mpaminany Isaia hono i Alberto polisy

1. kitjo ( 04/06/2004 07:18)
Nisehoan A/tra koa hono lery nitondra hafatra. Tsy nitondra haaftra fts fa sady mpaminany hono izy.

novalian'i Sabatra ny 30/12/2010 01:39
2. kitjo ( 04/06/2004 07:19)
http://www.midi-madagasikara.mg/
3. lanto ( 04/06/2004 08:32)
fa inona no nambaran'i Mailhol sy le Landivola ?
4. xxx ( 04/06/2004 08:55)
raha tena mamaky ny baiboly isiska rehetra de ahita fa @ farany de hisandoka ho mpaminany daolo ny olona ary tena hiraogatra izany ,ao ny fitadiavana vola sns,ary tokony ho mailo isika satria Jesosy irery ihany no tena izy ary tsy hisy mpaminany zany intsony , ary de miandry ny fiverena'i Jesosy isika rehetra fa tsy izy izay rehetra hilaza hoe izaho no izy ,na nisehon'izao sy izao aho.....
5. xxx ( 04/06/2004 08:57)
zah manokana aloha de tsy hozozongozona @finoako @ izay resabe mpaminany isankarazany zany e!? ny tena fahamarinana ry reto dia ao @ Baiboly irery ihany ary Jesosy no Tompo a, fa sandoka izay milaza fa mpaminany @ zao a, mitandrema ianareo @ zany resabe zany e!??mila miambina isika e!
6. samoina ( 04/06/2004 09:06)
Tsy vôtelin'i Alberto pôlisy ve hono ny sifflet-ny t@ izy nisehona izany !!
7. chipie1 ( 04/06/2004 09:13)
: )
8. ravatorano ( 04/06/2004 09:59)
lanto>i maiholo sy lamdivola dia izao no azo hamehezana ny votoanto teniny : mila mpitondra vaovao i Madagasikara fa tsy mahavita azy Ingahy Ra8.Mba azonao antsaina v fa misy fiarahana anie i Landivola sy Ingahy Zaranaina ary mety ho tafiditra ao anatin izany koa v ireo izay nanohana an Ingahy Pasy momba ilay resaka satanika nanaovana valandredsaka tao Ambohitately iny.
I Alberto polisy indray dia iny izy nilaza koa fa nisehoan andrianmanitra iny.Hande hivavaka izy ry samoina no nahazo angovo be zany ,ka inn no sifflet hateliony eo.Zà aloha mety ho torana raha misy feo tsy fantatro zany miresaka amiko e.
Dini d plansse less . zvtr tsy niainana hatraminizay sady zà tsy hisehoan izany mihitsy ka na hisy aza iuzany tsy ho lazaiko ny rhtr afatsy ny eto amin ny forum ihany.
''Nisehoan Andriamanitra i Ravatorano"en grand titre !
lasa vedety ravato kle aza
9. ari.malala ( 04/06/2004 11:08)
samoina, aza mampime hoa! tany am-piangonana hono izy no nisehoan'Andriamanitra ary gaga daholo izay nahita an'izany, fa nilatsaka teo an-dohany hono ny satro-boninahitra... mahavariana!
10. jhouhlambout ( 04/06/2004 11:13)
... indray andro hono ..... dirlintintin....dirlintintin......!!
11. samoina ( 04/06/2004 13:08)
ari.malala/normal raha isehon'Atra any am-piangonana fa hiresaka Aminy daholo anie ny anton-dian'ny ankamaroan'ny mpiangona e ! De ôtran'ny ahoana hono ny endrik'izany satroka hitan'izay nahita an'izany nilatsaka teo an-dohan'i Alberto ?
12. xxx ( 04/06/2004 16:02)
voalohany aloha dé mahagaga ahy ty resaka mamoba ty zavatra ty tato ho ato, asa izany ve no ahona fa efa voalahatra daholo zany, amin'ny adnro farany hoy izy dé ho maro ny mpaminany sandoka sy hilaza fa aty i kristy, nefa hoy izy tamin'izay hoe ny fihaviny dé tsy aminn'y toerana ray fa miseho eny mainn'y rahon'ny lanitra ka mazava daholo na ny any antsinanana na ny any andrefana! eo aloha zany ilay resaka mpaminany dé tsy mety loatra, fa i kristy ihnay no mpaminany farany izay efa nahavita ny famonjena ho antsika!!
ary raha miresaka mpaminany zany isika , raha ny tantara nolazaina dé hita fa ry zareo ireny dé olona NOFIDINA manokana hitondra sy hanambara ny tenin'Andriamanitra, ary kanefany dé voalaza tsara fa taminn'y tsindrimandrin'Andriamanitra no nahazony izany fa tsy nisy Andriamanitra niseho tamin'ireo mpaminany taloha akory!! kanefa taty aorina dia nalefan'Andriamanitra ny zanany lahitokana hitondra ny filazantsara, Izy no mpaminany farany, efo tonga eto amintsika ny filazantsara, efa tanteraka amintsika zany ankehitriny ko amin'izay dé anjaran'ny tsirairy ny mandray izany!!!
amiko zany raha ny momba ilay resaka alberto sy ny karazany dé tsy haka za hoe homba an'iza na homba an'iza , nefa kosa za handiso azy noho izy mitonontena ho mpaminany!
izany akory tsy misakana fa tsy azony tokoa ilay fanambarana an! olona toy ny olona rehetra izy, iza no mahalala, arymety tena marina, olona mba voafidin'Andriamanitra izy, ko raha manao zany fanambarana zany ve dé izany no handraisana azy!!! teo amin'ny tantaran'ny fiangonana raha jerentsika dé nisy ihnay zany nenilava zany, ahona mo ny fihenon'ny olona azy iny taminn'y voalohany raha nilaza fa tao amin'ny sy niseho taminy Andriamanitra, ny fantatra fotsiny taty aorina dé nahazo olona maro izy ary nampitombo ny finonan'ny vahoaka malagasy maro aza, ny asa navelany ary mo hatramin'izao mbola mitohy ihany raha tsy hilaza ny fivavahana fanao isantaona any ankaramalaza ny tenako. oty izany koa irao olona maro lohan'ny toby any ampirihimena sy manoritrony ireny!!!
amiko anefa ity resaka ty dé tsy mandeha araka izay lalana zay fa kosa mikendry indrindra ny resaka fitondrana, ny fanohanana ny mpitondra mba ho fanatsarana ny asa zay ataony! na ko ny fanakihanana azy noho ny asa zay ataony!
anjaran'ny tsirairay zay ny maninika an'iny fa ny ahy no mba teny farany dé manam-panahy ny malagasy, tsy hovoarebireby amin'y resaka toy zany, atsipy ihany ny teny ho an'ny manampanahy manko, ary indraindray ko ry zareo dé tsra raha ihnay raha tanterahina ilay tenindrazana hoe: "avadibadio impito aloha ny lela vao iteny an!" zany hoe saino tsra ny zavatra zay lazainao sao hanafintohina ny hafa izany!

13. kitjo ( 04/06/2004 16:15)
ny ahy aloha dia oe aleo mi "juger par le fait",
efa nandalo ilay daty voatondro fa asa Andriamanitra ve znay no lazaina fa nandainga sa nisangisangy?
tsy mampandainga an''Andriamanitra ve?

Neveriny fa any no mety handresen-dahatra ny malagasy angamba handrebirebena azy. Satria oe olon'ny finoana ny gasy. Nefa raha nino izy nefa tsy nahita aleo iany le oe tsy mino raha tsy mahita k!
Za ko mba afaka milaza oh an-dravatorano,hiihihhihi

Fa Andriamanitra koa ve nefa tsy efa present eo akaikintsika foana na aiza na aiza ary na oviana na oviana e?
Sa ol hafa namorona an 'i Dago d zay izy vao ande ho any?
Toa mangalabaraka tena ange le olona ra zao ny fandehany e, le mpamporisika manao xxxxx ambadik zareo angamba no tokony avoaka gazety.
14. ikaretsaka ( 04/06/2004 22:19)
ary ny mahagaga izao dia ireo manao hoe mpaminanin'andriamanitra tsy inoanareo fa lazainareo mpaminany sandoka..
sa mila misy misy mijoro hoe nitondar hafatra avy any @ devoly ve dia hino ianareo izany?
15. dona ( 05/06/2004 08:00)
Oh hamaly kely an i Ikaretsaka a alo momba io mpaminany io. Za alo tsy mino ireo mpaminany ireo e. efa tsy fotoanan ny fampiesonana intsony izao. Tsy aleo ve mivavaka fotsiny de tsy minomino foana e! Fa asa alo Ikaretsaka ra handray an i ngahy polisy ho mpaminanin Atra amin zao vanin andro zao e. Ny devoly koa anie mahay fahagagana lavitra e...OK
16. six ( 07/06/2004 14:43)
jhouhlambout > hihihih
17. fijo ( 08/06/2004 04:59)
ka i polisy ve sao nanao tsolotra no tratra dia sazy no lazainy fa satroboninahitra.
ela rasamoina aza mampitelina agira anay eto fa tsss
18. ari.malala ( 08/06/2004 09:36)
in ty agira r'i fijo?

asa alo na ohatran'iza ity lazainy fa satro boninahitra nilatsaka treo ambony lohany fa na za koa aza mba gaga namaky ilay tao @ gazety ê!
19. chipie1 ( 08/06/2004 11:54)
zany kosa de resak esona be zay tsy aôtsiaôna klé...
20. fijo ( 09/06/2004 02:43)
mbola tsy naheno ngaha i malala hoe mandrora agira?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5563