Pessimistic ny gasy

1. fatsoraly ( 03/07/2004 07:15)
fa rehefa misy zavatra manahirana azy dia mimenomenona hatrany.

Rehafa misy fivoarana kosa tsy mba mahay mankafý.

Ohatra: ny fisondrotana sy fidinan'ny sandam-bola, ny saran-dalana, ny solika....
novalian'i steph02 ny 14/07/2005 10:04
2. fatsoraly ( 03/07/2004 07:16)
ny optimism anefa ilaina ary tsy misy fahombiazana raha tsy misy risk
3. kally ( 03/07/2004 07:18)
Nefa koa mahari-pery ny gasy.Ny mankafy mankafy fa misy koa ny tsy tia,sa ahoana ozy Fatsouraly?
4. fatsoraly ( 03/07/2004 07:21)
ny mahagaga anie de samy mimenomenona daholo ohatra rehefam miakatra ny solika.

Nefa vao maika mitombo ny amoutaiazy
5. kitjo ( 03/07/2004 07:28)
Ka ny mahavoa ange mimenomenona fts nefa tsy mitonrdra vahaolana e

refa mba misy ndray manao ka mba mitaky ezaka avy aminy mbola mimenomenona koa sady tsy mety hanao

maindry andry "miracle mon ami" ngamba..

Rehefa mba misy koa zavatra tsara d marina io oe tsy mahay mankasitraka io ary odiana tsy hita fa ny ratsy ihany no asehoseho
6. peluche ( 03/07/2004 14:50)
eny e! fa @ saina tsy miangatra:ny ankabeazan'ny gasy mitady izay hinanan'ny vary androany,rehefa Noana ny kibo sarotra ny mieritreritra.fa le "miracle mon ami2 aloha dia marina.
7. fatsoraly ( 03/07/2004 17:51)
Za dia miteny fa ny "ankabeazan'ny Gasy" na manam-bola be toy inona aza dia zara raha misy ny sahy hi-investir fa aleony tehirizina ao ambany ondana sy any an-tsalaka any ihany ny volany noho ny tahotra!

Sô de fantatr'olona hoe manam-bola fa eleo tehirizina fotsiny ny vola!
Sô de manao accident fa aleo tsy mitondra fiara.
Sô de maty an-drano fa aleo ihany tsy mahay milomano (de tsy sahy mianatra akory)
Sô de mianjera ka maratra be raha mitaingina bisikilety (de tsy sahy mianatra koa)
Sô de tsy ho zakako iny sipa iny! (de tsy sahy mikôty fa mampijaly tena fotsiny)

Sô de...sô de....sô de tokony hilevom-belona rehefa tsy misy fanantenana intsony?


8. kitjo ( 04/07/2004 08:25)
IO aloha d marina e, ary mandreraka mihitsy nddray!

fa misy cercle mihodina ko aanfe ao. Misy koa ny sabotage ankolaka nddray manakana ireo malagasy tsy hampiasa vola ao fa aleony aty ivelany na atao ambany ondana.
AMiko aloha d T@fitondrana teo aloha io e. Satria raha misy malagasy tafakatra eo dia afaka ahanramaso azy ireo, inddra koa Lafrantsa.
D aleony tsy asina mitsy ,afaka manarama @zay tiany zareo

Fa tsy azon olona an-tsaina ange fa raha misy ny orinasa gasy matanjaka, sahiko mihitsy ny milaza fa afaka manarama ambony lavitra noho ireo orinasa vazaha ireo. na cadre io na employes tsotra.
Jereo fts ny zone franche e! Mba rariny ve?
9. peluche ( 05/07/2004 12:58)
fatsoraly/ iza no hiinvestir rehefa misy ny corruption?rehefa tsy mazava ny lalana?rehefa natao ny calcul betsaka lavitra ny risque hahavery ny vola,sady marina lazain'i fatsoraly hoe ny gasy tsy nozaharina haka risque @ fiainana fa miandry,mangina,tsy miteny zay tsy mety....
10. kally ( 05/07/2004 15:49)
Ka mbola be dia be koa ny zavatra tsy azo itokisana eto,ka na ny mpampiasa vola aza tsy sahy miditra koa.
11. fatsoraly ( 05/07/2004 17:38)
Peluche> Tany aiza kay no tsy misy corruption? Ary iza no sahy manambara ofisialy fa miady @ corruption?

Iza no nanao an'le calcul hoe ny risk no betsaka? Sô de olona te hanao monopoly fotsiny sahala @ Air France?
12. kitjo ( 06/07/2004 13:16)
K hiandry an'iza eo ary e?
Tsy efa mba mihena kosa ve ny corruption? Na kely aza, sady tsy ho foana io na aiza na aiza fa miseho @ endriny maro fotsiny....

Raha ny investisseurs kosa aloha dia efa miha-maro ary matoa tsy nisy niteny t@ reny "depreciation" be reny dia satria mahalala fa efa misy ny fivoarana ary misy ny tetik' asa efa milamina.

Fa amndeha tsikelikely koa io sady tsy aleo ve miroso na kely aza toy izay hijanona na hihemotra?
13. xxx ( 07/07/2004 09:13)
Tsy nolehibiazina t@ fisainana capitaliste ny gasy,colonie frantsay fa tsy colonie anglisy ka vao maika accentué le toe-tsain'ny gasy tsy miinvestir,ankoatrany institution malgache zay tsy mampahatoky..resaka toe-tsaina io.Fa raha azoko tsara ny hevitra eto dia tsy maintsy hanenjika an'izany fisainana capitaliste zany ny gasy raha te-hivoatra.sa tsy zay??hanao ohatran'ny americanina
14. kitjo ( 21/07/2004 17:21)
resaka politika ekonomika no tena antony e

xxxxxxx> tsy hoe andika be fahatany akory ary tsy hoe hianatra ny amerikana fa izay tsara azo hianarana kanefa mety ao Dago no tokony alaina, tsy ny amerikanina ihany fa na alemana na ny aty Asie na aiza na aiza.

Ny antony dia satria teo aloha ny frantsay no nibaiko sy nitantana ny toekarentsika!
Nisy tombotsoa manokana tao ary fiarahamiasa ambadika t@ mpitondra teo aloha!

Rehefa misy mantsy ny gasy 'vaventy"dia afaka mi-controler ny zava-misy ka matahotra ry zraeo dia nofinganina avokoa.

Investissement a risque no ilaina ao Dago amzao ary ny malagasy no tokony manao azy! "Entrepreneurship" ozizy ry zareo angalisy!

Tsika malagasy no tokony mitantana ny raharaha fa fiaraha-miasa (partenariat, cooperation..) no tokony ilaina vahiny.
Fa raha tsy misy manomboka dia aleo horitin vazah eo aby e!!!!!!
Rehefa lany ngamba vao ho tonga saina.
15. kitjo ( 22/07/2004 11:52)
Enga anie mba tsy i Poly no andrasana fa raMalagasy.
sa za?ihhiiihhi, tsika manko e
16. kitjo ( 23/07/2004 12:23)
fa ngah ravola ho tonga ho azy eo koa raha tsy alaina e?
sa iza no sur fa hahita filoha na PM afaka manatitra sosy isam-baravarana isa- maraina?

zay ange le oe " Madagascar, pays des impossibles" lazaiko ary ambadika ary e.
Zay rht atao d hita foana ho atao hoe tsy mety.
17. kitjo ( 01/08/2004 12:51)
hahhaha
enga anie ka tsy hisy!

Tena oviana ramaso no hitondra fa tsy andriko marina!
Hisy fizaram-bola ihany ao dago le!
18. ravatorano ( 31/08/2004 12:02)
mbo jereo marina hoe firy amintsika malagasy manan vola tokony hapetraka amin ny banky no mihazona izany any antranony any.
Raha vao misy toerana na tanana may dia ho hitanao eo ny nafenina , nisy nitahiry vola zao millions hoe may tao tsisy niangana.
Ka raha aterina any amin ny banky iny sao de tsy averiny eo sady aleoko hitako maso eto ny volako kah.
Ny toetsaiana no tena tsy mampandroso ny toekarena eto madagasikara ary vitsy ny olona manana hevitra mafonja r=sy tsara no mba misy manaraka ndrindra fa ny fitondram panjakana.Asa na nohon ny hamaroan ireo olona mpanao "" sao dé "" no mahatonga izany kouh.
Ny fiakaran ny vidim piainana dia efa mahazatra ny malagasy io.Ny vary izao izay zatra mihinana ireny makalioka ireny efa 4200 fmg ny kilao eto Tanà ary eo amin ny 3175 fmg eo izy any ambatondrazaka.
Ny fiakaran ny vidim bokatra dia lazaina fa mampitombo ny harikaren ny tantsaha manaiky an izany aho fa izao raha miakatra ny lasantsy d niakatra le petrole fandrehitry ey havana tantsaha d ny teo ihany no teo satria tsy izay ihnay no hiakatra fa ny zavatra ilainao andavan ' andro miakatra avokoa.
Iza ary no tena mahazo aina amin ito fiakaran ny vidim piainana eto dago amin izao fotoana izao.Raha lazainareo fa handry an i Paloy na i Pierre ( Ravato v izany ??? hihihi ) tsy izay kosa eh.Ny manome hevitra matetika atao anjorom bala , raha manakiana moa d mpanohitra d eto foana isika fa miandry izay ataon ny mpitondra eo na mandeha io na tsia
19. kitjo ( 31/08/2004 17:54)
Raha ilay fiakaran' ny vidim-bary io raha ny fahenoako azy toa toa ry zraeo tantsaha mihitsy no mampakatra. Marina io voalazan da'toa io anefa hoe noho ilay fiakaran' ny vidin-tsolika sns. Ka na tsy izay koa aza raha miakatra ny vary (foto-tsakafo) dia hiakatra dol ny zvt rht satria samy hampiakatra ny azy ary lasa "cercle vicieux" avy eo.

Mila 'communication" mitsy koa ny vahoaka no vahaolana fa io no tena tsy ampy ao amintsika e! Lasa ilay "resa-be" mifampiampitapita no mitaiza ny sainy kanefa ireny tsy voatery ho marina mazana fa smay milaza izay tiany holazaina.

Fa na izany na tsy izany dia any @ resaka toetsaina mihitsy no tena fototra. ny fanamboarana an' io aloha no zava-dehibe. Any ampianarana, fiangonana, isam-pokontany sns....

Tsy ny olona mahay na ny mpitondra na ny manan-karena ihany manko fa samy manana ny aandraikiny aby ny olona tsirairay fa io mazana no mahadiso antsika fa raha misy tsy mety dia ny fanjakana no enjehina foana. Lasa miandry "miracle" ny Malagasy nddray. Fa zany hoe anjaran' ny fanjakana koa aloha ny mametraka ny toromarika rht sy manao ny fandaminana fa ny fanatanterahina no anjaran' ny olona rht.
20. fatsoraly ( 31/08/2004 23:51)
enga anie ka hampandroso an'i Madagasikara ito tetikasa ito. Raha tsy misy tabataba politika indray sahala @ ireo solombavam-bahoaka nidongy hitsidika (hitsangatsangana) an'i Rio Tinto (Qit Fer) tany Afrika Atsimo sy Canada kanefa anjaran'ny teknisianina izany fa tsy azy! Nony tonga tany Afrika Atsimo avy eo tsy hita akory izay nataony satria resaka "petite mines" atsy Andranondambo sy Ilakaka no takatry ny sainy.

http://www2.ccnmatthews.com/scripts/ccn-release.pl?/current/0817105n.html
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3075