FJKM IVELAN'MADAGASIKARA
21. andriambelo
(
29/06/2004 10:12)
Tsy mifanenjika isika eto Booboo fa mifanazava an. Tsy tantiko fotsiny ilay filazana hoe :"Satria ny FPMA dia tsy fiangonana velively fa karazana fikambanana fotsiny toy ny FFPM ka tsy misy fampianarana fototra fa fitaizana fotsiny... "
Aleo angaha atao hoe diso tsy satry - fa tsy minia mamafy lainga -ry Bema sy ny namany raha miteny izany. Tsy manana fahefana hiteny izany na izy na Razafimahefa
Tsarovy fa
1- Tsy olona adala na ny ARF (Alliance Reformée Mondiale), na ny FLM (Fédération Luthérienne Mondiale) na ny FPF (Fédération Protestante de France) mandray ny FPMA ho Fiangonana mpikambana feno ho eo anivon'ireo.
2- ny FPMA ange nisy talohan'ny FJKM (izay niorina t@ 1968).
3- Ny FJKM no manifika ny zanany minono, nefa herimpo very maina izany, satria tsy mahafaty ny maha FJKM, na ny maha FLM ahy ny fandehanako any amin'ny FPMA.

22. fijo
(
29/06/2004 23:13)
ra ha io no atao hoe fifanazavana dia ahoana no atao hoe mifanenjika?
ny finoan'ny razana dia zanahary sy ny razana.io zanahary io tsy voatery ho ilay antra nampidirin'ny vahiny.

23. atmos
(
02/07/2004 11:15)
Ô ry zareo a, inona ary no ifamalianareo @ izany. Samy manana ny azy e, ary samy manana ny fomba andraisany azy. Raha vao resaka finoana no resahina dia tena mampiady tokoa, ny ahy aloha tsy mampaninona ahy fa andehanako daholo na FPMA na FJKM na FLM na Katolika afa-tsy ny Silamo ihany no tsy andehanako e, ny ivavavahana iray ihany, tsy ny maha-FJKM na maha-FLM na ny maha-in anao akory no hamonjena anao fa ny finoanao sy ny asa ataonao ihany, sa?
24. aly
(
07/07/2004 19:58)
Henoko daholo ny hevitrareo fa izao no tena izy : Mila vola ny FJKM any Dago ka mila antsika aty andafy mandefa ny rakitra any. Tenin'ny filoha lefitry ny FJKM io fa tsy mamaorina aho, tao anatin'ny toriteney nataony. Koa aza gaga ianareo raha tafiditra lalina ity resa-bola ity fa tsy mitombina ireo fanazavana ataon'i Bema ireo. Fitaovana re ianareo e ! Tsarovy fa ny FPMA dia nitaiza aram-panahy tokoa ary fiangonana io membre ny FPF. Ny DEFAP koa dia miara-miasa @ FPMA saingy ny FJKM aty andafy te-hiara hiasa nefa tsy manaiky ny fifanarahana. Izany fjkm izany anie ka any Dago fa tsy aty ivelany e. Saingy indrisy fa Ravola no mibaiko fa tsy ny fivavahana. Afaka manome porofo maro aho raha ilaina.
25. livakely
(
15/07/2004 09:00)
Io ry zalahy tsotra a !.Tsy misy anaram-piangonana mahavonjy izany eto an-tany, na FJKM , na FPMA NA inona na inona .
Fanampiana toy ny inona moa no vitan'ny FPMA ho an'ny FJKM ary koa tadidio fa foto-pinoana tsy mitovy no nanorenana ny FJKM aty an-dafy fa tsy haitraitra na mila vola izany.Na teti-bolan'ny FJKM sy ny FPMA isan-taona aza tsy hitovy na ny rafitra mifehy sns

26. andriambelo
(
19/07/2004 08:41)
O ry Livakely an,
Foto-pinoana tsy mitovy hoe ?
Dia inona fotsiny izany no nataon'ireo ray amandreny tao amin'ny FPMA lasa niasa tao amin'ny FJKM, (miala tsiny fa hanonona anarana : ry Ralibera Daniel teny am-piandohana, hatramin'ny ankehitriny ry Solofo Ramaholimihaso lasa ao Isotry Fitiavana ...sns) na ireo FJKM tonga miasa ao amin'ny FPMA (ny Filohan'ny FPMA ankehitriny, Ravalitera mpampianatra ny mpianatra mpitandrina FJKM tao Ambatonakanga).
Mba antony hafa aroso fa tsy izao resaka tsy mari-pototra rehetra izao !

27. livakely
(
21/07/2004 06:24)
Foto_pinoana satria tsy mitovy ny hoe FJKM sy ny hoe FPMA na dia samy protestanta aza.
Ny foto-dalana sy ny fitsipiky ny FJKM tsy hitovy velively@ FPMA.Ny foto-pinoan'ny FJKM dia ny nitsanganan'i Jesoa Kristy tamin'ny maty sy ny fanekem-pinoana ananany manokana.Koa raha ireo no iraisana dia azo lazaina ihany ny fitovian'ny fomba fivavahana nefa na izany aza ny rafitra ihanikoa samihafa

28. booboo
(
29/07/2004 11:03)
oh ! ny foto-dalàna angamba no mety tsy hitovy fa ny foto-pinoana dé mitovy !