Ny asa eny ambanivohitra marina ve tsy natao ho an'ireo nianatra eh

1. xxx ( 07/07/2004 22:03)
Avy ary ambany ary ity no nentiko niakatra teto fa mba nahaliana ahy eh
"Ny lehilahy leisy ry Jaombilo tsy boka erintaona an. Raha nianatra ianao dia mba ampiasao hamoronana ny fahaizana fa aza manaiky ny ho mpiasan'olona lava izao.
Hitako tokoa fa betsaka ny nianatra tany amin'ny siansa sy agro, geographie nefa toa te tsy te handray ravin-dena daholo fa samy tia latabatra ka izay ahitana latabatra no maha-maika.
Mba tokony jerena sy ataontsika filamatra ny ankizy avy amin'ny Poly samy mikonokonona PMI sy PME daholo na mafy aza ny fitadiavana lalam-barotra.
Asa anao Ramalagasy fa nampianarina hanao fangatahan'asa hatrany ianao, ka aleo mitady asa toy izay mamorona asa.
Ny angady marina koa moa tsy natao ho an'ny nianatra eh"
Aza fady fa tsy mitonona anarana
xxxxxxxxxmz
novalian'i cynthia4 ny 22/03/2005 03:19
2. fijo ( 08/07/2004 00:14)
io toetra voalaza io dia toetra nampidirin'ny vazaha teto.nampianarina hanatanteraka isika fa tsy nozarina hamorona sy handry andraikitra.
3. booboo ( 08/07/2004 20:36)
xxxxxx a ! ny raha ianarako zô dé hampiasako angady sy ny tariny rehefa vita ny fianarako fa tsy taitra enao !
4. wawawa ( 08/07/2004 21:06)
Mila enarana koa anie ny miasa eny ambanivohitra. Serieux io sehatra io
5. fatsoraly ( 09/07/2004 14:09)
Ny asa eny ambanivoitra indrindra no tokony ilofosan'ireo nianatra mba ampiharana ny vokatry ny fianarana nataony.

Hitangorona hanao inona fotsiny eto Antananarivo sy Tsaralalàna?
6. pitchou ( 09/07/2004 18:38)
ka tsaralalana kartien-dry fatsoraly ko!
tsy hoe ny mpianatra avy atsy sy ary tsy tia mamorona na tsia fa mitovy daholo! zà kosa alou mahita hoe tsy satria tsy mitana angady d tsy tia miasa ho an'ny ambanivohitra e! ny asa na ambony latabatra aza azo atao tsara hamapndrosoana ny any ambanivohitra! angaha ireny traktera sy inn ireny fitazonana angady no namoronana azy fa tsy teny ambony latabatra? ary fitia ampandroso ny ambanivohitra no antony namoronana azy? na irey toha-drano ireny? asa eny ambanivohitra daholo zany amiko!
sady ataoko ity aza efa 80% ny gasy efa manao ny asa eny ambanivohitra ko no mbola hirohotra ho any daholo ny rehetra? d mba iza no hanao ny asa fikarohana, fitantanana, fampianarana, fitsaboana sns raha izany?
7. fatsoraly ( 10/07/2004 05:58)
ny asa fametrahana palitao eo ambony seza sy fanodikodinana koa aza hadinoina
8. pitchou ( 11/07/2004 07:40)
ah! ka iny moa izany efa contrat manokana miaraka @dry Mananaly ko!
9. ari.malala ( 12/07/2004 14:12)
Ko raha tsy natao ho an'ny olona *nianatra* ny asa eny amvbanivohitra dia inona no antony nanaovana ireo sekoly mampianatra momba ny fambolena sy fiompiana? Ny toe-tsain'ny ankizy @ izao fotoana no tokony hamboarina fa ny tany hovolena koa anie mbola betsaka ê! Dia ny fifampitaizana tsy hifangalatra sy hifanabotry.
10. pitchou ( 13/07/2004 07:18)
tsy voatery ambolena ko moa o? azo anaovana hotely be eny @ireny mbola ambanivohitra ireny! izy aby izany e! saingy matetika ilay silany ambanivohitra @ fahafantarantsika azy no mitoetra ao an-tsaina
11. kally ( 13/07/2004 08:50)
Na tsy resaka fambolena sy fiompiana aza fa raharaha andavanadro dia mahagaga tokoa fa betsaka ny ankizy gasy menatra manao raharaha,handeha hanary fako dia menatra ,mandeha mantsaka dia menatra hono,asa inona angaha no maharatsy an'izany ka mahamenatra azy.Misy ezaka be dia be tokony hataon'ny ray aman-dreny ao.Folahy ny zaza hahay hampiasa ny tanany sy hanira-tena dieny mbola kely.
12. pitchou ( 13/07/2004 10:04)
fa izao no tsikaritro e! lasa lamaody angah ity hoe mipetraka any ambanivohitra? na mipetraka @ sisin'ny renivohitra (banlieue)?
13. tsilan ( 13/07/2004 15:37)
Tsy izany fa izao vao manambola hanaovana trano vaovao eny ambanivohitra ny zanaka am-pielezana ka dia manomboka miverina an-tanindrazana.
Efa tsara aloha ilay izy eh.
Tsara ny miasa eny ambanivohitra raha toa ka amin'ny toerana tena masaka ianao, fa tsy hoe eto Antananarivo akory satria eto sady ratsy ny tany no tsy ampy rano. Nefa eto no misy ny mpanjifa be indrindra, ka rha manalavitra eto indray ianao dia lanin'ny fitanterana fotsiny. Raha tsy hoe potika eny an-dalana ny vokatra.
Olana mba hitako ireo, tokony hampianarina manodina ihany koa ny tantsaha rah azo atao. Sa ahoana hoy ianareo?
14. pitchou ( 14/07/2004 05:02)
marina izany! eo izany no afaka miditra an-tsahatra indray ireo miasa momba ny tontolo ambanivohitra mijery ny fomba fanodinana sy fitehirizam-bokatra. Misy ny fomba nahazatra an-drizareo fa raha hatsaraina dia mety azahoany tombony kokoa. Fa zava-dehibe koa aloha amiko ny fanokafana sy fanamboarana ny lalana e! manafainga ihany koa ny fitanterana sy famoaham-bokatra manko! enga anie fotsiny mba tsy ho mpitatitra irery no hahazo tombon-tsoa fa ny rehetra!
15. hendry ( 15/07/2004 11:21)
Betsaka ny te honina ambanivohitra koa anie fa ny fandriam-pahalemana no olana e! raha vao misongadingadina miohatra @ hafa enao dia avy ny dahalo. Iza no antsoinao eo? tsy zandary, tsy pôlisy.
16. pitchou ( 16/07/2004 11:09)
ie! raha izaho alou tiako ny mipetraka eny saingy nony tonga eo @ le hoe tsy misy rano ao an-trano fa tsy maintsy matsaka ery ambany andrefana d nihemotra aho e! raha 1 herinandro na 1 volana tsy maninona (vakansy io) fa raha tous les jours tsy ho vitako indray!
17. ari.malala ( 16/07/2004 14:22)
Ka afaka manao vovo anie i pitchou ê! raha malalaka ny tokotany.

@ zao ny lalana efa manomboka amboarina daolo ka, dia efa manomboka misokatra. Fa ilay hoe lamaody angaha ny mipetraka eny ambanivohitra, ka eny no mbola misy tany moramora mba azo vidiana (raha ny fahitako azy) dia ho an'ny manan-katao dia mividy tany sy manangana trano eny mba ialana @ hofan-trano eto Antananarivo.
18. fijo ( 12/08/2004 00:59)
marina daholo izany,ary efa miha lafo izao ny tany eny manodidina an'antanananarivo ka araraoty fa sao tsy ahazo intsony avy eo.
19. pitchou ( 15/08/2004 14:27)
ka ny vovo ange ry ari malala tsy mety raha tsy misy le rano ao ambany ao e! fa ny mahafinaritra eny alou raha hividy tany d mbola mahazo toerana malalaka tsara raha mitovy ihany ny vola hividianana! tsy voatery kou hoe manan-katao fa eto tana zao misy 1million ny m² fa any ambanivohitra mbola misy 2500.
ary marina fa efa mihalafo ny manodidina an'i tana d voatery indray mividy @ manodidina ny manodidina ka!
20. fijo ( 16/08/2004 22:27)
sady ilay ao tana ville aloha tsy tsara e.aleo mivoaka kely,diamilamina tsara ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1329