Mahavariana

1. tsilan ( 11/06/2004 17:06)
SAlama daholo
Sady sorena aho no tezitra mijery ny gazety satria nahoana hoy ianao.
Ny fijaliana'ny vahoaka ilana ny Filoham-pirenena mba hiteny sy hankahery toa tsy hita, fa any amin'ny resaka biby sy alan'ny WWF no anaovany fanambarana sy anomezany toky fa tsy maintsy hiakatra in-telo avo heny ny haben'ny ala arovana na mahantra aza ny olona
Mba ahoana moa izany? Fa angaha ireo ONG ireo no mifidy anao fa tsy izahay? Sa ireo no nividy anao? Miala tsiny amin'ny mpamaky rehetra fa tena sosotra aho androany eh.
novalian'i fijo ny 21/10/2004 20:13
2. fatsoraly ( 11/06/2004 17:08)
fa angaha moa i tsilan nifidy azy fa tsy.....indray?
manan-tsofina ange ny rindrina e!

Hahah :)
3. sipagasy ( 11/06/2004 17:27)
Tsy miomehy anao aho ra tsilan fa mila arovana koa anie ny alantsika é! jereo fotsiny ireo tsivalahary saika nanondrana bois de rose & ébène tany singapour fa tra-tehaka tao Mahajanga, tena mila fiarovana ireo kann,
4. fatsoraly ( 11/06/2004 17:44)
Mila arovana TENA arovana fa tsyanaovana sarimihetsika fotsiny! Ny fiarovana ny ala eto amintsika mantsy dia sarimihetsika. Mirehareha hoe manana ala toy izao sy izao kanefa efa may kilan'ny afo avokoa.

Fa angaha ny ragidro sy ny tahon'akondro manan-danja kokoa noho ny olona? Tsy afaka hiaro ny tontolo iainany ny olona raha mbola tsizarizary ny fiainany. Tsimaintsy hitady ny vahaolana rehetra izy hitsinjovany ny ainy aloha. Ohatra ny fomba ahitany sakafo hanina, kitay andrahoana azy, sns sns rehefa tsy mamono olona....
5. fatsoraly ( 11/06/2004 17:59)
http://earthobservatory.nasa.gov/Newsroom/NewImages/Images/modis_madagascar_north.jpg ange ny laingan'ny tompon'andraikitra misahana ny ALA e! Dia tsy mbola mahalala menatra ihany @ io?

Manadasikara taningazanay ...hoy ilay hira!
6. fatsoraly ( 11/06/2004 18:01)
http://visibleearth.nasa.gov/data/ev103/ev10380_image10142001md.jpg sary lehibebe kokoa
7. tsilan ( 11/06/2004 19:19)
Tena marina io ry Fatsoraly an
tamin'ny taona 1989 no efa nilaza ny fikambanana Soisa fa tsy misy afa tsy 5,9 tapitrisa ha sisa ny ala eto Madagasikara, nefa mody amboamboarina eo daholo ity SIG sy ny sisa ity ary nasaina nilaza ny Minisitra Rija nony avy eo fa 11 tapitrisa ha ny ala eto Madagasikara, tamin'ny taona 2000 izany.
Dia izao indray asaina manambara ny fampitomboana ny ala arovana ny filoha. Nefa ny olona eto efa mihinana ny angoatany mihintsy. My lalana tsy misy. Saika novakiana ny lalana Ambalavao-Ikongo-Manakara tamin'ny taona 2000-2001 fa tsy navelan'ny WWF-CI- PACT Miray fa manjary simba hono ny ala eo anelanelan'Andringitra sy Ranomafana. Ny olona any Ikongo nefa sahiran-dava amin'ny lalana.
Tsy azo avoaka ny gidro sy ny hazo raha Malagasy ianao. Fa ry zareo vao avy nanondrana gidro sy biby tany US sy tany Suisse.
Isika Malagasy marina angaha tsy mitondra vola ho an'io fitondrana io ka tsy maninona na mila hivaha aza. Fa ny vahiny manana Euro sy $ ka dia ivavahana na tsy mety aza ny ataony. Aiza no tsy ho doran'ny olona ny tany Ankarafantsika. Tsy hita intsony mantsy izay mba hitarainana eh. Mila ho hitapy aho marina an
8. fatsoraly ( 13/06/2004 19:34)
tsilan> aza mitapy izany fa rehefa tsy misy fika dia mba atao izay ahatafidirana ao @ ilay réseau e!

Rehefa tafiditra ao enao mantsy manana safidy na hiara-misôsy (sosialisita) na hiara-mikapa (kapitalista) na koa tena afaka mitondra fanarenana.
9. tsilan ( 14/06/2004 01:44)
Za ra-Fatsoraly tao no niala an.
Tena tsy zakan'ny heritreritro ny mahita ny tantsaha gadraina lava, sy ampitahorin-dava amin'ny zandary sy ny lalana. Nefa ny toerana iasako aza mba manao ny ataony amin'ny fanondinam-baolina.
Ny vola tsy mangidy rahoviana hoy ilay bebeko izay, fa izay mahasoa ka mahafinaritra izay no tsara indrindra.
itondranao miaramila ny manodidina ny ala fa tsy azo itrandrahana vatosoa, nefa ny talebenao vazaha mody tonga isam-bolana milanja safira ho entina any an-dafy isaky ny roa volana raha kely indrindra.
Tena aleo tsy manana toy izay manan-dratsy eh. Tsy hoe efa voky, fa tena mba tonga saina dia aleo miahana
10. kitjo ( 14/06/2004 05:38)
Io aloha ny any @ mpitondra ambony any mihitsy amiko no mila jerena.

sipagasy> possible mitsy fa betsaka ny manondrana biby aty satria znay "red frog", sahobakaka mena avy any Moramanga izay toa 300$ ny handraisan zareo azy tonga eto.
Oh zany koa ny katsatsaka, tanalahy.....

Za lou tsy mahalala fa nisy olona fts nanatona anah vao oe avy any Dago d sahobakaka no nanontaniny,ihihhihihi
11. fatsoraly ( 14/06/2004 06:11)
Tsilan> ka ny @ iny indray de efa tsy hita e! Ny fiarovana ny ala mantsy eto amintsika dia nanaovana ny fitrandrahana vatosoa ho "chasse gardée" fa tsy hiarovana ny biby sy zava-maniry akory. Tena marina mihitsy io indrindra ireo WWF ireo no mpandevi-T... an-tsalaka!

Fa any @ faritra andrefana efa tsy misy ala araka ilay sary hita etsy ambony dia mody "prospection" solitany no dradradradraina kanefa zavatra hafa no angalarina!!! Taitaibombina koa ra-Malagasy dia manantena bemolanga nefa ny vatosoanao sy ny fossile lasan-dry tsy manjary aby!

Mivavaha ho azy e :)
12. tsilan ( 14/06/2004 12:20)
Fa io sary nomen'i Fatsoraly io misy diso ny fandikany azy.
Mety tamin'ny fotoana maina mantsy no nakana azy ka tsy tonga teny amin'ny zanabolana ny taratra omen'ireo ala maina amin'ny faritra andrefana sy atsimo. Fa tena mbola misy ala iny faritra iny ka.
Ny zanabolana mantsy mandray ny tara-mena ataratry ny ravinkazo fotsiny ary mandika izany toy io alefan'i Fatso io.
Fanamarihana fotsiny iny, saingy na izany na tsy izany dia mitombina mihintsy ny filazanareo.
Io voalazan'i Kitjo io no tena zava-misy, ry zareo manondrana ny bibintsika tsy manahy fa mandeha ho azy fa ny tantsaha raha maka atao sakafo, gadra no valin'izay.
Ilay raharaha sokatra tamin'ny taona 2000 sy 2001 dia fantatra fa tao ambadika hatrany ny WWF nefa mody tsy noresahina ny amin'io. Fa izao ny WWF misambotra izay manana sokatra isaky ny faritra atsimo. Nahoana no tsy samborina koa ny FMG ao Toamasina satria tsy manara-drariny ny fiompiany sokatra ao satria sokatra telonjato amin'ny faritra 10*10 m2 sa moa vazaha namana ireny eh
Samia velon'aina leiretsy dia mba hitondra indray kelikely ary dia hita eo ny atao an
13. fatsoraly ( 14/06/2004 15:31)
fa tsy hitanareo angaha ny "carrière" an'ny WWF ao ampovoan'ny alan' a...? Sa nareo variana mijery baolina?
14. fijo ( 14/06/2004 23:29)
dia lazao aby moa ry zalahy izay hitanareo sy hainareo fa izahay aty ve moa inona no harakay fa dia mihaino aloha n atao e.
mahereza aby e
15. kitjo ( 15/06/2004 16:58)
tsilan> aleo fa ho entitsika ary refa kelikely e,
16. tsilan ( 15/06/2004 18:47)
ka miandry anao ny firenena Ra-fijo an
17. jhouhlambout ( 15/06/2004 21:53)
:-)
18. fijo ( 15/06/2004 23:22)
za moa hafaka haninona fa izay mahay eco no tokony handrasana.
19. ikaretsaka ( 16/06/2004 05:40)
tokony mailo ihany ireo fa misy teny izya heo raha mivangongo eo ange ny adalana sy ny mistakes isakarazany.. tena "hipooaka eo indray ny sarombilany" tsy te hahita aho
20. fijo ( 18/06/2004 04:35)
toa efa lasa resaka mahazatra ilay izy any ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2465