tia ny kitra malagasy

1. dotmg ( 03/07/2004 13:35)
Iza eto amin' ny namana no tia ny kitra malagasy, ohatra hoe ny championnat de Toamasina, ary maharaka ny valin' ny lalao rehetra miseho momba ny baolina kitra eto madagasikara ary afaka manampy anay mamolavola tobin' ny vokadalaon' ny kitra malagasy?

Ny voka-dalaon' Antananarivo sy ny lalao iraisam-pirenena azonay jerena amin' ny gazety fa ny an' ireo faritany hafa tsy fantatra mihitsy.

Raha te ho namanay ianao dia http://www.rsssf.com/tablesm/madag04.html
novalian'i ronaldo09 ny 13/08/2004 19:36
2. kitjo ( 04/07/2004 08:21)
efa namana aby kosa ny eto fa tsy oe raha te ho zany e....

Zany hono ry namana mba omeo ny vokatra ao an

Ny ahy zao ny fatako d nony niala ry Mamisoa d tsy nanjary tsn ny JIRAMA Antsirabe nefa anisan tena mba ....
Ny Elatry Betafo koa tsy haiko na nisy nikapoka d tapaka fa nanidina ambony be tonga d nilatsaka
DSA toa tsy henoheno tsn
3. paich ( 05/07/2004 09:38)
tena milay be kousa ilay fanomezam-baovao ato an!! misaotra ny dotmg !!!! fa hitako misy evolution be zany ASSM e!! mba azo omena ve ny listra ny mpilalao ao azafady ?
4. fijo ( 05/07/2004 23:35)
ary SOTEMA ve mbola misy e?
5. dotmg ( 08/07/2004 06:27)
Izaho aloha tsy mahalala ny lisitry ny mpilalao e! Izay no angatahako fiaraha-miasa raha misy tena afaka manome vaovao marina.
Raha misy manana fifandraisana amin' ny olona mpikambana ao amin' ny Ligy na ny Federasiona dia ry zareo mihitsy no tokony hatonina, dia azo anokafana sehatra web hafa ho amin' izany, fa ny an' ity rsssf ity mantsy ny voka-dalao no atobiny, ary fondation iraisam-pirenena izy io fa tsy an' ny malagasy irery.

Ny fahavitan' izay dia inoako fa hampandroso ny kitra malagasy satria ny lesoka iray ho antsika eto dia ny olona milaza ho tia baolina nefa raha ampitahaina amin' ny any ampita dia tsy izany velively. Asa mahafeno mpijery firy ny fihaonan' ny USCAF su SOE ohatra raha eo Mahamasina, nefa raha any Angletera no misy fihaonana na divizona faharoa aza feno hipoka foana ny kianja. Ny antony tsy dia mampazoto ny malagasy hijery baolina loatra dia angamba noho izy ity tsy dia misy vaovao fantany firy. Ireo tena "accros" ihany no mahalala ny toeran' ny tarika tsirairay ao amin' ny fiadiana tompondaka fa ny ankamaroan' ny olona tsy mahalala akory hoe ny USCAF indray ange izao no malaza, ...
Dia tsy mahagaga isika raha tsy ampy foana ny ho enti-manana, na ho an' ny tarika izany na ho an' ny Federasiona.
6. ronaldo09 ( 13/08/2004 19:36)
za zao aty tena tsy maharaka firy ny foot gasy intsony ,fa mba soso-kevitro tokony ha\nangana site ny federatiobn mba hahafahanay izay aty ivelan'i M/car manaraka ny tena fivoaran'ny foot gasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8324