FJKM IVELAN'MADAGASIKARA

1. aly ( 21/06/2004 17:55)
Inona no antony hanokafana FJKM aty andafy kanefa efa misy FPMA?
Vola mila miditra any Dago sa fitazaina aram-panahy atao amin'ny teny gasy?
novalian'i ramaso ny 29/07/2004 15:06
2. unik ( 21/06/2004 21:19)
dé asa tokoa re ko!!!
3. ikaretsaka ( 22/06/2004 03:35)
hampivavaka ny pokona za o..sitrany ahay ahay ahay ... hozizy ra samoela izay!
4. bichette ( 22/06/2004 06:25)
za tsy mahafantatra ny antony koa ! hihihi!!!
5. ftma ( 22/06/2004 06:58)
za koa tsy mahalala ny antony hanokafana FJKM aty andafy, izay mahalala ny antony hoe mba teneno fa ny FPMA araka ny hevitro manambara ny firaisan'ny malagasy ara-pinoana, hita ao na FJKM, na Loteriana, na Fifoazana, sns...
6. samoina ( 22/06/2004 07:05)
Fifaninanana tsy manaiky gisitra io raha ny hevitro e ! Mahita ny FLM miha mahazo vahana de mihetsika mafy koa . FPMA izany anarany sisa, mampalahelo !! Avy eo nefa samy mihambo mitandro ny firaisam-pinoana avokoa ! Indrisy !!!!!
7. bema ( 22/06/2004 10:15)
Mba hampiorenana ny tena fototra finoana FJKM, izay manana ny fampianarany manokana ihany koa.
Satria ny FPMA dia tsy fiangonana velively fa karazana fikambanana fotsiny toy ny FFPM ka tsy misy fampianarana fototra fa fitaizana fotsiny.
Koa noho izany dia ilaina tokoa ny hijoroan'ny FJKM toy ny fijoroan'ny FLM izay efa miparitaka eran'ny Frantsa, mba samy hampianatra ny olona ny tena rafitrin'ny finoana izay ijoroany.
Koa amin'izay fotoana iza dia tsy foana tsy akory ny FPMA fa mijanona ho fiombonana tsy voatery hisy fotoapivavahana isan'alahady fa misy kosa ny fotoana ifanarahan'ny roa tonta (FLM-FJKM) hatao ho firaisam-pinoana.
Tsy sanatria araka ny filazan'ny sasany hoe fifaninana fa kosa ho fanamafisana orina ny tena finoana.
Koa ny soso-kevitra avy aty amiko dia mba aoka re mba ho sarahana niavaka tsara ny FPMA sy ny FJKM fa tsy misy mialokaloka toy ny zava-misy ankehitriny ary aoka samy hanaiky ny fisian'ny fiangonana roa tonta ny rehetra, ary koa hanaiky fa iray ihany izy ireo na dia maro aza.
Misaotra indrindra.
8. booboo ( 22/06/2004 14:35)
tsy azoko fa maninona no tsy fiangonana ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty An-dafy.
9. isolofo ( 22/06/2004 20:22)
ho an'i bema : Asa raha eto no hanaovana ny resaka momba ny FPMA sy ny famaritana azy hoe fiangonana na tsia. Ny fanontaniana voalohany dia hoe inona no antony hisian'ny FJKM aty ivelan'i M/kara ? Hampianatra ny foto-pinoana kristiana ? Tsara zany tanjona izany, ka nahoana nandritry ny 50 taona lasa izay no tsy nihevitra an'izany fampianarana izany izy fiangoanana FJKM ? Ary nandritry ny 50 taona izay, iza no nitaiza ny vahoaka protestanta malagasy taty an-dafy ? ny FJKM ve ? Tsia tompoko ! Fa iza ary ê ? Mba lazao ahy hoe zay valiny ?
Misaotra an'i Bema hanome ny valiny !!!!!!!!
Mandra-panoratra indray ...
10. fijo ( 22/06/2004 23:47)
ka maninona anefa raha mijoro izy io e.manimba zavatra ve.asa fa resak'areo io.
11. ftma ( 23/06/2004 11:24)
bema: fa inona no antony tsy maha-fiangonana ny FPMA? dia miandry ny valin'ireo fanontanian'i isolofo ireo koa aho.
12. fatsoraly ( 23/06/2004 11:42)
FJKM = Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara.

Sao dia tokony atao hoe FJKIM ny any aminareo any an-dafy?
13. tapotsy ( 23/06/2004 16:15)
mahagaga ahy mihintsy isika ka, marina moa e. Aiza ka fony niorina ny Flm tsy dia nisy resaka firy loatra. Izao mijoro ny Fjkm ka lazaina hoe zao e zao e. Fa inona aloha no tena tsy dia azoazonareo amin'izany eh ? Ny Tompo ary nampianatra fa manerana ny tany no hitoriana ny filazantsara, dia raha tonga aty ampita ve ny Fjkm manohy izany asa efa nataony sy mbola hataony ao Dago izany dia melohinareo, mba eritrereto ihany hoa e
14. fijo ( 23/06/2004 22:32)
marina io voalaza io.fa mifandamina ao aloha e.
15. ikaretsaka ( 24/06/2004 06:26)
ao aloha mifandamina aho daholo e..
16. fijo ( 25/06/2004 00:05)
toa korontana foana no hita amin'ity resaka fiangonana ity e?fa maninona?
aty marseille izao ilay rapasy taloha dia tsy hita popoka intsony.lasa aiza?
17. andriambelo ( 28/06/2004 15:28)
Mahagaga tokoa fa entim-po daholo isika raha vao resaka fiangonana.
Fa ny ahy tsotra ry Bema an : FPMA aho aty Frantsa, 20 taona sahady izao no nanompoako tao, tsy mahavery ny maha FJKM na ny maha-FLM ahy anefa izany rehefa rahatrizay mody any Dago aho.
Mandehana any amin'izay maharavo ny saina sy mahasoa ny fanahy (ny ahy manokana dia tsy vokin'ny lohakisoa ny fanahiko.)
18. fijo ( 28/06/2004 23:51)
raha resaka fiangonana no hampiady ny malagasy dia hatsaharo ka avereno ny finoandrzana e.
19. bichette ( 29/06/2004 06:00)
inn ilay hoe finoandrazana aloha ry fijo a !
20. booboo ( 29/06/2004 07:51)
mahamenatra ilay mifanenjika ry zareo a !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1