Mariage de raison

21. vatosoa ( 02/07/2004 14:16)
Amiko indray aloha, rehefa tokony hisaraka dia misaraka e, na dia efa 100 taona nivadiana aza. Rehefa tsy misy masoandro mihiratra intsony ve ny fiaianana ao an-trano fa ady lava sy vono sisa tsy aleo misaraka.
22. mabloo ( 02/07/2004 15:01)
amiko matotra matoa miditra amin'ny fanambadiana e!!tsy hisy ko zany hoe refa afa zao taona de lasa zao sy zao misy banga ao zany!amiko na ny lahy nany vavy izay nisafidy ny ho iray amin'ny fanambadina de tokony hanao ny rehetra mba ho tena fahasambarana ny fiainan-tokantranony,ka ho lamban'akoho no hisarahana!mila koloina io fitiavan'io ,mila mifampitaiza ny mpivady ,ary exclus tanteraka ny adalana madinidinika.
23. pitchou ( 02/07/2004 17:54)
marina izany mabloo! kolokoloina ny fitiavana atao izay hampateza sy thahavao lalandava azy!ka raha tsy nahomby ny ezaka natao dia aleo mandeha!
sariaka> amiko tsy mety izany vehivavy tsy manana anton'asa izany, ary mety fomba iray isehoan'ny maha-olona azy ny fananany asa raikitra! @zay matoa izy manaiky hiaritra trefle dia sitrapony fa tsy noho ny fialn-tsy mahita! misy tato vehivavy mbola mieritreritra fa ny vhv d tokony hijanona ao an-trano fotsiny hikarakara sy hitaiza zaza! enga anie tsy hisy tojo zavatra hafahafa rizareo fa mety tsy ho tantiny! ny lhl nanohana ny tsy tokony hiasan'ny vhv moa dia efa mazava izany ny tetika .... hihihi
24. lema ( 03/07/2004 08:24)
nénao ry pitchou dé tsy afaka ao am-bavanao mitsy lé hoe aleo mandé an!!
25. sariaka91 ( 03/07/2004 12:50)
Nahoana moa no tonga dia tsaraina hoe ny vhv tsy manana antonasa dia tsy manana ny mahaizy azy eo imasombadiny sy ny fiaraha-monina ka natao hiaritra fotsiny ? Amiko dia ny mifanohitra aza no tena izy. Safidy tsy noterena ny hialan’ny vhv sasany @ asany, fa tsy hoe misy tetikan’ny lhl akory eo.

Jerevo ange ohatra Sharon Stone, canon, sexy, séduisante, plein aux as, talentueuse, de nefa nisaraka t@ Phil ihany. Heverinareo mantsy fa rehefa miasa ny vhv dia tsy hiaran’ny fisarahampanambadiana sy ny fijangajangambady ?

Satria ny profil-ko no tena no voateny eto, dia tiako asongadina fa safidinay mivady ny nijanonako tsy iasa na dia tiako aza ilay asako, noho ny fitiavanay ny zanakay ho tsara karakara. Un compte en banque bien garni ne compensera jamais ce qu’on loupe avec nos gosses, si on continue à les mettait en crèche ou chez la nounou.
26. poupounesana ( 04/07/2004 06:19)
aza miady nareo roa sariaka sy pitchou ah!tsy misy diso nareo roa!ny fanambadiana hono fiafiana eh!atao foana zay hikolokoina ny fitiavana tsy ho faty mihitsy tsy maintsy mitady vahaolana foana!fa rehefa tena mihoatra ny tsy rariny kosa alou no hita ao tsy aleo v mandeha eh!raha ny vhv sy ny asa alou d efa hita tary ambadika zany resaka izany!tsara kokoa hoe le vhv mitsy no mitantana ny ao antokatrano saingy ariana aiza fotsiny az ny fianarana vita, ny hany azo atao d karakaraina tsara ny ao antokantrano rehefa avy miasa na alohan'ny handeha hiasa!d aoka ny lhl mba hanampy satria tsy mora zany
27. pitchou ( 05/07/2004 05:49)
sariaka> tsy hoe satria miasa na satria tsy miasa dia ho lavitra na ho akaiky ny fisarahana! io rehefa lany ny fitiavana dia misaraka foana! na 18 aza ny isan'ny ankizy rehefa hisaraka dia misaraka foana! na nanompo tahaka ny inona aza dia rehefa misaraka misaraka foana! saingy hitako tombony raha afaka miatraika ny fiainana samirery ny renim-pianakaviana raha tonga @ zany fa tsy ho voatery hialokaloka etsy sy eroa na ho voatery hiaritra satria ... ho aiza moa! safidy io fa amiko antoka iray hitazonako ny safidiko (satria amiko izay no fototra voalohany) ny fananako asa mitombina tsara! ary hitako koa fa tsy ny fijanonako 24h/24 ao an-trano no mahabe na mahakely ny fitiavana ny zanaka! satria raha izay dia tsy hisy zanaka hifikitra @ dadany mihitsy!
Izany angamba no nahatonga ahy ho tia fianarana ary miezaka ny hampita izany fitiavana fianarana izany indrindra ho an'ny ankizy vavy sy ny tovovavy! mba tsy hisy aminy mihitsy izany hoe "tsy fidiny re fa iza no hamelona!"
safidy io ka izay eran'ny tsirairay!
28. fijo ( 05/07/2004 22:07)
marina fa ilaina ny sipa miasa fa tsy natao hoe izay koa no hanaovana mafy loha satria efa miasa dia tsy mila inona intsony.
lema>ih,ih,h, tena tia mandeha marina i pitchou io an.
29. wawawa ( 05/07/2004 22:18)
Raha tsy mafy loha anie ny sipa dia araraotin'ny bandy e! Nefa raha tsy mafy loha koa dia ataony hoe maivandoha. Tsy hita ihany!
30. fijo ( 05/07/2004 22:18)
ka ianareo anie no manasarojavatra e.
31. atmos ( 06/07/2004 02:11)
Tena marina io teninin'i wawawa io. Tsy hitaben'ihany, marina e. Fa aleo aloha ny lehilahy hijoro @ maha-lehilahy azy ihany e. Tsy mafy loha akory, ary tsy malezolezo kou e.
32. vatosoa ( 06/07/2004 10:11)
Raha ny vadiko aloha no mikasi-tanana ahy na dia indray mandeha monja aza dia veloma hatreo. Entiko ny ankizy dia iny aho ny lasa.
33. ari.malala ( 06/07/2004 11:47)
Ka martyrisés noho ianareo roa ny ankizy raha izany satria ny fiainan\'ny ankizy anie tsy hahita hasambarana raha tsy eo anilan\'ny dada s\'i neny ê! dia ahoana izany? Marina ilay voalaza ary ambonimbony ary hoe tsara kokoa ny fitaizana ny ankizy rehefa ny tena samy ny tena no mitraiza azy, fa raha @ izao fiainana izao aloha raha mbola azo atao ihany dia aleo samy miasa. Ilay hoe rehefa mijangajanga ny 1 d misaraka, aiza ilay hoe mifananara ê! tokony hifananatra fa tsy hanao an\'izany.
34. fijo ( 06/07/2004 21:18)
eny wa,mba homena sansy kely aloha ilay iray o
35. pitchou ( 07/07/2004 11:15)
vatosoa> d ho aiza toi raha tsy manana antom-pivelomana? efa niala tao @ papà sy maman v d handeha hiverina any indray?
fijo> ka tsy tiany aho tsinona ko tsy aleoko mandeha toy izay ho lany andro hifandahatra eo? hihihi! izaho izany no atao hoe "tongo-malady "e! hihihi
Ari malala> io kosa ry ari malala matoa niroso t@ fanambadiana d efa mahafantatra ny geja ao an! raha ny fijangajangana alou d tsy mila fananarana izany amiko fa aleo tonga d misaraka! mahatsiaro tena ho nidiran-doza ary aho nanambady olona nanao an'izany ko! io iray io raha izaho tsy asiako fandeferana! d eo aho ilay miteny indray hoe "ande aho fa mandehana enao any @lay olona hafa tianao noho izaho"!!!
sa tsy izany ry lema?
36. jhouhlambout ( 07/07/2004 15:15)
hm...
37. wawawa ( 07/07/2004 15:53)
Ilaina nefa ny sipa hoe mafy loha satria raha sanatria ka lasa ilay bandy dia mba manana assurance hoe mety hahavelontena fa tsy ho faty hoazy ilay sipa!
38. yonikafopl ( 07/07/2004 17:07)
rehefa mbola ao re olona ilay atao hoe fitiavana dia tanty sy zaka foana izay mitranga ao a! mbola tsy sendra izany tokoa angamba ianareo dia mahay milaza sy miresaka ery kou, sady mbola tsy nahatsiaro ho tena tia tena tia koa angamba.
Ilaina ny mafy loha ???? ilaina mba hanana ny heviny sy hijoro @ maha izy azy angamba no tokony ho izy,
pitchou< eo @ ilay resaka vhv miasa sy tsy miasa, efa nolazaiko tary ambadika angamba fa safidy io fa tsy hifanerena akory, ary ny fahaizana noratovinao hatrizay tsy hoe very na hodiana tsy hita akory raha tsy miasa ianao fa tena ilainao tokoa io @ fitaizanao ny zanakao, hita taratra eo @ fiainan\'ny ankizy fa ny reny nitaiza sy nikolokolo dia olona nahita fianarana.
sariaka91 manohana anjy koa aloha aho e! aza avela ny nounou na ny garderie no hikolokolo ny zaza, hatramin\'ny faha dimy taonany eo ny ankizy dia tena mila ny fitaizan\'ny reny, fa rehefa aorian\'izay ka mandeha mianatra @ izay no mety afaka miasa demi-journee raha toa ka tsy maintsy ilaina ilay miasa alohan\'ny hiverenan\'ny ankizy avy mianatra io.
samy manana ny safidiny hitondrany ny tokatranony ny tsirairay.
Ary maninona moa raha samy tsy misy hahatana ny dina hifanaovana eny ambony alitara raha tsy manao mariage fa union libre e! satria ny zavatra hita raha mbola mpisipa dia milay be foana ilay fiarahana mamy be foana io na dia atao hoe 10 taona aza nisipasipa teny foana fa raha vaop miditra @ resaka mariage dia 3-4 ans dia mihamatsatso raha ela indrindra aza izany.
39. wawawa ( 07/07/2004 18:05)
Amiko ny mariage dia hoe miaraka manatratra tanjona 1 ny mpivady. Tsy @ mariage fotsiny fa @ fiainana en general mht dia tsy voatery hoe zvt tsara foana no mitranga. Tantely amambahona ny fiainanana. Dia inona no ilainao vady raha tsy mba hi-soutenir anao @ malheur koa fa tsy hoe juste @ bonheur?
40. fijo ( 07/07/2004 23:12)
wawawa indray anie ka tena milay e.
fa ny ahy ilaysipa vonona handefitra no tena tiako ka.
pitchou an tsy voatery ho tiany anie ilay tary fa mba sendra tsy haritra e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3185