Ny finonana an'Andriamanitra

1. jhouhlambout ( 29/06/2004 10:04)
Moa ve mba azonao hazavaina ny antony nahatonga anao ho mino na tsy mino an' Andriamanitra?
novalian'i rasta ny 12/08/2004 10:55
2. sarondrahona ( 29/06/2004 11:12)
Amiko, tsy mino ny fisiako aho, raha tsy ekeko aloha ny fisian'Andriamanitra, satria, avy aiza àry aho ary handeha ho aiza? Fanampin'izany dia misy zavatra izay tsy azon'ny fetram -pahaizan'Olombelona hazavaina mihitsy, ka avy aiza ary ireny : ohatra ny masoandro, ny rivotra sns.
Mazava ho azy fa "MINO AN'ANDRIAMANITRA AHO", satria " ny fahasoavan'Andriamanitra no naha toy izao ahy, ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko", " tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho, fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana dia maty foana i Kristy"
3. nykanto ( 29/06/2004 11:21)
Andrimanitra ve ? ... mino ny fisiany aho ... ary miaiky fa tahaka ny mihaona amina olona iray ny fihaonana aminy ... namana azo antonina amin'ny fotoana rehetra.
Ny Kanto.
4. booboo ( 29/06/2004 12:22)
ny nahatonga anà mino an' Andriamanitra dé t@ mbola kely dé nihaino ilay " ndao mba hiaraka aminay, ho aiza eeeeee " iny fôna dé ni-touchée beeeeee anà dôl ny tantara henoko tao. Dé zay !
5. fatou ( 29/06/2004 16:42)
misy filana te hivavaka ato amiko,filana te ho tahiana herylehibe iray mananmpahefana @ zvt rehetra,tsy ato amiko irery no misy an izany fa iné ao anatin nyoul rehetra noho izany misy le Atra satria tadiavina.
6. olly ( 29/06/2004 17:00)
mino aho satria mamaly vavaka Izy ary mino ihany koa ny heriny sy ny fisiany aho .
7. fijo ( 29/06/2004 22:51)
tsy mino aho satria na izy na ireo lazainareo rehetra ireo dia tsy mbola nisy tsapako sy hitako.
8. lema ( 30/06/2004 07:40)
ny finoana dé zavatra tsy iadian-kevitra fa mipetraka @ tsrairay satria ny zavatra inona dia zavatra tsy azo jerena na tsapain-tanana.zay no mahatonga azy hoe finoana.
9. rasta ( 30/06/2004 08:50)
Amin'ny fijo zany dia tongatonga hoa azy ny rivotra sy ny masoandro ô? Sa sady tsy misy rivotra no tsy mahita masoandro ny faritra misy an'igahy fijo.
10. bichette ( 30/06/2004 14:55)
mety ilay fanoharana nataon'i ramaso, na ianao mino na ianao tsy mino fotsiny.
11. fijo ( 30/06/2004 23:02)
io ramaso dia efa voazava n'ny siansy an.lahy satria mitombo ny kromozoma iray noho ilay iray hafa.
rasta>ny natiora dia manana ny heriny ka tsy mila izany antra izany.
12. librepenseur ( 01/07/2004 10:00)
ny an'i ramaso kosa dia tahaka ilay fanontaniana hoe: inona ny ao avaratry ny tendron-tany avaratra (qu'y a t-il au nord du pôle nord)?

kanefa raha ramaso ihany no hanontaniana hoe ary mba avy aiza ilay A/tra dia hoy ramaso hoe: tsy voafetra izany, tsy azo faritana, tsy takatry ny saina satria izay no maha-A/tra azy, izay mifanohitra be amin'ny finoana kristiana miseho mahafantatra ny sitrapon'A/tra ka mahatonga azy hinohino an'izao sy izao
13. fatsoraly ( 01/07/2004 10:43)
Sambatra ireo izay tsy nahita nefa mino

14. fijo ( 01/07/2004 23:03)
ie rehefa lazain'olona fa niaraka tamin'olona tary ny vadinao,na tsy hitanao aza avy dia hinoy fa tsara izany.aza mitady porofo fa avy dia misaraha fa izay no fahendrena.
15. bichette ( 02/07/2004 07:05)
fijo a ! ny resaka spirituel hafa mihitsy. Andriamanitra dia Marina tsy azo kianina ary tsy misy fahadisoana, tsy mi-se tromper mihitsy fa izay isika olombelona hafa ka tsy azo ampitoviana loatra. Izany fijo an !!!!
16. kally ( 02/07/2004 07:25)
Raha samy mandehandeha any anaty ala isika,izaho ohatra efa tafakatra eny an-tampon-kavoana ka mahita fa misy ranomasina ao ambadika,ataon'i Fijo ahoana,izay mbola tavela aty amin'ny ala no hino ahy raha milaza aho hoe misy ranomasina tsara be ao.Na ataonao ahoana koa no hahalala fa mamy masiasiaka ny pecto raha tsy mety mihinana ianao?Io moa ahy ny tombony raha mino aho ary tsy anao ny fatiantoka ka samia manaja ny foto-pinoany.
17. rasta ( 02/07/2004 10:18)
ny an'ny fijo aloha dia hevitra bambaray no hita fa mibahana ao aminy. Tsy olana izany fa tsy voazavan'ny siansa kosa angamba ny nahatonga io afobe hitanao eo amin'ny 12 atoandro io hoe avy aiza no nahatonga azy hanazava ity tany ity.....
18. fijo ( 06/07/2004 23:04)
rasta>diso ise fa efa voazava tokoa izao ny nihavian'ny masoandro ary efa fantatra aza ny zavatra manome azy.manaraha ihany fa tara indraindray an.
bichette>izao anie no tsy azoko e.raha misy olona ohatra mamono olona dia helohana sy tsaraina mafy izy.fa raha antra no maka raindjazkely vao 4 taona dia tsy azo disoana.fa nahoana.mba nitsinjo ilay zaza ve izy sadia mahafaly azy ny mahita ilay zaza hijaly be amin'ny fiainany
19. bichette ( 07/07/2004 07:06)
Fijo a ! ny momban'Atra dia tena tsy azontsika halalinina mihitsy. Ny an'olombelona mety ihany fa ny an'Atra dia tsy azo mihitsy. "car mes pensees ne sont pas vos pensees et vos voies ne sont pas mes voies. Autant les cieux sont eleves au dessus de la terre autant mes voies sont eleves au dessus de vos voies et mes pensees au dessus de vos pensees isaia 55:8-9 (raha tsy diso aho. Midika izany fa tena tsy azontsika takarina mihitsy ny fisainan'Atra.

Io anie ohatran'ny ankizy 5 taona sy olondehibe 25 taona. Misy zavatra na ampianarinao ilay ankizy aza tsy ho fantany mihitsy, raha ampianarinao izy hoe 1-2= -1, tsy ho fantany mihitsy satria na ny manisa aza izy mbola votsavotsa be, raha ampianarinao informatika izy ohatra hoe excel dia tsy ho fantany mihitsy fa ny zavatra tsotsotra ihany.

miverina amin'Atra aho, toy ny hahavon'ny lanitra sy ny tany hoy izy, ilay zaza 5 taona sy ilay olona 25 taona azo refesina, azo metarina ihany fa hoe misy 20 tanona no manelanelana azy ireo ary ny zavatra hain'ilay 20 taona sy ny experience-ny dia tsy ho tratran'ny ilay 5 taona mihitsy. Ny an'Atra ny fiheviny dia ohatran'ny hahavon'ny lanitra amin'ny tany, tena tsy azo refesina sy tena tsy azo metarina mihitsy, ny an'ilay olona roa azo refesina ihany : 20 taona.

Maro tokoa ny zavatra tsy mifanaraka amin'ny saintsika amin'ny logiquentsika dia lasa manontany tena hoe mba misy fo ve Atra ? misy ve Atra? na koa hoe tezitra amin'Atra. Misy antony ny zavatra rehetra.

Manohy kely ilay voalazan'i kally aho hoe andramo, andramo, andramo. Ahoana moa no ahafantaranao fa tsara ilay paiso raha tsy andramanao???, ny bikany ve ? ny lokony ve ? tsia, ianao mihitsy no maka dia misafidy ny hanao ilay paiso ambave, manaikitra, manandrana izay vao fantatrao hoe : mamy na mangidy na marikivy.

Io misy lohahevitra nampidiriko : FANAHY ... finoana, manazava zavatra maromaro

Mahereza daholo e !
20. bichette ( 07/07/2004 07:16)
mety somary hors sujet kely angamba ny zavatra voalazako eo ambony fa hilazako fa misy zavatra tsy ho fantatsika mihitsy. Mety miteny angamba ianareo hoe : maro ny mpisandoka dia ahoana no ahafantarana hoe aiza no tena marina . marina izany, ny atao dia ianao mihitsy no mamaky baiboly dia mangataka ny fanahin'Atra hanoro sy hanokatra ny masom-panahy. C'est la seule solution. Ianao mihitsy.
mahereza daholo isika e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1589