NY FREZY

1. bichette ( 16/06/2004 06:06)
NY FREZY :

- ny frezy dia voankazo mena, mazàna mampahatsiaro antsika ny FO.

- Tsara ho an’ny vehivavy mitondra vohoka.

- Raha hividy frezy ianao dia ny maso sy ny orona no ampiasao : tokony ho manitra tsara ary « ferme » sy « mamiratra » izay marika fafenohana vitamines, indrindra fa ny vitamine C toy ny voasary sns (agrumes). Ao anatin’ny 50grama tsy misy fangarony dia ahitana 35Kcal. Ao anatin’ny 125grama dia mahafeno ny vitamine ilaintsika anatin’ny iray andro. Ahitana koa ny « acide folique »na ny vitamine B9 izay mahàlana ao anaty voankazo nefa tsara ho an’ny « systeme nerveux » sy ny « fœtus ». Manankarena FER, magnesium ary potassium ihany koa ity voankazo mena ity.

- Tandremo anefa fa mety mi-provoquer « reactions allergiques » ihany koa indrindra « crises d’urticaires » ho an’ny olona sasantsasany

- Tsy tsara tehirizina maharitra, sasana amin’ny rano ary fadio ny manala ilay ravina maintso mba tsy hitroka rano be loatra.

- Fitahirizana ny frezy : tsy mihoatra ny 3 na 4 andro ao anaty frigo. Esory avy hatrany izay simba na efa malazo tsy hanimba ny sasany. Raha azo atao dia halaviro ny sakafo be fofona satria sakafo mitroka fofona tokoa ny frezy. Azo atao tsara ny mi-surgeler azy, atao anaty sac natokana ho amin’izany (sac de congelation).

- Raha sendra ka matsatso dia asiko ranom-boasarimakirana, ranomboasary sy menthe rehefa mihinana azy.

Mazotoa homana e !

novalian'i bichette ny 22/07/2004 09:03
2. hendry ( 16/06/2004 10:52)
Misaotra anao.
3. jhouhlambout ( 16/06/2004 11:23)
4. tenio ( 16/06/2004 11:27)
Merci e!
5. ari.malala ( 16/06/2004 12:53)
Fa aôna ny momba ny cysticercose? toa malaza ho mpisy cysti izy ireny?
6. bichette ( 16/06/2004 13:09)
ka sasana tsara ka ! sasana tsara ny frezy.
7. ikaretsaka ( 17/06/2004 03:59)
sasana tsara @ sur'eau
8. chipie1 ( 17/06/2004 07:53)
zay klou de mankafy anio frezy io e!
na matsatso aza laniko fôna...
9. bichette ( 17/06/2004 15:45)
Inty misy fomba fihinanana frezy izay tena ankafiziko.

sasàna tsara dia esorina ilay tangony maitso dia asiana siramamy kely (arakaraka ny tsirairay io) dia raràhana creme fraiche ; na hohanina amin'izao na mixer-na ilay izy miaraka fa tena bonne be sady mora vita no milay rehefa misy vahiny.

Raha tsy misy creme fraiche na manao regime dia yaourt no atao. Mixer-na ilay izy tsara be koa ; tonga dia lasa milk shake hi hi hi !!!!!

Somary atao anaty frigo alohan'ny hihinanana azy tena manja be.

Mazotoa homana hatrany e !
10. nikopol ( 24/06/2004 14:34)
Bichette > fantatrao ve ilay hiran'i Mahaleo hoe " Tiako hafindra aminao ny fitiavako FREZY"?
11. methode ( 15/07/2004 09:15)
Ny ahy rehefa frezy dia tiako daholo na atao ahoana na atao ahoana!! Yaourt aux fraise aloha no tena tiako e!! Kay hatraty le resaka frezy!! Tena Frezy io an???
12. bichette ( 16/07/2004 08:27)
methode > ilay frezy dia tsy hay intsony marina no tena handraisan'olona ilay izy .....
13. methode ( 16/07/2004 23:20)
Matsiro anie izany frezy izany e!!
14. pitchou ( 17/07/2004 15:41)
ho an'izay tia sorbet, ny frezy dia anisan'ny voankazo tena tsara atao sorbet satria voatazony daholo na ny fofony na ny tsirony! azo tsy asiana crème mihitsy fa tonga d mixer na
15. methode ( 17/07/2004 16:03)
Pitchou> Ahoana aloha le sorbet fa zaho tena tsy mahay afa-tsy ny mihinana? Hihihihi
16. methode ( 18/07/2004 23:53)
(l) (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l) Ireo koa ve frezy!! Tonga de maka fotsiny eto dia mihinana! Tsy mila manasa izany ramaso a!!
17. bichette ( 21/07/2004 06:25)
azo angalàna izany ny frezin'i Methode ??? lol
18. methode ( 21/07/2004 22:18)
bichette> Somlbitsombiny ihany no azo alaina amin'io fa mbola tsy matoy tsara mantsy!! Hihihihi!!
19. bichette ( 22/07/2004 09:03)

ho an'izay te hioty frezy ao an'ala, aza adino ny mankany amin'ny renirano dia sasana tsara mihitsy sao marary kibo. tena frezy io resahiko io an !
Ilay milk shake a la rezy hono ho an'ireo izay te hatavy tsara atao dessert : asiana creme fraiche dia mixer-na sy asiana siramamy kely. Sady tsara tsiro no mampatavy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0968