landivola,rapatrice iza koa?

1. fijo ( 19/05/2004 04:17)
vao avy namaky midi aho dia nahita fa nisy sipakely nisehoan'andriamanitra tao tana????
efa henoko koa fa izany rapatrice izany dia efa nisehoan'i marie?
mahagaga,i andriamanitra io ve manana endrika no avy dia fantany hoe izy io?
raha misy dia toa an'iza?
i marie niseo tamin drapatrice koa ve toa ireny amin'ny sary ireny sa ahoana?mino ve ianareo fa tena toa ireny ny endriny??
sao dia efa diso minomino foana ary ity isika gasy ka manjary mahita izao akoho sy gana manidina izao?
ary tsy masina intsony izany ry rapasy sy mopera no dia olontsotra sisa no hiresahan'i lery?
novalian'i fijo ny 01/06/2004 04:56
2. hery ( 19/05/2004 05:58)
Hatramin'izay aho dia d'accord hatrany amin'ny hevitr'i Fijo. Tsy hoe marina ny teneniny fa manaja izay tsy finoany :)

Fa amin'ity indray mitoraka ity kosa aho dia tsy d'accord satria manomboka miditra amin'ny fanambaniana ny hafa sy fanaratsiana ny finoan'ny sasany i Fijo. Tsy mitovy mantsy ny hoe mangataka fanazavana (tahaka ny sasany izay te hahalala na tsy te hino aza) sy ny mametraka fitsarana avy hatrany... indriindra momba ny zavatra tsy fantatra. Manjary mitovy amin'ireo mpanenjika bontolo ny finoan'ny sasany i Fijo tamin'ity hafatra ity... Fa na izany aza dia lazaiko fohy izay hevitro.

- Raisiko avy amin'ny vue déductive ilay izy. Inona no misakana an'Andriamanitra tsy hiseho amin'ny olona izay tiany hisehoana? Tsy ho azontsika antsaina ny antony isehoany amin'itsy na isehoany amin'iry. Hampiova na tsia ny finoana na tsy finoanao ve izany? Libre Andriamanitra fa tsy hoe hanaraka na tsia izay heverinao fa mety sy logique.

- Ny fisehoana tamin'i Rapatrice, dia tsy dia ivakiako loha loatra na mariina na tsy marina. Ny important amiko dia ny vokany. Inona ny vokatr'iny resaka iny? Nahatsara ny fiainam-panahin-dRapatrice ve? Nampibebaka olona ve? Nitomboan'ny fifankatiavana ve? Ireo no vokatry ny asan'ny Fanahy ka raha misy an'ireo dia tsy mampaninona ahy. Marihiko eto fa mbola tsy eken'ny Fiangonana ofisialy ny fisehoan'i Maria tany Anosivolakely (Rapatrice) saingy tsy mandrara an'zany ny Fiangonana satria tsy misy voka-dratsiny eo amin'ny finoana izany.

- Minomino foana ve ny gasy ka mahita izao akoho sy vorona izao? Somary tsy voahevitra ity tenin'i Fijo ity. Io ilay no teneniko hoe fanambaniana bontolo ny hafa. Olan'ny olona mba nahita fianarana kely na mba tafita kely io... dia hoe fa tena donto ny hafa fa minomino foana. Voalohany dé tsy ny Gasy ihany no miteny an'io resaka fisehoana io. Ny Frantsay, ny Espanola, ny Portugais, ny Yogoslaves, ny Mexicains, ny Colombiens sns... dia samy manana tantara toa izany. Ka angamba tsy ny gasy kely ihany no minomino vorona manidina.

- tsy masina intsony ve ry rapasy sy mopera? Fa angaha fampisehoana fahamasinana no anton'ireo fisehoana ireo? Izay ve no hafatra? HOe miseho aminareo aho satria nareo no masina? Io koa dia fitsarana fahatany ataon'i Fijo.

Fehiny:
Zavatra voalazako foana hoe sarotra be ho an'ny olona tsy ao anatin'ny fiainana iray ny hitsara sy hanome hevitra momba ireo olona ireo.
Ny fahendrena tsara indrindra dia ny manaja ny zavatra inoan'ny hafa, na ny zavatra tsy hinoan'ny hafa rehefa tsy manelingelina ny finoanao na tsy finoanao izany.
Mahereza :)
3. ravatorano ( 19/05/2004 06:25)
marin a aloha ny voalazan i hery na dia somary henjana ihany aza satria moa izany fanakianana nivaly fanakianana ihany koa.
Amiko dia tsy mifidy olona ho vangiana na hisehoana Andiamanitra na mpino io na tsia na mpivavaka na mpanenjika toy izay nahazo an i Saola lasa Paoly.
Tsy miandry olona masina izy satria Andriamanitra dia mamonjy ny olona rhtr.
Ny fomba fisehoany indray dia ireo izay nilaza nahita azy no tokony hanambara na nisy endrika niseho , na feo nanakoako , na nisy bozaka nirehitra nefa tsy may toy izay nihatra tamin i Mosesy na Moizy.
Maro ny fambara fa eo akaikinao andriamanitra ary tsy voatery hiseho mivantana aminao aza izy.
4. six ( 19/05/2004 08:47)
tena za mino an'andriamanitra fa za za ts mino we i anona nahita an'andriamanitra na nahita an' jesoa na ny mamany sns... mba marina e!
d ze hahita soratra hafahafa sy manonofy ririnina rehetra io ve d we nahita an'i ann a na i ann! mba marina e!
5. ravatorano ( 19/05/2004 09:05)
six>enga anie mba enao no ho tongavany amin ny manaraka mba amizay hitombo ny finoananao.
6. hendry ( 19/05/2004 14:51)
Sarotra be ny maneho hevitra momba ilay izy, amiko miankina @ tsirairay io na hino na tsia. Zaho manokana aloha dia sarotra amiko ny hino ilay izy e! Ary na ny mompera sy masera sy ny mpitondra raharaham-piangonana ao @ katolika aza anie dia mbola betsaka ny tsy mitovy hevitra @ momba ny cas an-dRapatrice.
Dia zao koa tonga ny an´i landivola.
Safidin´ny tsirairay fotsiny na hino na tsy tsia fa sarotra be ny miady hevitra @ ilay satria samy tsy nahita zay fisehony sika.
7. fijo ( 19/05/2004 21:59)
hery tsy dia fanakianana io angamba fa fanontaniana no tena maro apetrako ao.manontany aho hoe,satria ireo olona ireo nilaza fa nahita an'i anona sy anona.
ny tena nahatonga ilay fanontaniana dia izao.ny nahafantarantsika izany marie izanny dia sary avy aty andafy.dia endrika toa io sary io ve ilay hita tao?raha izay mantsy dia vokatry ny finoanoampoana ilay izy satria,raha sarin'i kally izany no natao hoe marie dia i klly koa no lazainy fa niseho taminy.
ilay antr moa dia tsy mbola nisy sariny hita,ka eo dia mahagaga hoe ahoana no hilazany fa antra ilay feo na afo na setroka na inona hitany natsapany?fanakianan ve ireo?

ilay hoe fisehoany amin'olon tsotra.io aloha dia gasy no nolazaiko satria vao avy namaky midi aho fa na anglisy io na frantsay amiko dia mitovy."cas lourde"

ary maninona ny eglizy no tsy mino ireo fisehoana ireo?tsy tokony hampisy fanontaniana ve izany.satria raha ny tokony hoe izy dia io no hoatriny hoe solontenany eto an tany hoan'izay mino.

tsy fanambaniana io,fa mba fisarihana kosa hametrapanontaniana amin'ny zavatra toa izao.
any colombie tokoa mantsy dia maro io ary matetika dia tsy mitombina fa vokatry ny finoanoampoana.
8. fijo ( 19/05/2004 22:11)
io mitovy amin'ny tromba.ilay finoanoampoana no mitarika fahitana zavatra tsy izy.

ny olona voalaza fa nisehoan'i marie sy ny sasany anie ka lasa masina e,izany hoe fanehoana fahamasinanailay izy.fa io koa anie samy hafaka milaza fa nahita zavatra daholo dia mamorona e.rehefa tsara tohana ilay resaka mino ny olona.
9. tsilan ( 20/05/2004 01:24)
Fijo
Ohatran'ny tsy dia tiako iay filazana fa minomino foana ny olona iray raha mitoky amin'ny tromba na ny fanahy hafa. Fa io samy manana ny finoany. Koa hajao fotsiny ny an'ny olona fa aza enjehina.
Izaho mahafantatra tanana maro eto Madagasikara, olona antsoina hoe ombiasa na mpitromba daholo no mpitarika ireo fa tsy misy kristianina, nefa dia soa ny fiaraha-monina ao aminy.
Mifanaja, Tsy misy sahy makamaka zavatr'olona,
Tsy sahala amin'ny toerana be Kristianina eh.
10. fijo ( 20/05/2004 22:55)
ny fitenenako fa minominofoana tsy midika mihintsy fa tsy manaja azy aho.ny fady ohatra dia finoanoampoana amiko,fa manaja ireny fady ireny aho.tany mahajanga aho tsy miditra doany rehefa talatasatria fady.na dia tsapako fa zavatra tsy misy fandairany amiko aza ilay izy.aza diso fandray hevitra ianareo.
izany koa tsy midika fa manenjika ny mpino aho.satria ny ao an tranonay rehetra dia minominofoana daholo koa.ary samy manana ny heviny izahay.
11. peluche ( 21/05/2004 11:12)
Samihafa ny manao jugement personnel,ohatra hoe ny fahitako an'ny zareo dia minomino foana sy ny miteny hoe samy manana zay tsy na hinony.
12. chipie1 ( 21/05/2004 11:45)
mitovy hevitra any i peluche kou za eto...
13. ravatorano ( 21/05/2004 12:49)
marina tokoa fa mbola manao fanadihadiana ny fiangonana katolika momba an i rapatrice sy ireo voalaza fa nisehoan i Masina Maria izay.
Ny moba an i landivola ity mb hafa loatra satria nivoaka tamin ny gazety mpiseho isandro dhl ilay soratra toy ny steno nefa tsisy mahay mandika azy na izy nisehoany aza.Asa raha misy Daniel vaovao handika ireo teny ireo der amizay voalaza fa masina na tsia izany.
Ny toerana any ambanivolo aloha izay mbola miaina amin ny finoana nentimpaharazana diahita tokoa fa milamina sy mirindra nefa izany tsy midika fa raha va misy kristianina tonga ao dia hivaralila ny fiaraha monina.
Ny finoana dia ianao irery ihany no iankinanny fa sambatra izay mino nefa tsy nahita.
14. ikaretsaka ( 22/05/2004 03:32)
izay mihitsy.. ary andriamanitra io .. ze reviny fa tsy hoe fa maninona .. satria lasa kao ilay heo fa maninona aho no lahy na las avavy na hoe maninona aho no mainty sy fotsy (fanontannian-jaza fahiny)
15. librepenseur ( 24/05/2004 10:19)
Amiko indray ry zareo dia sarotra ny hino fa ilay niseho na tamin'ny Rakoto X na Rabe X dia Andriamanitra a !

Ahoana no hitompoana teny fantatra fa izany no namorona izao tontolo izao ?
16. jhouhlambout ( 24/05/2004 14:10)
ka tsisy resaka forcer-na io e, samy malalaka ny hino na tsy hino ny tsi-1-1.
17. hendry ( 24/05/2004 15:56)
iza kay ny mino?
18. ikaretsaka ( 24/05/2004 16:07)
za aloha mino satria nahita ny fiantraikany t@ fiaraha monina e.. raha tsy mino tsy misy manao pelerinage etsy sy ary ... raha tsy mino dia tsy misy ninoninona any @ rapatrisy sy iandivola sy lourdes sy fatima sy masera teresa sy nenilava sy lameka sns...
19. fijo ( 24/05/2004 23:38)
ny fanontanianay sy librepenseur anie tsy hoe aza mino e.fa hoe:
ahoana no hanamarihana fa tena i marie na i antra io niseho io.hatramin'izao mantsy dia sarimbazaha no hita sy lazaina fa marie na jesoa na izay masina rehetra misy.iza no milaza fa tena toa ireo ilay olona.ohatra kely.i bouda dia iny sary solaloa sy be kibo iny noo ahalalana azy.aleo anefa lazaina hoan'izay tsy mbola mahafantatra fa frantsay no namorona io sary io,ary hendrika olona taty europa no namboariny hifanaraka amin'ilay tantara.dia raha misy milaza fa nisehoan'i bouda izany dia ilay bouda sola sy be kibo no lazaina fa hitany.izay no maha resaka mahatsikaiky azy.
20. ikaretsaka ( 25/05/2004 00:03)
ka tsy adidinao ange no manamarina hoe izy tokao io e.. tsy mety ny manakatra ny sitrapon'andriamanitra... io ilay hoe fa maninona ialahy no lehilahy sy maninona no zao ny aniversairen'ialahy..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4986