Miala amin'ny sigara.

1. nikopol ( 02/06/2004 11:03)
Afak'omaly ny andro iraisampirenena miady amin'ny fifohana, aminareo zay efa tafala tamin'ny sigara, inona no nataonareo?

2. ikaretsaka ( 02/06/2004 13:58)
mifoka rivotra madio...
ahena tsikelikeli ohatran'ny nidirana ny nialana ko
3. voninkazokely ( 02/06/2004 20:23)
mifoka ravin-tsôsety à la place ! hi hi hi
4. mr ( 03/06/2004 01:24)
Mihinana zavatra hafa toy ny "Bonbon" na "Voanjo" isaky ny te hifoka sigara dia afaka ho azy e!
5. ikaretsaka ( 03/06/2004 03:31)
miainga @ saina aloha io ka hoe hijanona izay vao mandeha ... ohatran'ny matavy ihany
6. paollah ( 03/06/2004 05:07)
Sarotra be io ra tena efa mpifoka, mila finiavana sy fandavan-tena mihitsy, izany saina vonona ny hiala, dia miala tsikelikely alo fa sarotra be ny tonga dia miala avy hatrany. Toe-tsaina mahery hanohitra ny tanana tsy handoro azy izany. Courage
7. samoina ( 03/06/2004 08:58)
Resaka finiavana ara-tsaina araky ny voalazanareo io. Matoa manohy mifoka de satria mbola ao ilay fitiavana manao izany. Ny fanafodiny dia miezaka mitady zavatra hafa tiana kokoa azo hasolo azy ( vatomamy, spaoro tiana, activité sociale bénévole, ... ).Ezahana omen-danja mihoatra noho ny sigara tsikelikely ireo dia mandresy ny farany. Ny fanampiny enti-miady dia ny fiboboana rano ( tsy misy alikôla a !!!! ) isaky ny tonga ilay filàna te hifoka.
Ny ahy ranikopol ny kanetibe no nahasitrana a ! Efa ho 4 taona izao. Ny an-dranikopol raha te hiala de io fahaizana miresaka io no hamafiso fa tafita ra-nikopol raha mpifoka ....sy tena te hiala !
8. nikopol ( 03/06/2004 09:23)
Misaotra betsaka e!
Misaotra Samoina : ho anareo mpamboly ireny ny zezika naturaly no tsara. Ilay kanety no mety handramako fa ilay habeny no manalasala ahy. Toa tsy lasa indray kle.
9. samoina ( 03/06/2004 09:31)
Fa ahoana ? tsy omby tanana angà ny kanetin-dra-niko ! Somary kikiso @ lames fa inona no de hisalasalana kle !
10. mumu ( 03/06/2004 18:37)
nikopol ny sainao iany no mitondra anio e!!
11. chipie1 ( 04/06/2004 08:29)
asivo bonbon sucette ao ambava , na mitsako siligôma kou refa te ifoka, betsaka ny oul fantatro nanao anio fa mila finiavana klou mazava ho azy...
12. nikopol ( 05/06/2004 16:46)
Misotra mumu sy chipie!
Chipie : za tsy tia bonbon ( fa lay namako ray izay no tia bobon anglais) sy siligôma.
Misy milaza fa ilay methode acupuncture hono mety?
Tsy mbola nisy nanandrana ve?
Efa niena aloha izy zao hatramin'ny niakaran'ny vidi-tsigara!
13. chipie1 ( 08/06/2004 07:25)
tsy misy fisaorana e!
14. samoina ( 08/06/2004 08:00)
Namanay iray mekanisien mpifoka gauloises tsy maty afo na mitsingolika ( tsy mumu an ! hihi ) ambany fiara aza ! Dokotera gasy spécialiste acuponcture no natoniny ary tsy nifoka intsony depuis 8 taona izy na mbola manohy migoka aza ! Gaga sy talanjona avokoa izahay nahita ilay miracle ( saingy tsy sahy namoaka an-gazetim-pinoana.hihi) !
Nisy namana hafa nanandrana fa tsy nahomby.
Conclusion: ilay finiavana no tsy maintsy mafy tsara de mahomby daholo izay méthode ampesaina e !
15. angie ( 08/06/2004 08:10)
marina io conclusion-nao io samoina a
16. jhouhlambout ( 10/06/2004 11:42)
Misy fika hafa koa anie, ary tena mahoby mihintsy. Rehefa te hifoka be iny dia mitady toerana tsy misy olona dia mifoka. Amin'izay tsy misy mahita mihintsy dia hevirin'ny olona fa hoe tena afaka tokoa!!
17. mumu ( 10/06/2004 18:54)
samoina anjay!!! fa nga refa misy resaka tsingoloka de aty amiko ny eritreritrao? hihihi
18. samoina ( 11/06/2004 07:52)
mumu / teo am-panoratana aho de mba sendra tsaroako fotsiny enao mahay mitsabo daba tatsy @ takelaka ambadimbadika tatsy e ! hihihi
Ao fa ovaiko ny resaka ahatsiarovako anao e ! Inona re e ??!!! hihi
19. unik ( 11/06/2004 09:12)
raha te hiala amin io ??? midira am zavatra hafa njay maherihery kokoa!!!
20. voninkazokely ( 20/06/2004 11:01)
Tsy mifoka intsony de aaaafakaaaa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1305