FAMADIHANA

21. gandy ( 01/07/2004 19:50)
FIJOa! ny tompo tsy mba masina @ taniny ka na ho aiza ialahy na ho aiza dia tsy manka-fy ny vita eo an-toerana ny olona fa matimatin'ny importation an!. ka izany angamba no m.. milaza izany
22. fijo ( 01/07/2004 22:57)
izany hoe i saddam izao hotsaraina ao aminy fa mety ho lasa mesia aiza indray.dia hanaraka azy koa ve ianao?
23. ludo ( 05/08/2004 19:27)
Amiko aloha tsy we mitsivalana zay lazainareo
rhtr aho fa ny famadihana amiko d ohatry ny fisehosehona fa raha vitan'ilay manankatao moa lay izy tsy maninona fa ny mampalahelo
dia ampandraisina anjara daholo ny rehetra
na d hita aza tsy mitovy ny fidiram-bola satria
misy @izy reo ny hoanina anio no tadiavina
anio , d reo manankatao ndray manao fara-teny avy eo we ra tsy andoha ianao d tsy milevina ao zany ianao sy ny taranakao,de ra tokony ho izy d tsy tokony atao antery ny fandraisan'anjara!!!
24. yonikafopl ( 06/08/2004 19:40)
Tena zavatra fahita tokoa ireo voalazan'i ludo ireo.
Raha izao manokana indray dia tsy dia mankasitraka loatra ny famadihana, tsy dia hoe ny maha kristiana loatra fa eo @ lafiny fiainana mihintsy.
Ny maty tsy mahatsiaro mafana na mangatsiaka intsony, tsy misy aina mahalala noana sy mijaly. Noho izany raha misy ny vola holaniako hividianana lamba mena hamonosana azy ireo aleoko omena ireo fianankaviana izay sahirana sy mijaly noho ny hasarotry ny fiainana.Misy milaza fa hoe fanajana ireo maty ny fanaovana izany.Fony fahavelony tsy nohajaina sy nozimbazimbaina izy ireo ka nony maty tsy maheno sy tsy mahita izany intsony vao hajaina ve??? Raha tena te hanaja azy ianao dia ireo dimby sy farany no hasoavy sy hajao dia ho faly ny fanahiny , fa tsy iny vovo-tany tsy mahatsiaro n'inon'inona intsony iny no lanjaina sy ampandihizina.Isika velona no tokony hifanasoa sy hifanampy.Aleo ny velona mahatsiaro mangatsiaka no tafian-damba.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0626