Mariage de raison

41. rambofrau ( 08/07/2004 15:22)
Fa izay nakamban'Andriamanitra ,aoka tsy ho sarahin'ny olona.Halako ny fisaorambady hoy Jehovah.
Tsy adalana akory le niteny hoe "unis pour le meilleur et pour le pire".
42. pitchou ( 08/07/2004 18:25)
samy manana ny tsy tantiny ny olona tsirairay! fa raha izaho izany hoe vita mariazy izany d mbola niodinatsy asiako négociations izany mihitsy! tsy iadivako akory fa d lasa aho sy ny zanako raha efa misy ankizy! d aleoko lavitra mpiasa karamaina no mitaiza ny zanako toy izay ray tsy marin-toetra!!!! d efa mivonona ny hizaka ny fisarahana aho satria fantatro aho fa hahavelona tsara ny zanako(ny isany moa tsy atao mihoatra noho izay ho zaka koa)!
43. pitchou ( 08/07/2004 18:31)
azoko an-tsaina ny paozin'ilay maman au foyer mamerimberina isan'andro ny intégrale, 4ème dimension, jurassique et crétacé sns f matahotra sao d anontanian'ny ankizy hoe ahoana ity fa enao toa hoe nianatra an'ity t@ 15 taona lasa!!! hihihi! ny fianarana tsy ampiasaina dia very otran'ny rano taosaka @ lamosin-gisa, ary izay kely norantovina fa tsy nampiasaina dia ho very toy ny talenta tsy nampitomboina! fa safidy ny hoe handany andro hianatra zavatra tsy hisy ilana azy satria tsy ho tadidy afaka taona maromaro vitsivitsy!
44. yonikafopl ( 09/07/2004 18:37)
pitchou ka na inona na inona dia ilay ray tsy marin-toetra iny ihany no ho rainy sy antsoiny hoe dada e
aza maika ny hanam-bady hoy ny hiran'i Rossy izay,
rehefa mbola te hiodina, dia aleo aloha mihodinkodina mandra-paha fanina, fa rehefa vonona sy hanaja ilay mariazy vao miditra ao.
45. sariaka91 ( 11/07/2004 19:23)
misy manao complexe de supériorité ato an ! Mafy izany te hatao hoe intellect izany ry reto ! Tohizo fa tsara e... ny tsy feno ihany hono no mikobana, saingy sao dia manao basy n'ariary fito ka tsy ho takatry ny mahantra nefa tsy ilain'ny mpanankarena ... miseho azy ho tena fatratra ! Izany tokoa moa no ilana ny fahaizana, ahafahana minantsanantsana.

Araky ny tenin'i yonika dia tsy very akory ny fahaizana sy ny fianarana natao ary tsy anenenana ny misafidy ny hijanona ao antrano ho an'ny vhv sasany. Inona moa ny olana raha toa misy sy ampy tsara ny fiainana ka tsy mila miasa ny vhv ? Mbola hafa ihany izany zaza taizan'i Neny izany fa tsy kitakitan'ny mpiasa mandritry ny tontolon'ny andro.
46. pitchou ( 13/07/2004 10:28)
eeeeeeeeeeeehhhhhhhh! teo no niala hoa ny havana ka nahatsiaro ny ngidiny e! raha t@zany mantsy aho no niseho nilay sy mafy loha tsy nijanona t@asako d tsy tojo fasahiranana e! saingy ny kely azo efa very dia voatery niverina nianatra e! izay vao afaka nitady asa indray! tena marina hoe tsy nilain'ny mpampiasa zany olona efa t@ 6 taona lasa izany no nahavita ny fianarany sy niasa d izay vao hanomboka hiasa indray e! d nefa tsy nisy nety nanasokajy tany @ tsy mahay ninoninona koa e! nefa efa vonona be hoe na inn asa omeny na mpamafa trano aza d ataoko hamelomako ny ankizy! d tokony ho taiza ary aho hoy i sariaka? efa haiko izao ny lesona d mampita aminareo fotsiny aho sisa!
47. sariaka91 ( 13/07/2004 12:09)
pitchou a! Raha izay fotsiny no atahoranao, 10 taona izay no niasako tsy ankijanona, nahafahako nanangona ampy tsara mihitsy. Izany koa no nahatonga ahy hiandry elabe vao niteraka. Izaho tsy mba toy ny olona sasany manenjika lamaody sy soldes na mandeha fety isan'andro. Setrin'izany kosa anefa, manana tahiry betsaka tsy lany laniana aho ary mitovy ny anjara nentinay mivady ato @ tokatranonay (trano, fanaka, fiara sy ny kojakoja isany), ny asako azoko iverenana afaka 5-6 taona tsy misy olana. Io ilay système aty andafy hoe congé parental. Mandrapaha feno 3 taona ny zanaka farany dia afaka mijanona tsy miasa ny vhv, ary miandry azy ny asany, au même salaire. Misy garantie angé ilay izy e ! Sady misy indemnités kely izay omen'ny fanjakana. Tsy mahasolo ny karama akory satria lafobe ny vidimpiainana, saingy very maina akory ny vhv na tsy miasa aza.

Ary rehefa tonga @ fotoana hianarany ny fonctions intégrales sns ny ankizy, efa lehibe ry zareo @ izay tsy mila ahy intsony, efa retirety angamba aza izaho @ zany. Fa raha mbola niveau collège mbola vitako tsara tsy misy olana.

Izany no tena ankafizako ilay manao maman au foyer. Angamba azonao tsara @ izay ny toerana misy ahy ka tsy imehezanao intsony aho.
Hi hi, tsy matiko lolo ilay rano arotsaka @ lamosingisa. Toy ny teny mahery, tsy azo raofina intsony. Sa tsy izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.244