horoscopes

1. xxx ( 29/05/2004 17:10)
horoscopes,caractériologie mifandraika amin'ny anarana,numérologie, etc ,
mino ireny ve ianareo? ary moa ve mitombona ireny aminareo fa raha izaho manokana dia ny resaka toetoetran'ilay olona (caractères)mifandraika amin'ny signe-ny no oh hitako hoe milaza ahy indrindra matetika,fa tsy dia ilay resaka "prévisions" firy.
novalian'i bichette ny 02/06/2004 06:09
2. hery ( 30/05/2004 08:15)
Raha resaka logique fotsiny dia sarotra inoana ihany. 12 no isan'ny signes. 6 milliards ny olona eto antany. Ireo olona 6 milliard ireo zaraina 12 dia ahitana hoe olona 500.000.000 izany dia tokony mitovy toetra sy fitiavana sy fahasalamana satria teraka tao anatin'ny volana iray. Dia zay fotsiny dia efa tsy mety...
3. kinaoly ( 31/05/2004 00:42)
ilay milaza ny ho avy aloha sarotra inoana. ny momba ny toetra indray dia mety ho izao : misy olona influencer-ny zavatra hitany any anaty horscope de njary mahita hoe mitovitovy aminy ilay voalaza ao. mety ohatran'ny varotra ihany koa io : lazaina aminao izay tinao ho heno* mba hanintona sy hampino anao
*on te dit c k tu as envi d'entendre
fona be amle teny ngozo lol
4. xxx ( 31/05/2004 06:26)
hery< ka ilay hoe toetra kosa ange ,manaova ianao fampitaha oh amin'ny olona mitovy signe aminao (izany hoe niara-teraka tamin'ny volana iray nolazainao), diniho fa misy ifandraisany foana ny fihetsika (comportements ), fomba fiaina,fisaina na fi-réagisser vany e!na dia hoe tsy ho lasitra toetra iray daholo aza ;fa ilay hoe 500.000.000 indray mitobaka kosa angamba be loatra e!
kinaoly< ny fahazoako ny tianao hambara amin'ilay hoe "influencer", resaka prévisions izany eto,fa tsy toetra akory no tianao lazaina eto raha ny marina, fa ny ahy tsy dia mino ireny aho na dia mi-plaîre ahy aza ny vakiako ao kah!fa raha resaka toetra indray wa asa aloha fa raha ny fahitako ny ahy,rehefa mamadika ilay page-na hscope ireny ( signe chinois , toetoetra sy ascendant),boky na gazety na site samihafa no jerena , fa tsy dia hitako hoe inona no fantany hoe tiako ho heno momba ahy , fa kosa raha mamaky ny voalazany aho dia resy lahatra fa izaho mihitsy ny certains traits décriver-n'ilay izy!!
5. hery ( 31/05/2004 10:45)
xxx> na dia ny olona tsy mitovy signe amiko aza dia ahitako (rehefa terena) toetra (na comportements) mitovy na misy ifandraisany amiko. Ka raha tsy tafiditra ao anatin'ilay 500.000.000 ary zany ilay olona dia aiza ny signe zodiaque-ny? Sa misy signe zodiaque hafa tsy ao anatin'ireo 12 ireo? Donc efa tsy mitombona sahady indray ilay signe zodiaque satria mbola misy tsy voasoratra ao.

Ok be dia be ny zavatra mivoaka amin'ny horoscope. Misy karazany maro (anisan'izany ny an'ny sinoa). Ireo anefa tsy voatery miteny zavatra mitovy foana (indraindray aza mifanohitra) mikasika ny olona teraka tamin'ny fotoana iray. Dia iza no hinoana? Amin'ny anakiray ianao mahita hoe "Fonce, aujourd'hui c'est ton jour de grand amour" dia amin'ilay anakiray amin'ny boky hafa sy service hafa hoe "Si elle hésite, attends ton jour"... kanefa volana iray. Dia handroso sa hihemotra? :)

Cas possible daholo ny mitranga amin'ny horoscope. Dia betsaka ny faly rehefa mba mifandraindray amin'ny toetrany ilay mitranga ao. Ary rehefa tsy mifandray mihitsy dia mbola mankahery tena ihany hoe mba diso indray ity androany :)

Mahereza.
6. kinaoly ( 31/05/2004 11:07)
hery> izay le nolazaiko hoe '*"influencer" sôtsa be fa hainao ny nanazava azy :)
7. fijo ( 31/05/2004 21:44)
izao fotsiny e,raha hilaza zavatra eto aho izao,dia misy hifanandrify amin'izay ary misy tsy ao.dia hino izany ilay mifanandrify hoe tena mahay i fijo??loza raha toa izany fa mora hadalaina be an.
8. bichette ( 01/06/2004 08:59)
Mahaliana tokoa izy ity, ny amiko manokana dia izao : nisy fotoana aho tena liana dia liana tokoa momban’ny astrologie, cartomancie horoscope sns ireny ary dia tena nianatra izany mihitsy aza (tsy nanao dadarabe na sikidy akory fa tamin’ny boky an !) , nisy namako izay raha nanao cartomancie izahay (lalao nanaraka boky) dia voalaza fa hoe « futur proche : succes, profit », afaka kelikely raha nanala bacc izy io dia tsy afaka premiere session ary tsy afaka nanao deuxieme session akory satria latsaky ny 5 ny moyenne-ny tamin’ny fanadinana bacc.
Ny momba ny fahasalamana dia izao, resaka toetr’andro sy vanim-potoana nanamboarana ilay zaza. Raha raisiko ohatra ny ao Frantsa, ireo olona misafidy ny hananjanaka amin’ny volana desambra dia ao anatin’ny ririnina tanteraka izany ilay mpivady no mametraka zaza, mamely ny sery amin’io fotoana io ary koa ny gastro ao amin’ny rivotra hiainana ary ny aretina maro samihafa, mety voan’ny gripa na avy voa ireo mpivady sns. Ireo olona mikasa ny hananjanaka amin’io fotoana io dia ao anatin’ny vanim-potoana hanjakan’ny gripa sy ny gastro, rehefa teraka ireo zaza afaka 9 na 8 volana dia mety hitovitovy ny fahasalamana ireo zaza ireo, satria vanim-potoana mitovy no nanamboarana azy ireo. Dia torak’izany koa ny toetra. Ohatra : mety hoe sahirana avokoa ireo mpivady amin’ny volana desambra mikarakara ny fety dia reraka izy ireo nefa nisafidy ny hanan-janaka dia misy fiantraikany amin’ny ilay zaza izany fahasahiranana izany ary dia lasa saika mitovitovy toetra ny zaza teraka volana aogositra sy septambra sns…. Dia nampifandraketana dangeureusement tamin’ny kintana sy ny volana… sns ary dia lasa naka « mauvaise tournure » hoy ny teny vahiny ka lasa resaka superstition.
Izay aloha ny hevitro. Tsy mino ireny resaka astrolojia ireo sy ny zavatra rehetra mifandray amin’izany aho satria tsy ara-baiboly izany no sady rehefa tena mandinika lalina tokoa dia ny eo ihany no miverimberina eo fa mody avadibadika fotsiny. Experience ny ahy.
Nanana boky izay aho dia nianarako tsianjery, raha nataoko tamin’ny namako ilay izy dia tena nihevitra izy fa tena manana « don » tokoa aho ary dia tena niaiky izy fa tena marina avokoa ilay nolazaiko. Mody nasiako fotsiny hoe « akipio ny maso dia mieritrereta tsara sy concentrer tsara ianao, mila fahanginana sns ». voalazako taminy avokoa ny momba azy :
1- ny aminy manokana 2- fianakaviany 3- ny manodidina azy 4- ny zavatra hiseho afaka andro vitsivitsy 5- futur proche 7- futur eloigné 8- resaka fitiavana 9- ny asany. Ary dia nino izy ary koa nilaza fa tena marina tokoa.
Araky ny voalazan’I Hery izao dia na dia tsy mitovy signe aminao aza rehefa tena tadiavina dia ahitana toetra mitovitovy foana : raisiko ohatra ny fahatezerana : na tena mora tezitra na tsy mora tezitra na tsy mety tezitra na tezitra amin’ny tsy misy dikany. Raha ny resaka fahatezerana dia tsy maintsy iray amin’ireo 4 ireo (na 5) no « reaction » olona ary araky ny voalazan’I Hery raha atao ny stasistika, raha 16 milliards ny olona eto an-tany dia 4 milliards no mety mitovy “reaction” aminao raha misy zavatra mampatezitra.
Raha izao izaho misy manontany ahy hoe « tiko ho fantatra ny ho aviko » (TSY HANAO IZANY AHO AN !) dia asaiko fotsiny izy maka karatra dia misy fombafomba fipasohana ilay karatra sy « rituel » maromaro dia afaka manambara azy aho ny ho aviny. Resaka superstition fotsiny nefa tsy misy resaka magie na dia kely aza. Amiko manokana aloha e !
Izay aloha fa tena lava be hi hi hi
9. xxx ( 01/06/2004 11:49)
< bichette dia ahoana indray izany raha ataontsika hoe tena don naturel ny an'ilay olona ? (izaho aloha tsy mahalala hoe inona no critères tokony hojerena hamantarana izay an, fa misy ni olona sasany mihavaka amin'ny maro noho ny don ananany).
lasa basé amin'ny resaka prévisions ilay valim-panontaniana eto fa ny resaka toetra mifandraika amin'ny description des signes (tahaka ny hoe toetra mifandraika amin'ny anarana entinao) no tena mba tiako hahazoana ny hevitr'olona raha mety nareo ! merci
10. bichette ( 01/06/2004 13:44)
xxxx, misy izao olona mitondra ny anarana hoe Beby ohatra, ohatra raisiko io an, dia ahitanao karazana toetra samihafa ireo olona olona eran-tany mitondra io anarana io, ao ny mahafinaritra ao ny tena mandreraka sns fa saingy ny Beby mety "sendra" hita ohatra dia samy tia milalao karatra, dia ohatran'ny hoe misy hitovizana , àsa aloha e ! tsy haiko ny hevitrareo hafa ....

11. cutie ( 01/06/2004 17:56)
zay njay alou tsy dia matetika mijery horoscope loatra, fa rehefa tojo gazety de mba mamaky. rehefa mitovitovy @ zava-misy iaianako ny zavatra voalaza ao momba ahy de inoako. Fa rehefa mifanohitra kosa de avelako any.
Mamaky fotsiny e just for fun.
12. xxx ( 01/06/2004 22:19)
izay izany ilay hoe rehefa tiako dia inoako fa rehefa tsi dia tsi hinoako ! loll dia ilay hoe koa : izay tiako ihany io e! loll
13. fijo ( 02/06/2004 00:38)
aza miditra amin'izany ianao ry bichette kely o,resaka fotsiny io,jereo fa zavatra manjavozavo daholo no ao fa tsy sahy milaza zavatra mhintsy iray ao
14. ikaretsaka ( 02/06/2004 01:03)
angaha nareo biby no mahita volana aloha aby e
15. bichette ( 02/06/2004 06:09)
hi hi hi fijo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.142