Ny finonana an'Andriamanitra

21. librepenseur ( 07/07/2004 07:47)
bichette, kally>

efa nanandrana nifoka rongony, nangalatra sy namono olona ary nametsifetsy ny hafa izany ianareo ?
22. kally ( 07/07/2004 14:59)
librepenseur>Ny mifoka rongony,mangalatra sy mamono olona dia hetsika ataon'ny vatana noho izany hita mivaingana sy azo tsapain-tanana ny vokany ka tsy ilàna fanandramana akory dia fantatra fa ratsy.Ny finoana kosa dia hetsiky ny fanahy,na sambatra aza aho,ankoatry ny tsikitsikiko aiza no hahafantaranao fa sambatra aho?Toy izany ny finoana.
23. bichette ( 08/07/2004 06:15)
io navalin'i kally io
24. librepenseur ( 08/07/2004 12:18)
kally> noho izany, hetsika ataon\'ny fanahy daholo koa ny ataon\'ireny lazaina fa mpivavaka ireny sy ny nahatonga azy tao ka nahoana no tonga dia lazain\'ny hafa fa tsy mety na sandoka na avy amin\'ny devoly sns ??? izay izany ilay hoe tsy mila fanandramana satria tsy azo tsapain-tanana sy tsy mivaingana ?
Na ianao aza dia mahatsapa fa ny finoan\'ny X dia tsy mety kanefa ianao tsy nanandrana akory !!! dé ahoana ?
25. kally ( 09/07/2004 05:58)
Librepenseur< Izaho aloha mbola tsy nitsara hoe mety ny finoan'i X na tsy mety ary tsy mpitsara finoana mihitsy aho.Aiza moa no ahafantarako hoe mino ny olona iray raha tsy izy no milaza amiko?Ary iza moa no mahalala raha marina izany na tsia?Ka izay no tsy hitsarako.Ny finoana dia anao sy Andriamanitra irery,tsy ijerenao an'iza n'iza.
26. kitjo ( 09/07/2004 06:46)
Miankina @ tsiray2 ny finoana fa mifanaja fts ary aoka ho "fifampizarana" ngamba ny eto fa tsy tena hoe adihevitra fa raha io manko no hohalalinina teo dia tsy hisy farany.........

27. librepenseur ( 09/07/2004 07:00)
fehiny, na ara-panahy (spirituel), na ara-batana (matériel) dia azo heverina dieny mialoha daholo ny hatsarany sy ny haratsiany fa tsy voatery handramana akory...satria izay ilay fananana saina afaka mandinika, mamakafaka ary mandalina.
28. kitjo ( 09/07/2004 07:04)
Fa tsy tokony hifampitsara anefa hoe ny an' anona no marina na ny an'i anona!
Fa samy manao izay tsara araky ny finoany.....
Na izany na tsy izany henoina ihany koa ny hafa raha mahasoa fa ts voatery ekena!
29. rasta ( 12/08/2004 10:53)
fijo> dia mihevitra zany ianao fa izay lazain'ny fahitana avy amin'ny natiora dia mariana avokoa?? Oh ilay nolazainao ny nahatonga ny masoandro??
30. rasta ( 12/08/2004 10:55)
fijo> dia lazao koa ary fa voaporofon'ny siansa ny fisin'ny saina sy eritreritra ny fanahy? Ary tsy haiko na hita-maso ireo na tsy hita??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4054