Mila torohevitra

1. xxx ( 18/05/2004 05:34)
Miarahaba an-tsika rehetra,

Mba toroy hevitra aho r'ireto fa misy zavatra manahirana ny saiko â! T@ mbola ankizy dia nisy ankizilahy izay, tena hitako mintsy fa tara b tamiko izy (izaho izay manoratra aloha d vehivavy), fa t@ izany mbola bedy raha manao sipa sady tena t@ fahazazana fa vao 10 taona aho t@ izany dia tsy niraika fa dia namako no nandraisako azy, izy koa zandriko aman-taona fa tsy haiko fotsiny hoe firy taona ny elanelanay, izaho rahateo tia minamana @ ankizilahy dia toy ny namako rehetra ihany no nandraisako azy. Rehefa manao fangalam-piery na kasikasy kapoaka dia misisika mafy ny hiara miafina amiko izy ary raha sendra ka boka aza aho dia izy koa no miara boka tamiko t@ zany. Fotoanan'ny vacances ary dia tsy maintsy nandeha tany Moramanga izahay, nangasihasy sy nanganohano te hitomany ilay ankizy nijery ahy handeha, izahi koa moa nalahelo azy dia tsy sahy nijery azy. Nony niverina avy nanao vacances aho dia efa nifindra trano ilay cousine an-dry zareo fivantanany nifankahalalanay ary tsy nifankahita intsony. Taty aoriana dia nifindra trano koa izahay ary tsy mifanalavitra loatra ny misy anay ary dia niverina nifankahita indray. T@ nifankahitanay voalohany aloha dia tsy taitra mintsy izy. Omaly raha sendra tafaraka t@ namako aho, lehilahy io namako io, dia nifampisakambina izaho s'ilay namako ary nifanena t@ ilay sakaiza fahazaza, tena hitako narary fo be izy nijery anay. Izy anefa hatr@ izay nifankahalalanay dia tsy nitory fitiavana ahy fa ny fihetsiny no ahitana fa misy fitiavana ao aminy ao. Izao tsy te handratra fon-janak'olona. Inona no hataoko? Misaotra mialoha @ izay hamaly ary miala tsiny raha lava ny taratasy.
novalian'i fijo ny 03/06/2004 21:18
2. xxx ( 18/05/2004 08:08)
maninona moa raha ataonao izay hifandraisana aminy aloha e, de ho hita eo refa miresaka nareo ,manana sipa ve izy sa tsia??
3. tenio ( 18/05/2004 08:59)
Somary sarotrarotra ihany kanefa hoezahiko hovaliana am-pahendrena.
Raha azoko tsara izany aloha dia efa manan-tompo ianao ( ahitsio aho raha toa ka sendra diso ).
Azonao antoka tsara ve aloha fa tena tia anao izy? Matetika mantsy rehefa nifankahalala hatramin'ny mbola kely ny olona 2 dia lasa toy ny anabaviny ny fiheverany anao ka izany no mety maha-saropiaro azy.
Raha azonao antoka fa tena tia anao izy, ianao anefa tsy te handratra ny fony, dia ezaho ampisehoina azy fa tsy afaka hiaraka ianareo; ohatra: ampahafantarinao azy ny olona miaraka aminao raha toa ka misy, na antsoinao hoe: ranadahy izy rehefa miresaka ianareo.
Raha toa moa izy mitory fitiavana aminao dia lazao moramora hoe: avelo isika ho mpinamana ihany, sns.....
Raha toa moa ianao ka tia azy koa dia tafahaona izany ny tia sy ny manina.
4. booboo ( 18/05/2004 11:03)
manohana ireo tenin'i tenio ireo koa zà
5. xxx ( 18/05/2004 12:13)
Misaotra indrindra anareo namaly. Hovaliako ianao r'i tenio, izaho tsy mbola misy miaraka amiko. Tena azoko antoka fa tia ahy izy, satria nisy fotoana tafaraka izahay samy handeha ho any Analakely, ary mbola hita ao ihany ilay fijery te hiteny nefa menatra angaha sa tsy haiko, dia nanaovako vazivazi zary tenany izy hoe "tadidinao moa isika t@ mbola kely ilay miara miafina foana?" dia nitsiky izy, dia notohiziko hoe "andaohiverina hiara hiafina indray ê! fa tera mena ilay zanak'olona, tonga ny taxi B, izy tafiditra fa izaho tavela dia tsy tafaraka indray izahay. Hatreo dia tsy nihaona intsony indray aloha raha tsy elaela. fa rehefa mihaona izahay dia hitako te hiteny zavatra izy fa tsy sahy, tsy haiko, noho izaho zokiny ara taona v sa inona tsy haiko!
6. fijo ( 18/05/2004 21:47)
mety marina izay hoe ianao zokiny dia menatra kely izy fa ianao mihintsy no mitarita resaka matetika,dia ho hitanao fa hisokatra ny fony
7. xxx ( 19/05/2004 08:59)
ka ilay hitari dresaka toa hafahafa ihany satria vehivavy ny tena ko!tena ohatran'ny tsy hitako koa izay anombohana azy ê!
8. ravatorano ( 19/05/2004 09:17)
ka ianao v tia azy e ?
raha tia azy ianao dia azonao amboraka aminy izany
efa nisy theme momba izany teto fa jereo ny adi hevitra
zà mino fa raha tena tia azy ianao ka tsapanao fa manana fitiavana b anao izy dia tsi hitako izay olana mety hiseho eo
alao hery ary
d mahavita soa
9. xxx ( 19/05/2004 12:35)
ka eo indrindra isika izao ravatorano â! tiako ilay zanak'olona fa ilay hanao premier pas no tsy vitako. Tsy mbola nataoko ilay izy sady ohatran'ny hafahafa be zany amiko hoe ny vhv no miteny aloha @ lhl hoe za tia anao!
10. yonikafopl ( 19/05/2004 15:08)
xxxxxx a efa tsy hafahafa intsony izany izao ka , rehefa tianao izy dia tonga dia tsory na tsy hioteny mivantana aminy aza ianao hoe tia azy fa manaova fihetsika hanaporofoana ny fitiavanao azy fotsiny, betsaka anie ny olona tonga dia miaraka tsy mifamboraka fitia raha tsy efa any aoriana any e!, nefa zavatra iray koa raha amitie no misy ka avadika ho amour tampoka dia indraindray hanimba zavatra, asa aloha e
11. fijo ( 19/05/2004 19:54)
ilay resaka akiafina io ampidirana ny resaka fa io mora."maninona moa isika izao raha miverina manao ankiafona "ohatra na asa zavatra toa izay.tsy maintsy avy dia tsapany raha miverina miresaka an'io ianao.
12. xxx ( 21/05/2004 05:48)
efa noteneniko tao ambonimbony tao ihany io resaka ankiafina io r'i fijo â! fa izy anie tsy haiko na saron-kenatra na ahoana ê! fa t@ noteneniko an'izany izy dia nitsiky fotsiny fa tsy niteny n'inoninona, nitsiky sady tera mena moa izany! sady ny manahirana ahy koa hoa, tsy haiko na efa misy miaraka aminy dia izahay koa izao tsy dia mifankahita firy intsony indray fa izy tsy haiko na aiza no miasa na aiza, tsy haiko ê! sarotra be ilay situation!
13. ravatorano ( 21/05/2004 12:32)
tsy sarotra izany !
raha zà ianao aloha dia teneniko ankolala izy na aborako ankolaka ny fitiavako azy rehefa tsy sahy miteny mivantana ihany ianao.
Mino v ianao fa mety tsy hanana olona miaraka aminy izy , ny nahatera mena azy dia mety menatra ny taloha izy na nahatsiaro fa tokony tamizay dia effa vita ny ""afera"">Sarokenatra v izy dia mety hisy hiaraka aminy any ???Ny sarokenatra dia atosika mihitsy vao mahatafavoaka feo eo anoloan ny vevavy .
Asa anefa fa mba mailo ihany fa sao dia mivarotra fanahy amin ny sarokenatra fa karapilo........
14. xxx ( 21/05/2004 14:06)
tsy azoko ny tinao ambara ravatorano azafady, ilay hoe "fa sao dia mivarotra fanahy amin ny sarokenatra fa karapilo........ "

Ahoana ary no fomba itenenako azy ankolaka ê! mba toroy heitra indray aho @ iny azafady. Misaotra mialoha ê!
15. hendry ( 22/05/2004 08:23)
Rehefa mihaona ianareo dia mangataha fotoana manokana aminy e! mamorona programme ianao dia proposer-o aminy. Mila mifanantona aloha nareo dia eo hita ny tohiny.
16. booboo ( 22/05/2004 08:36)
hendry>mifanatona no tokony ho izy fa tsy mifanantona hihihihi.
17. hendry ( 24/05/2004 15:52)
booboo> saotra nanitsy :-)
18. fijo ( 24/05/2004 23:06)
mangataha hiresaka kely aminy dia lazao azy fa tsy mety hafaka an tsainao ireo lalao taloha ary rehefa mieritreritra ireny ianao dia toa mangoritsina foana ka mety azony hazavaina hanao ve izay,na koa izy koa ve mba mangoritsina toa izay.dia lasa eo ny resaka dia ianao no mampiditra azi hiditra ao anatin'ilay resaka.
19. xxx ( 25/05/2004 10:08)
Misaotra anareo rehetra izay namaly ary ê! Ao fa ezahiko arahina ireo torohevitrareo ireo, fa raha mbola misy hevitra hilaiko dia mliverina eto ihany ê!
20. lema ( 25/05/2004 14:48)
ampiasao ny tanana rehefa tsy hiasa ny vava e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4098