulman hitondra ny saron-dohany @ toeram-piasàny toy ny toeram-pianarana sy ny sisa.
Mpianatra (musulman) iray koa no mitantara fa sarotra ho aiza ny mahita asa noho izy manao satro-doha noho ny finoany.
Tokony ho olana ve ny fahitana ny olona iray manao satro-doha sa ilay fanehoana ny finoana mihitsy no tsy eken´ny saina e?
novalian'i booboo ny 02/08/2004 06:36
2. kally ( 08/07/2004 15:58)
Tsy izany fa hainao ihany ny toe-tsain-dry zareo ireo,jereo ohatra mandeha any @ hopitaly ny vehivavy arabo dia zareo no mandidy hoe tsy maintsy dokotera vehivavy no mandray ahy,nefa tsy hay na misy dokotera vehivavy ao na tsia,dia hanomboka tsikelikely ohatr'izany izy dia avy eo zareo koa no hanao hoe ny vehivavy eropeanina tookony hisaron-doha fa manelingelina ny masonay.
3. wawawa ( 08/07/2004 17:28)
hay ve e!
4. wawawa ( 08/07/2004 23:38)
5. wawawa ( 09/07/2004 00:17)
hay ve e!
6. fanja1 ( 09/07/2004 07:34)
Rehefa tsy te hanaraka ny fomban'ny sasany ry zareo maninona tsy mody sy mijanona any @ tany misy azy any. Matoa ianao mandeha any @ tanin'olona dia vonona sy hanaja ny fiainan-dry zareo fa tsy ianao vahiny indray no hametraka ny lalanao any an-tanin'olona.
7. ari.malala ( 09/07/2004 08:59)
Fony mbola mpianatra aho no nahatsiaro tao @ sekoly nianaranay vehivavy karana (?) izay, dia ny sekoly nianarayany moa sekolim-pinoana dia rehefa fotoanan'ny Lamesa izany dia tena hitanao maniratsira sy manivaiva be ery izy ao am-piangonana! manafintohina mintsy!
8. latifa ( 09/07/2004 11:31)
>>ramaso . any am'iny tany silamo silamo angaha ianao no mipetraka sa ? marina daholo izany voalazanao izany fa izaho mantsy miasa aty amin"ny tanindry zalahy dia tena mahita tsara ny fiainanay. amin'ioza mafana izao moa ny andro dia misy ihany ny mampiseho kibo an!. sarotra io resaka voaly io eh.
9. hendry ( 09/07/2004 14:22)
Ka ilay voaly na saron-doha anie ka hafa mihitsy hono ny dikany fa tsy hoe fahamaontinana zany e!
Fa ny tsy azoko dia misy musulman manao voaly ary misy tsy manao, raha zany anie dia mety azo tsy anaovana ihany zany ilay izy e,sa?
10. tsima ( 09/07/2004 17:34)
Raha ny tokony ho izy dia ny fanajana ny rafi-piaraha-monina misy anao no tokony atao ie rehefa any erôpa ianao dia izay rafitra ao no arahina. Tokony tsy hisaron-doha izy izany rehefa miditra @ sekolim-panjakana ohatra satria laika ireny toerana ireny ie tsy misy firehana ara-pinoana. Raha sekoly silamo kosa no ianarany dia malalaka izy haneho ny finoany araka ny izay itiavany azy.
Ny olana amin-dry zareo mantsy dia somary tia teritery izay ry zareo @ resaka finoana io. Ny handrakotra an'izao ttl izao @ fivavahany koa hono no tanjony ka asa izay ho fandehany....
11. atmos ( 09/07/2004 22:27)
Za ndray aloha tena manomboka tsy ho tian-dry zalahy ireny mihitsy. Efa niezaka ihany aho ny hitia fa isaky ny mba hiezaka ho tia an-dry zalahy de misy zavatra manafitohina fôna. Marina mihitsy io tenin'i tsima sy fanja1 ary ambonimbony io. Rehefa tsy faly mibotsina hozy ny fiteny, rehefa tsy hanaraka ny lalàna misy eo @ toerana misy anao enao de andehana mody e....
12. yonikafopl ( 09/07/2004 23:37)
fa inona moa no tena hankahalanao azy ireo ar atmos ny toetrany sa ny fombany????
raha mba sarondoak hotsiny ange mba misy endrika jerena ihany fa ilay mirakotra mainty hatrany am-paladia no tena orera.tsy mba mahalala andro mafana.
13. atmos ( 10/07/2004 00:00)
yonikafopl : le toe-tsain-dry zalahy mihitsy no tena tsy tiako e, ohatran'ny ry zalahy fôna no BOB, fa enao ts'inon'inona mihitsy. Ny hanitsaka anao fôna no tadiaviny. Za aloha efa nanana namana betsaka avy any amin-drizalah fa ampy zay e.
14. ikaretsaka ( 10/07/2004 01:05)
izay no mety indrindra.. raha ny tokony ho izy dia ny fanajana ny rafi-piaraha monina any @ ilay tany hivahiniananao sy indraminao honenana no tokony hatao. ny an-dry zareo anefa dia ny azy aloha no tsy maintsy prioritaire.. ohatran'ny karana any amintsika.. isika anefa rehefa any aminy tonga dia mibory satroka sy mi\voaly tsy fidiny!
15. hendry ( 10/07/2004 14:45)
Misy fahamarinany ny voalazanareo nefa kosa ve ry reto raha noho izy manao saron-doha no tsy andraisana azy miasa mba rariny ihany? amiko toa discrimination zany. Raha sehatry ny asa zany tokony capacité no jerena fa tsy zay endrika ivelany. Tsy haiko aloha e!
16. fatsoraly ( 10/07/2004 15:09)
@ fomba ahoana moa no ahafahany manaraka ny toe-tany? http://www.islamreview.com/articles/islamicintolerance.shtml ange ny fombany e!

dia http://www.booklocker.com/books/1413.html ny trangan-javatra mety hiseho.
17. fatsoraly ( 10/07/2004 15:13)
soa fa misy ilay Andriamanitra tokana "mahefa ny zava-drehetra", sady tompon'ny fahefana ety an-tany sy any an-danitra.
18. hendry ( 12/07/2004 10:11)
tsy azoko ny tian´i fatsoraly @ io hafatra farany io. Inona ny ifandraisany?
19. ikaretsaka ( 12/07/2004 12:48)
vakio tsara aloha ry hendry ilay liens nomen;i fatsoraly dia hitanao
20. ari.malala ( 12/07/2004 13:30)
Ka zao anie r'i hendry ê! izy an, ny tadiaviny dia ny hanajana ny fombany izany hoe ny tiany dia hisaron-doha izy ao am-piasana dia ho avy @ zay izy hanery anao hanaraka ny fombany...sns.. ohatra iray lazaiko anao, nisy mpiara mianatra tamiko izay, komorianina ilay ankizy, dia sendra niara nisakafo tao @ buvette izahay roa ka sendra saosisy ny laokan'olona teo ankaikinay dia tonga aho dia no forcé ny hoe ndao hivoaka ary ny tena nahasorena ahy dia niseho naloiloy be ilay ankizy ary dia nihoaka mintsy moa izay, ankoatr'izany, nanao stage t@ hôtel lehibe iray aho dia nilaza izy fa hampidirina hanao stage ao, nefa kosa tsy afaka ny hiara misakafo sy miray latabatra @ mpiara miasa ao fa tsy mihinan-kisoa, ary tsy maintsy manapaka isaky ny zomà angamba izy izay raha tsy diso aho fa mankany @ mosquée. Aiza no hisy anaovanao didy jadona be ohatran'izany! rariny ihany hoy aho raha izy samy izy no mifampiasa satria iray fomba!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.285