FAMADIHANA

1. librepenseur ( 22/06/2004 12:11)
Fomba Malagasy, inona avy no tena antony nahatonga ny famadihana ? mbola tokony hitohy ve sa tsia ?

Misokatra ny adi-hevitra na ho anao tena kristiana na ho anao tsy mpino, na ho an\'ny antokom-pinoana hafa...
2. kitjo ( 22/06/2004 14:55)
Mba mahagaga koa ty fitovian-kevitra ty
ampiditra io lohahevitra io fts mitsy no nidirako ato zao,hahahhahahha
gaga b aho oe io le izy sady vao izao fts

Tsy hanome hevitra aho fa vao reko vao teo mihitsy fa hay tsy fomba malagasy ( oe antsika manokana) izy io, fa ry zareo ao Java sy Bugis ( Malaisie ary Indonesie) no efa nanao an'io.

Ary @ kolotsaina tohizako
3. ramoul ( 22/06/2004 20:47)
zah koa ary mba manontany tena hoe avy aiza no nipoiran' io fomba ray io?
4. fijo ( 22/06/2004 23:44)
ka araka ny tantara dia olona avy any malaizia isika ka dia fomba avy any izy io no nentina dia lasa hoe fomba gasy.ny nampitatra azy eran'ny mada indray dia toa tamin'ny fitondrana merina izay nihelipatrana tao mada.
amiko dia fomba mbola tsara tohizana io tsy ahavery azy.(raha toa ka mbola hafaka ny hanatanteraka izany isika )
5. dom ( 23/06/2004 05:39)
tsisy maharatsy ny famadihana raha entina @ le fihavanana sy fahavoriam-pianakaviana ny fotopisainana hitondrana azy. Fombantika ambaniandro io fa ny any @ sisiny koa dia manana ny azy ary tsy mametraka fanontaniana hoe tokony hotohizana ve sa tsia. Fantaro fa tsy isan-taona akory ny famadihana faisaky ny 9 na 11 na 13 taona. Raha izany vao hisy fifankahitana sy fifankahafantaran'ny mpianakavy dia maninona moa? Miova ho fisehosehoana sy fampideram-pananana mantsy ny fanaovana famadihana dia izay fianakaviana mba tafita dia manindry ireo tsy manana. Dia be koa ny entin-ny antokom-pinoana sasany ka tsy mieritrerita le fahendrena gasy tao @ famadihana fa hoe ilay dépenses sy ny fikitihana ny faty no entiny miala pà. De aleo izy ho any. Tadidio fa mitady hahazo vahana indray izao ny cousin sy cousine mifanambady noho ny tsy fampahatantaran'ny ray amandreny. De hivadika biby ny tantara a efa misy ny perversion (homosexuel, inceste etc.) dia tsy tokony ho mailo ve isika sa very tanteraka ny fahendren-dRamalagasy? valio aho
6. fijo ( 23/06/2004 22:31)
dom,marina mihintsy ireo voalazanao ireo ary amiko dia zavatra tokony hotanana io fomba io fa tsy hariana izany.
7. ikaretsaka ( 24/06/2004 06:27)
izay mihitsy
8. librepenseur ( 24/06/2004 07:41)
Ny tena kristiana anefa toa tsy mankasitraka ny famadihana...
9. hendry ( 24/06/2004 08:41)
Iza io tena kristianina lazainao io ry librepenseur? toa betsaka ihany manko ny ohatran´ny tena kristianina fantatro nefa mamadika.
10. hendry ( 24/06/2004 08:44)
Iza io tena kristianina lazainao io ry librepenseur? toa betsaka ihany manko ny ohatran´ny tena kristianina fantatro nefa mamadika.
11. hendry ( 24/06/2004 08:44)
Iza io tena kristianina lazainao io ry librepenseur? toa betsaka ihany manko ny ohatran´ny tena kristianina fantatro nefa mamadika.
12. librepenseur ( 24/06/2004 10:43)
ny marimarina kokoa dia mifanipaka amin'ny voalaza ao amin'ny baiboly ny famadihana, satria hono tsy tokony hokitihina sy tompoina intsony ny maty kanefa toa tsy izay angamba ny tena hevitry ny famadihana..
13. fijo ( 25/06/2004 00:03)
i jesosy toaviny aza lazainy fa nitsangana tamin'ny maty ,ko ny famadihana no rarany?
14. kitjo ( 27/06/2004 06:07)

ny dikan' ilay famadihana amiko tsy afaka tonga dia raisina hoe satria kristianina dia tsy hamadika...

Araka ireo voalazanareo ireo ambony ireo dia resaka fihavanana amiko no ilaina ilay famadihana fa tsy ilay filalaovana ilay faty
Amiko aloha tsy mitahy zany tsn ny razana!
Kanefa rehefa misy manokatra fasana mamadika dia manararaotra manafy lamba mba oh hoe fahatsiarovana sy fankasitrahana ilay olona nandritra ny fotoana nahavelomany,

Dia mba mihaona eo fts ny mpianakavy, ilay "pratique" izany no tiako holazaina hoe fomban-drazana natao hitazonana sy hanamafisana fihavanana io, ka tokony horaisina @zay lafiny izay.

Zay ny ahy no andraisako azy satria zay tsy mamadika ilay oe manokana fotoana be sy mandany vola be ary manao fombafomba bdb sy milanjalanja faty reny fa rehefa misokatra fts ilay fasana dia manararaotra manafy lamba.

Samy manana ny fisainanay io e!

15. sarondrahona ( 29/06/2004 11:27)
Amiko, ny FAHAMADIHANA, dia FINOANA, teo amin'ny Ntaolo Malagasy. Toy ny finoana fa "mitahy ny razana, toy ny finoana fa famaliam -babena ny nodimandry ny famadihana na famonosan -damba azy sy izay karazam -pinoana mifamatotra amin'izany. Saingy fony ny razantsika mbola tao anatin' ny fahamaizinana no nandalàny izany, fa amin'izao fotoana izay efa lazaina hoe "MAZAVA" izao, dia tokony hitodika any amin'ny fomba fijery KRISTIANA amin'izay ny maso rehetra. Misokatra foana ho'aho ny ady hevitra ny amin'ity finoana Malagasy sy ny finoana Kristiana ity, indrindra fa ireo finoana mifamatotra amin'ny fomba nentim -paharazana, nefa te -hiteny amin'ny olon -drehetra aho hoe: "efa atosaka eto amin'ny tanintsika ny "TENA FAHAMARINANA" dia i "JEHOVAH ANDRIAMANITRA", ny lalan -tokana hahazoana famonjena, dia ny finoana an'i "JESOA KRISTY", ary ny "FANAHY MASINA MPITARI-DALANA". Somary manano-sarotra ihany ny filazàna izany , na dia eto amintsika aza, kanefa faranako ny teniko hoe : "sady tsy manana adidy amin'ny faty lena ny KRISTIANA, no tsy manao fanompoam-pivavahana ho fialan -tsasatry ny fanahin'ny maty?"
Fehiny : Tsy tokony hataon'ny olona mitonona ho resy lahatry ny FILAZANTSARA intsony ny FAHADIHANA", ary izany no entina mba handresen -dahatra ny olona rehetra mandra -pahatongan'ny farany.

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
29 Jona 2004- DO.COM. CYBER Ankadifotsy
16. fijo ( 29/06/2004 23:10)
sarondrahona.rariny raha mora tamin'ny vahiny ny niditra sy najanaka antsika raha toa anao aby ny gasy.vao nampidirana fomba hafa dia lasa nanary izay efa han'ny tena.mampalahelo raha toa izany no mba fiarovana ny an'ny tena.iza no milaza aminao fa ny finoan'izy ireo no lalana ahitana ny lanitra sy ny fiainana?
raha marina izany maninona aty aminy aty no tsy be mpanaraka ny finoany.mba mandehana any ampiangonana aty fa ireny efa hofaty rahampitso ireny sisa mba hita any.
izany hoe izy tompony efa mandao ilay finoana nampidiriny tany,fa ianao notolorana indray no manaja sy mankatoa noho ny tompony.
tsy mahagaga raha mbola fieny any ny hoe" vita gasy" ary mampalahelo fa ny gasy ihany no manaratsy azy.
17. rasta ( 30/06/2004 09:00)
ho an'ny sarondrahona: Marina io voalazan'ny fijo io.
Ny faritra rehetra matoa nomen'Andriamanitra ny fomba fiteniny dia tahaka izay koa ny fomba ao aminy fa tsy voatery ny an'ny hafa no mety sy tsara.
Tsara ny famadiana.
18. bichette ( 30/06/2004 14:58)
Ny famadihana mampalatsa-dranomaso fotsiny ihany koa, ny olona efa maty dia avoaka indray itomaniana..... ny lafiny tsara angà dia mifanena ny mpianakavy rehetra.
19. fijo ( 30/06/2004 23:04)
ka efa misy mahatsara azy anie izany e.sady tsy fanadinoana ilay efa lasa koa.
20. ikaretsaka ( 01/07/2004 04:05)
Tadidio fa ny malagasy mijery andro rehefa hanambady nefa manamasina izany any ampiangonana
ary tsy mandevina talata na tena mpivavaka be aza ry sarondrahona an
IO ilay hoe Za kristianina fa Tazomiko koa ny Maha gasy ahI jesosy koa ange Jiosy dia nisy naha jiosy azy notazoniny sady nanorina ny kristianisme izy e..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0938