lehilahy sy vehivavy mpinamana

1. bealah ( 02/07/2004 11:03)
Ahoana ny eritreritrareo @ ilay hoe lehilahy sy vehivavy mpinamana be ireny.Mikôty ilay lehilahy avy eo tsy mahazaka dia, lasa mpifahavalo indray izy roa avy eo( izany hoe ilay lehilahy io miavonavona io).
novalian'i booboo ny 14/08/2004 09:59
2. atmos ( 02/07/2004 11:57)
Gravy koa aloha izany e, valable io na hoa an'ny lhl na ho an'i vhv. Mety ily lhl na ilay vhv no miavona avy eo. Efa mpinamana be zao ve de maninona raha miaraka, sady efa mifankahafantatra tsara, tsy ideal ve zany?
3. rfm ( 02/07/2004 12:21)
amiko alou de tsotra 'hany.Mpinamana ilay lehilahy sy vehivavy dia tokony tsy ho ravana mandr'ak'zay le finamana na dia atao hoe tsy afaka miaraka aza ry zareo satria raha izany dia zavatra hafa no nahatonga azy ireo ho mpinamana,mety hoe ny hamboatra an'le viavy no tena tanjon'ilay lahy na mifamadika...
4. dronga ( 02/07/2004 13:21)
zavatra tsotra izany izy roa mihitsy no tsy tena mpinamana tsara raha izany no miseho . satria na inona na inona miseho ny olona tena mpinamana dia miraka foana na misy semban-drahona aza
5. mabloo ( 02/07/2004 14:23)
arakaraka le izy,za efa nahita cas com ca mety ho trahison,hazavaiko manana namana akaiky enao nefa enao efa misy miaraka aminao de le namanao akaiky io ndray mikoty anao ,amiko zany trahison satria tsy manaja ny safidiko izy.de tsy ho namako intsony,marina tokoa io voalaza ery ambony io misy ny ol mody minamana aminao nefa tsy zay mitsy no tanjony ,noho izany fantaro zay ho namana,tsy haiko alo e!maro ny milaza fa namana vitsy no tena izy!!
ty mba misy fanontanina kely,ny lehilahy sy vehivavy mpinamana ve de ho tsy maintsy ho hiaraka daholo na efa nisy resaka fitiavana oh mikoty sns,ka ahatoky ny naman'ny olona miaraka aminao tsony ve ianao?
6. hendry ( 02/07/2004 17:39)
Arakarak´ilay mpinamana io. Raha tena mpinamana mahatsapa ny hasarobidin´ny atao hoe finamanana tsy ho ravarava ho azy zany ilay finamanana na misy inona na misy inona.
7. pitchou ( 02/07/2004 18:18)
izaho aloha dia lehilahyny ankamaroan'ny namako fa vitsy ny vehivavy! dia mpinamana tsotra! nisy iray efa nanambady kelikely vao nahasahy niteny tamiko hoe tia izy nefa otran'ny tsy niraika aho dia tsy sahy niteny! dia nolazaiko tsotra koa hoe raha niteny ianao dia ho nolazaiko hoe hafa ny namako hafa ny olon-tiako!
8. poupounesana ( 04/07/2004 06:27)
zà d voan'io foana!ka ny namako tena akaiky ahy d lahy avokoa (asa ngah nahoana)!mahazo tombony alou @zay eh, omeny sopapa momba ny lhl, ny fiainana en général eh!fa rehefa mandroso ny fotoana toa misy fihetsika hafa2 zany tsapa, tsy sahy miteny mivantana izy fa d tsapanao fotsiny hoe mitady ho hafa2 izy zany!manimba zavatra anefa zany!simba ny complicité!lasa misy censure ny zvt resahina!sady hafa2 b hoe ovaina zvt hafa le efa nisy teo eh!mahalana mitsy vao maheno hoe oll mpinamana b hono lasa niaraka ka tena nety tsara ny fiarahana!zà koa alou tsy mbola nanandrana eh!ny mampalahelo d le lasa mifampiavonavona aveo!c du gachis!fa inn ary ny antony zay hozy nareo eh
9. fijo ( 05/07/2004 22:27)
raha mikoty aloha tsy maninona e.fitiavana io,fa tsy tokony hankahala rehefa tsy mahazo.izay no tsy mety.
10. methode ( 05/07/2004 23:46)
Varotra tsy raikitra hono tsy maharava fihavanana e!! Sao mba izy kosa no anajaranao ka maninona moa! Fa rehefa tsy manaiky ny iray dia mijanona ho mpinamana ihany e!! Ny ahy indray aloha ny vehivavy no nisisika fa izaho mihitsy no tsy te-handrava ny maha-mpinamana dia aleo izay no tanana!!
11. ari.malala ( 06/07/2004 12:32)
misy mahatsara azy ilay mpinamana lasa miaraka ka, efa mifankahalala toetra sy fomba rehetra dia tsy sarotra ny fifampitondrana rehefa hiaraka ary na any an-tokan-trano aza. Fa ny mehetonga ilay hoe tsy mety indray araka ny hevitro dia misy 1 maditra ao, dia matahotra ny vavan'nireo amis en commun d lasa mifampihafahafa nefa zavatra tokony handeha tsara ny fiainana.
12. fijo ( 06/07/2004 21:34)
marina io fa tsara ilay namana lasa sipa.misy aza moa hoe mpianadahy kay nifankatia ihany avy eo ko.tsara aby izany e.
13. yonikafopl ( 07/07/2004 00:14)
asa na tsapanareo fa ny amitie raha vao avadika amour dia mora rava tsy haharitra akory ilay izy.
ny namana anefa mety maharitra mandrakizay io raha tena ao ilay amitie , ny amour mantsy mety ho rava foana io rehefa tonga izay tsy fifampitokisana izay.
14. fijo ( 07/07/2004 23:38)
yonik>tsy voatery kosa e.
15. pitchou ( 09/07/2004 17:56)
ko enao tsinona zany mahafantatra tsara ny fanaon'ilay iray ko! d lasa miahiahy foana enao hoe zao ny fanaony ko marina raha hahatoky? farany enao kirizy d lasa!
16. yonikafopl ( 09/07/2004 23:04)
fijo zavatra hitako io ka, rehefa raikitra le ady vao hoe tahaka izay nijanona ho mpinamana ihany.
17. ikaretsaka ( 10/07/2004 01:18)
tahak'izay aho tahak'izay..
18. pitchou ( 10/07/2004 04:37)
ie! tahak'izay aho t@iny ...
19. atmos ( 14/07/2004 15:19)
fa ny tena matetika aloha de le vhv no tsy mety e, ka manin mou raha miaraka, de ho hita eo ihany ny tohiny.
20. ari.malala ( 15/07/2004 13:34)
Nefa raha izaho manokana dia aleoko namako no lasa olon-tiako satria iny efa fantatro ny toetrany sy ny fomba fanaony dia mora ny mifampiteny sy mifampitaiza @ zay, d mifampatoky tsara koa ê! Fa za tsy d'accord @ le hoe lasa mpifahavalo raha misy 1 tsy manaiky na rehefa misaraka! Ny amitié namatotra tao no tsy mahery tsara raha izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1482