manambady havana:vokany?

1. nala ( 20/05/2004 16:07)
Dokotera namana o, inona no voka-dratsin'ny manambady havana akaiky? ohatra hoe zanaky ny mpi-cousin no mivady?
novalian'i ludo ny 01/08/2004 19:48
2. dasy ( 20/05/2004 19:03)
risques majeurs :
- affection herditaire
- fausses-couches à repetition
- mal formation
- possibilité d'inceste pere-fille, soeur-frere
betsaka fa ireo aloha no tonga eto antsaiko izao, tsarovy ny tantaran-ny roi de france fa maro no handicapé mental et/ou physique, o re olona e, betsak ny zazavavy manja , maro ny zazalahy mirija hoy i mama, ka inona no hakana cousine na cousin
3. zokinifijo ( 21/05/2004 07:29)
merci dasy
4. angie ( 21/05/2004 07:55)
Marina ny tenin dokotera dasy. Efa ho 16 million ny gasy ary be kou ny avy any ankafa raha tiana ka tsy aleo ve misoroka toy zay mitsabo e.

Voisine-nay tany dago mpivady toy ireo, fito ny zanany fa iray ihany no presque normale, ny ankoatr'izay misy fahasembanana lehibe daholo. dia lasa sahirana be zareo satria mila fitsaboana samy hafa daholo ireo ankizy ireo.

Raha tena misy fitiavana dia tokony handinika ny hoavin'ny taranaka fa tsy izay fahafinaretana eo fotsiny na fitiavantena be fotsiny.
5. ravatorano ( 21/05/2004 12:21)
Marina ny an i Angie sy Dasy .
Amiko ny manambady havana dia fady ( tabou ) ka noho izany dia na inn antony na inn antony dia izy efa fady izay dia tsary mety amiko izany .Mazava ho azy koa raha misy fahasembanana b d b ny zaza azo avy amin ireny>Mba tokony ilay mpivady izay samy mpihavana ireny koa no hiiova tampoka eny ampanambadiana eny amizay dia tsy ny ankizy ihany no hijinja ny ataon izy ireo fa ry zareo koa.
Rehefa fady dia fady fa tsy hoe havany ihany izy fa mitady ho alavitra izany !
6. lema ( 21/05/2004 20:03)
misaotra ra doko a!
7. ikaretsaka ( 22/05/2004 03:25)
marida dia marina tokoa ireo...
8. rfanjav ( 24/05/2004 06:28)
Mba tokony samy mieritreritra fa ny an'ny mpivady anie vita ihany, fa ny fiainan'ireo zanany tsy mba eritreretiny akory ! zany ve tsy fitiavan-tena !

tsy vitan'ny hoe "tiako ianao d ndao hivady " akory ty fianana ity !
9. ikaretsaka ( 24/05/2004 22:24)
izay mihitsy manko ry Fanja..
10. chipie1 ( 26/05/2004 08:54)
indrisy manko fa ny oul tsy nitovy hevitra daolo , de tsy mieritreritra ireo fara sy dimby...
11. fijo ( 01/06/2004 23:37)
misy tsy koi ka.ary dia misy aza dia salama tsara daholo mihintsy ny kilongany.
12. rfanjav ( 02/06/2004 08:25)
Ny kilongany mety ho salama tsara daholo, fa mety ho any @ génération manaraka vao miseho ny kilema !
13. ikaretsaka ( 03/06/2004 03:32)
izay mihitsy
14. jhouhlambout ( 04/06/2004 11:34)
Reseka génétique io é! Ka raha tsara vitana dia tsy maninona. Fa na izany aza dia tsy mety ny miankina amin'ny vitana fotsiny.
15. dom ( 23/06/2004 05:58)
misy oul de tsy misaina mihintsy fa manambady havana izany ve de tsy ôtsan'ny biby e! Lany angaha ny vehivavy na ny lehilahy eto Madagascar? Réefa tsy ampy ny eto Tanà dia mitadiava any @ sisiny fa any ange ka misy milay be e! Gaigy ze manambady havana
16. nala ( 24/06/2004 17:21)
Ka raha tsy nifankalala àry izy roa kely fa mpihavana? Efa tena hivady vao nahita fa kay zanak'i dadatoa tany ambadika tany ity rakalakely ? Iza no omenareo tsiny ?
17. dom ( 28/06/2004 09:29)
normalement tokony manadihady izy mitsam ry nala a! De enao ve de tsy mba te-hahalala hoe zanak'iza marina le hovadianao de avy aiza (tanindrazana)? dia tsy misy firesahana @ ray aman-dreny etc. De izay ange no ahalalàna azy e! fa misy manao fanahy iniana tsotra izao fa hoe havana lavitra. Ary raha tena fitiavana ve de hafenina ny ray aman-dreny na hoe tsy hiseho any @ ray aman-drenin'ilay ankilany mihintsy fa hoe hivady vao miseho? Vava-kisoa misy sira hoy ny ntaolo ka samia mieritreritra e!
18. ludo ( 01/08/2004 19:48)
efa nahita olana otra zany aho fa tony mamonjy lanonam-pianakaviana tony no tena fositra voalohany satria mihaona eo ny cousin cousine d samy tsy te halala ny zava misy fa ny hiaraka iany de natao mariages izy roa avy teo d afaka 1 mois d maty izy 2 accidentées ka tandremo ihany ny manao be loha fa misy misteriny ny zava-drehetra!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1657