Endriky ny harena

1. andriambelo ( 01/07/2004 14:44)
Lasa ny eritreritro rehefa misaina ny mpanan-karena malagasy. Ny fisehoana no lasa adanjana azy. Ny isan'ny invités sy ny fiara rehefa mariazy, ny isan'ny 4x4 rehefa mandevina ...sns.
Toa "signes extérieurs" aloha vao "richesses"
novalian'i kitjo ny 08/07/2004 12:47
2. kitjo ( 01/07/2004 14:59)
Le tapany reny amiko.....
Raha olona tena manam-bola inddra inddra fidiriam-bola madio tso-piainana be ary tsy dia tia misehoseho lotra...

tsy haiko aloha e!
3. kally ( 01/07/2004 18:02)
Fandevenana aloha karazan'olona be dia be no hita ao!dia omenao tsiny ve ny mpandevina raha samy nitondra 4x4 ohatra?Mety tsy fisehosehoana izany fa fifanandrifian-javatra.Ny isan'ny olona asaina @ mariazy indray,tsy haiko aloha e!miresaha mihitsy aloha amin'ilay olona vao mitsara azy ,ny vola mantsy natao hamalifaliana tena ka raha hanasa olona be dia be moa no mahadiavolana ny sainy tsy tsara ve izany e?tsy ho fantatrao mihitsy izay isan'ny any am-paosiny any ka aza maray an-doha amin'izany.
4. kally ( 01/07/2004 21:50)
Ka aiza ny olan-Dramaso amin'izany e?aza marary an-doha @ fiainan'olona ho'a!Dia maninona anareo izy izao raha miseho manam-bola be nefa pate tsy hainy akory.Tsy hitako loatra ilay tena olana.Volany iny ka izay tiany hanaovana azy re a!
5. joda ( 01/07/2004 22:19)
marina izany
6. fijo ( 01/07/2004 22:30)
raha ny fananana 4x4 aloha tsy hitako izay maharatsy azy.za aza te hanana.ny fisehoana indray tsy haiko iny.fa ny fantatro koa aloha dia tsy ahavidy an'iny raha tsy manana ilay richesy.
io toa ny olona avy aty.aty dia zavatra tsotra aminao no vidianao;fa ny olona any mahita anao dia milaza fa misehoseho hoe avy aty ny tena.
7. kitjo ( 02/07/2004 10:27)
Tsy le oe fananana angamba no tsy mety fa ilay oe fideraderaina. Tsy haiko oe aona manazava azy fa le manindry d lasa endrika ivelany no bdb e....le "fisehosehoana"

Fa tsy oe ze manana 4*4 akory d mideradera. Fa misy ol manana tobil bdb fa tsy mideradera zany,
misy aza manana roplan kely prive... fa tsy oe entina misidina erak ny tanana ho hitan olona


Tsy d misy oe probleme ho an' iza nge le izy fa resaka no resahina satria mb aeritreritra mandalo e,....
ary fiainana iainan'ny olona aby no resahina ato....

8. peluche ( 03/07/2004 14:46)
ramaso/
fa ahona le tena "riche"?
9. fatsoraly ( 03/07/2004 17:39)
"........fa miharia harena ho anareo any an-Danitra izay tsisy kalalao sy aretina manimba, ary tsy tongan'ny mpangalatra manami-trano, dia ho azonareo avokoa izay tadiavinareo,
......... fa izay misy ny harenanareo no itoeran'ny fonareo"

10. kitjo ( 04/07/2004 08:18)
Io oa ny olona tena manana ary tena nihary tsy tia misehoseho zany ao Dago fa hitan olona eny ihany.
11. tenio ( 06/07/2004 07:50)
fatsoraly>amen
12. fijo ( 06/07/2004 22:39)
le manindry koa anie matetika ilay tsy dia manana fa mihindrana no tena manao azy e
13. wawawa ( 06/07/2004 23:24)
Ny olona iray rehefa tena manana tsy tia misehoseho fa ny olona eo @ antonontoniny eo no teny tia misehoseho
14. kally ( 07/07/2004 10:23)
Hono ho'a raha mba 4x4 no tiana,tsy maintsy hivoaka @ iny anie ny tompony sa ho saronany labasy ity izy fa lazaina fa misehoseho?Sarotra be ny hitsarana olona tsy fantatrao akory hoe misehoseho ireny olona ireny na tena manankarena,raha tsy fantatrao ny vola miditra aminy isam-bolana.
15. xxx ( 07/07/2004 22:19)
Marina io kanjo ry andriambelo an
Saingy inona tokoa moa no hanana harena raha toa ka hiafy lava izao eh?
Izay raha ny tena marina no maha samy hafa ny karana raha manam-bola sy ny sinoa raha manankarena. Toa tadidiko eto ilay Ngahy Tashen dadany tsy nifampiditra an-trano tamin'ny zanany lahy satria nividy Toyota GX ilay io. Sinoa mpijirika vanila any Antalaha sy Sambava io.
Ny karana anefa jereo fa tsy mampiafy tena mihintsy rehefa manana.
Nisy rivo-doza tany Mahanoro indray taona 1998, rava tanteraka ny tranon'ity sinoa iray ary dia niparitaka eran'ny tanana ny vola 5000 ariary be dia be. Nefa dia mahavariana fa io sinoa io dia ilay atao hoe mahandro patsa tokana.
Koa dia tadiavinareo ho ohatran'izany daholo ve ny mpanakarena eh ? Asa aloha eh.
Ny mahavariana fotsiny dia na manankarena aza ny gasy dia matity aman-tany toy ny sinoa, hany ka ny manodidina mifoifoy volo lalan-dava
16. kitjo ( 08/07/2004 12:47)
kally> tsy hoe ilay fitondrana 4*4 no atao hoe mideradera ka!

fa ilay misehoseho ary "manindry" no tiana holazaina.
Misy ireo mahavita hoe rehefa manakaiky ny tranony dia alefa mafy be ny K7 @tobil mba ho hitan'ny olona....

ary tsy amin'izany ihany fa misy ireo tena manambany olona mihitsy sy miavonavona.

xxxxx> ny tsy fisehosehoana tsy midika akory hoe miafy,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2125