serasera.org, hay dimy taona @ ity 2004 ity

1. mimich ( 07/07/2004 08:07)
Sendra namaky ny tantaran’ny serasera aho io dia nahatsikaritra fa hay efa 5 taona 2004 ity ny tranokala sa vohikala serasera.org . Dia miarahaba an’i hery sy ny namany tonga @ izao fahadimy taona niorenan’ny serasera izao , ary deraina manokana eto ny fananananareo finiavana na dia teo aza ny fotoan-tsarotra nandalovana, izany tokoa ilay hoe tsy misy mafy tsy laitry ny zoto. misaotra ry zareo a!
Dimy taona aty aoriana ianareo izay efa mijinja ny vokany fa afaka mampifandray sy mampivondrona ny malagasy eran-tany ao anatin'ny firahalahiana tanteraka .
Hamaranako azy dia hoe raha misy hetsika hanamarihana io faha 5 taona io tsy tokony hojerena dien'izao ve? (io aloha mety ny isam-paritra no afaka manao an'io e!)
novalian'i kitjo ny 10/07/2004 17:01
2. dotmg ( 08/07/2004 06:34)
Zay zany
3. hery ( 10/07/2004 06:03)
Misaotra an'i mimich tokoa mampatsiahy ny olona... 5 taona amin'ny volana oktobra izany ny serasera.org asa mety hisy ny hetsika fa ny fanamarihana izany dia ny fametrahana zava-baovao maromaro ary ny fidirana amin'ny sehatra tsaratsara kokoa hatrany.
Sosokevitra no andrasana eee.

Bizz
4. ramoul ( 10/07/2004 13:07)
Dia faly miarahaba ny tompon- andraikitra zany aho amin' izao fahatratrarany ny faha 5 taona ny tranon-kala tsika izao eny fa na dia mbola amin' ny volana oktaobra ary izany andro malaza izany.
Mbola mamerina ny fisaorana hatrany ny mpikarakara ny tenako ary mirary ny faharetanareo hatram' farany.
5. kitjo ( 10/07/2004 17:01)
Mankasitraka ny mpikarakara rht ary inddra tsika namana mpamelona ny takelaka zany eeee

Dia ho lava andro iainana hiarak @ serasera.org aby, .....

Mmmhhh.....inona re no mety atao @ zany e???

Asio fotoana iray ikambanana dia miaramiditra ato aby ny namana rehetra dia asiana hira (hira inona??) mandeha dia samy mihira....ihihihihihihhi
Tsy misy afaka mandefa inspiration ve mamorona hira na tononkalo @io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1757