Resaka andriana sy ny fitsidihana ny Rovan'Ambohimanga

1. mangakely ( 22/05/2004 13:40)
Nahamenatra sy nahagaga ihany ny fandavan'ny fikambanan'ny taranaka andriana ny fitsidihana izay saika ataon'ny filoha sénégalais tao. Tsy azo hidiran'andevo hono ao.
novalian'i fijo ny 11/06/2004 00:24
2. tsilan ( 22/05/2004 22:24)
Fa nga hono tsy nisy andevo niara-nipetraka tamin'ny andriana tao taloha. Sa iza no mpanary ny tavin-dry zareo tao, fony fahagolan-tany? Iza no mpikopaka ny mpanjaka tao taloha?
Mba tokony amin'ny toerana misy azy no asiana ny faha-andrianana fa tsy amin'ny zavatra tahaka itony.
3. ikaretsaka ( 23/05/2004 19:03)
k araha hanary ny taviny sy hikopaka no handehanan'i Wade dia mba ok fa toa zavatra hafa ko
4. rfanjav ( 24/05/2004 06:50)
Angaha moa tsy fantatrareo fa mitady hiverina indray izao ny fanjakan'andriana, sy fanavakavahana izay tsy izy !!!

5. hendry ( 24/05/2004 07:13)
Fa misoratra @ andriny ngah hono hoe andevo ingahy Wade?
6. hendry ( 24/05/2004 07:15)
Ny ahy ny tiako ho fantatra hoe: inona kay ny fanazavana nomena nentina nandavana ilay fitsidihan´ny filoha sénégalais? Sa dia tena notsorina tsotra zao taminy hoe tsy azo idirana andevo ao?
7. fijo ( 24/05/2004 21:10)
dia ahoana hono no nataon'ni fitondrana fa araka ny fahalalako azy dia harempirenena io izao ko.
8. ikaretsaka ( 24/05/2004 22:02)
toa izay hono ry hendry hoe tsy azo idiran'andevo ny tananan'andriana raha tsy andevo miasa ao aminy ko
9. fijo ( 24/05/2004 22:43)
dia nanaiky vo hono i abdolah le
10. xxx ( 25/05/2004 12:21)
Ko hanao inona ary izy?hisisika?
11. fijo ( 25/05/2004 22:39)
asa ko.izy ve hanaiky atao hoe andevo,na dia sonegaly aza.
12. xxx ( 26/05/2004 09:07)
fa maninona ny hatao hoe andevo?
13. fijo ( 26/05/2004 23:27)
araho ilay resaka.izay no lazaina fa antony tsy nanekena azy hizaha teny.ka dia napetrako ny fanontanianaraha nanaiky ny natao izany izy?
14. hendry ( 28/05/2004 14:50)
ny senegaly ngah tsy maintsy andevo daholo noho ry zareo tsisy fotsy? Zaho tsy mahalala tantara momba ny senegaly fa ny mahagaga dia hoe: ilay maha andriana ara-tantara fa tsy arabolo-koditra dia maninona no lazaina avy hatrany fa andevo i Wade? sa efa nisy namotopototra?
15. nikopol ( 28/05/2004 15:40)
Asa na marina fa naheno resaka aho hoe i Wade dia tena Andriana be mihintsy : sady andriana ray hono no andriana reny tahakan'ireny mpanao fahagagana tamin'ny andron'ny ntaolo ireny.
16. ikaretsaka ( 28/05/2004 21:23)
ny atao hoe andevo raha raisiko amin'ny ankapobeny dia ireo olona misy mibaiko.. tsy nobaikoin any andriana t@ androny fa izy no nibaiko ary ny andevo no manao ny baikony
T@ andron'ny fanjanahanb dia tany
ny sonegaly malaza @ io raha iray io:
hoy ny gasy hoe sonegaly mahazo baiiko...
olona zatra baikoina ireny izany...
donc: ....
17. peluche ( 03/06/2004 11:25)
andevo izy.
Ny maha andevo,na andrina,na karana,na frantsay="identité" an'olona daholo ireo.
Fa matetika ny fiaraha-monina dia manao "systeme d'opposition",ohatra hoe ny misy ny andriana de misy ny andevo.aorian'izay ny fiaraha-monina dia manao "etiquette" izay mifampitohy @ tantara hoe ny andriana dia nibaiko ny andevo taloha,dia izay ihany no miverina aty aoriana fa miova fotsiny ny fisehony fibaikona,tsy lasa fibaikona ntsony ilay izy ohatra fa lasa hoe ny andriana de hafa,tsy afaka ampitovizana @ andevo zany hoe ambony kokoa sns,ny andriana dia olona nianatra contrairement @ ny andevo sns...be dia be ny fisehony fa ny fotony niainga de hoe ny andevo ambany ny adriana ara-tantara io ka sarotra ny hiovany.
18. fijo ( 03/06/2004 22:56)
ka io efa voalazano farany io izy amin'izao fotoana.fa i wade aloha sarotra be ny hampiantra aminy izany resaka izany satria io resaka diplomasia interinasionaly no mitsofoka ao,ka tsy mino aho fa izay no antony tsy nandehanany teny.fa mety resaka protokoly indray angamba.
19. peluche ( 08/06/2004 13:16)
ny fiaraha-monina zany no mametraka lalana "arbitraire" ohatran'izany,ka ny tokony hotsapan'ny olona dia " arbitraire" izany,mitovy @ hoe ny eurpoena "civilisé" fa ny firennena hafa"sauvage"-ary avy @n'ny alalan'ireo anarana roa ireo no hitondrana ny toe-tsaina rehetra.
20. xxx ( 08/06/2004 15:53)
ny andriana sy andevo,ny merina sy ny tanindrana anarana mipetaka amin'ny tena daholo zany.Hatramin'izao aloha dia ny andriana no mahazo fankasitrahana satria zay foana no tantara,@ zao izy tsy hatao hoe andriana intsony ilay olona fa hatao miafina ny fomba fiteny ny andriana:ohatra hoe fotsy,mianatra,avy ao Antananarivo,sy maro hafa,fa na izany arany afaka hampitovizana @ ilay andriana taloha ihany izy satria mbola mahazo fankasitrahana kokoa anivon'ny fiaraha-monina.
Ary ilay andevo koa dia mitovy @ izay ihany,tsy hatao ntsony hoe andevo izy fa ovaina hafa ny filaza azy:olona mpitabataba,mpiasa ambany matetika,tsy natao hanana toerana ambony,mainty be sns,fa mitovy @ andevo taloha ihany izy satria ambany,hatao hanompo sns
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3125