Webmaster ah!

1. fatsoraly ( 14/05/2004 15:30)
Ny ankamaroan'ny Gasy dia "kristianina", saingy tsy nisy nifidy ny finoany fa nanaraka ho azy ny finoan'ny Ray aman-dReniny. Hita taratra anefa ankehitriny fa dia mikororosy fahana ny finoana kristianina eto Madagasikara na dia mitonona ho "kristianina" avokoa aza ny ankabeazan'ny olona. Izany no mitranga dia satria isika "kristianina" anarany fotsiny fa tsy hita taratra @ fiainantsika andavan'andro akory ny finoan-tsika. Vao maika aza isika lasa ohatra ratsy eo @ fiaraha-monina ka miteraka fisalasalana ho an'ny olona hafa tsy hanatona an'i Kristy.

Ohatra akaiky:
Sendra tafiditra tao @ ilay rohy hoe "resak'olon-dehibe" eto @ ito sehatra ito aho kay resak'adala fa tsy an'olon-dehibe akory ilay izy. Hitanao ao misy maro ny "kristianina anarany fotsiny" fa dia ny ankabeazan'ireo mpanao resaka tsy matotra ao ireo ihany no mitonona ho "kristianina" ao @ ilay hoe "fivavahana sy finoana".

Ny adala ve moa azonao atao inona saingy mba misy teny atsipy ho an'ny webmaster ito:
Diniho ny fanaraha-maso ny fidiran'ny zaza tsy ampy taona (farafaharatsiny) @ ireny sehatra ireny. Asa mba fantatrao ve ny fipetraky ny lalàna momba an'io na eto an-toerana na ny any @ faritra misy anao any?

Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny any am-pon'ny mahalala.
novalian'i kitjo ny 03/06/2004 10:49
2. hery ( 14/05/2004 18:32)
Sao dia manana soso-kevitra?

Sa manipy tady fotsiny aloha?
3. fatsoraly ( 15/05/2004 02:40)
alefako an-tariby na mailaka ny soso-kevitra fa raha eto toa lany resaka fotsiny fa tsy misy n'inona na inona mivainaga.
Ka tsy tady ange no natsipy tany fa teny e! hahah.
4. manitra ( 15/05/2004 05:55)
Tena tsy azo kianina io tenin'i fatsoraly io. Raha amin'ny fiainana andavanandro fotsiny no resahina dia tsaratsara indray ny fiaraha-monina amin'ny tsy dia fahita eny am-piangonana isan'alahady toy izay ny sasany izay toa sarintsariny fotsiny no andehanana tsy tapaka any.
Ny momba ilay hoe ankizy tsy ampy taona indray dia tsy dia manan-kevitra aho fa ny fanamarihana mba hitako fotsiny, angamba tsy ankizy tsy ampy taona no manao resaka tsy matotra toa ireny, asa aloha e !
5. hery ( 15/05/2004 06:59)
Fa maninona no tsy alefan'i fatsoraly eto ny sosokevitra ho hitan'ny olona hoe tsy mandaitra na mandaitra?

Izaho koa mantsy efa ela no nahatsapa an'io ary efa mifampiresaka amin'ireo mpitantana an'ity forum ity fa tsy nahita hevitra mihitsy izahay. Ka izay no nanontaniako hoe aposaho eto ny sosokevitr'i fatsoraly ho hitan'ireo mpitantana hafa ireo hoe misy hevitra vaovao ve any? Efa lany haiky mantsy izahay satria tsy misy fomba mihitsy hanamarinana ny taonan'ny mpikambana tsirairay eto.

Sady ny zanakareo tsy ampy taona no ilaina tazomina tsara fa na dia tsy eto amin'ny serasera aza izy, raha vao manao hoe sex.com fotsiny dia hahita zavatra be dia be mihoatra noho izay resak'olondehibe eto.
6. oully ( 15/05/2004 10:09)
Tsy nampoiziko ho fatsoraly no mahatafavoaka hevitra matotra be sy mila tohanana tahaka izao. Miresaka ny maha-kristiana sy resaka olon-dehibe ary nanome soso-kevitra ianao, ka isaorana anao be dia be. Saingy angamba tsy dia handaitra izany raha hijery ny mombamomba anao ao amin'ny namana ny olona sy ny hevitra efa narosonao sasany ato izay mahalasa eritreritra. Ohatra: http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m40a24d4c35b96&PHPSESSID=044b67875aeb7ba21ebf438e2a70f184 sy http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m408423c35f4e3&PHPSESSID=044b67875aeb7ba21ebf438e2a70f184.

Noho izany atsipiko koa ny teny ....

7. chipie1 ( 15/05/2004 11:01)
de alefaso ary ny sosokevitra ry fatsoraly hodinihina e
8. fatsoraly ( 15/05/2004 21:52)
dia maninona anefa? Misy fitomboka sa "certified copy" ny mombamomba ahy hitanao ao izany? Sa ny "original" an'ny "birth certificate / civil status" mikasika ahy mihitsy no misoratra ao?
9. oully ( 16/05/2004 12:51)
Mazava be ao fa ny asa ataonao dia ny "Manaonao fôna!" dia omenao tsiny ve raha betsaka ihany koa ny manaonao fôna ao amin'ny resak'olon-dehibe na dia kristiana araka ny fijerinao aza. Diso ve aho ? Sa fahadisoan'ny webmaster izany?
10. lanto ( 16/05/2004 12:56)
Efa resaka be @ samy mpiandraikitra ato io resak'oulndebé io. Raha misy soso-kevitra dia ataoko fa raisin'ny ingahy webmaster an-tanandroa. Ny tsikera mahatsara zavatra sa tsy izany zareo a!
11. fijo ( 18/05/2004 23:18)
ka izay no maha olon dehibe azy e,izy no mamehy ny tenanay fa tsy hoe misy miseho hendry tampoka teo diaholasa zazakely daholo.ny olon dehibe rehefa miresaka dia na resaka fiainana,tokan trano vola,ary ny lahy dia manao resabody.fiainanaio ka aza miatsara velatsia hoe inona indray.
12. 2689 ( 22/05/2004 07:36)
Misaotra betsaka an'i Oully nanadihady ny momba ny mpanakiana ny sehatra. Hay tokoa moa ka ingahy miseho be fanakianana io rehefa mba nokianina kely dia niaka-pofona ka niteny tamin'ny teny vahiny? Ny zavatra hita dia izao : Tsy ho voamarina mihitsy ny mombamomba ny olona iray eto amin'ny net, fa ny resaka napetrakao tany aloha no hitsaran' ny olona anao hoe matotra ve ilehity sa ahoana ny profil-ny. Koa izay no mahatonga an' i Hery hilaza hoe inona ary ny vahaolana, ary lazao hiaraha-mahita raha misy fa mangarahara no eto, ary izy diso mangarahara loatra izay aza no tsy tantin' ny komity mpanakiana. Raha mpanakiana tsy mandroso vahaolana ianao dia andeha manatrika ny fivorian' ny CRN fa ny serasera.org aminay dia sehatra matotra ary tsy hahita sehatra malagasy matotra noho ity ianao raha resaka forum misy.

manaraka : Ny tsy mampandroso ny firenena toa antsika dia ny "olona matotra" tsy mahatanty fahalalahana ara-tsaina. Avelao hiteny izay holazainy ny tsirairay, ary avelao samy hahita izany na ny 7 taona na ny antitra toe-tsaina toy ny sasany; dia samy mandray izay horaisiny eo. Maninona moa raha Miozolmana aho no mitonona hoe Kristiana dia mandray anjara @ forum kristiana? Tsy mety @ mpamaky ny hevitro dia tsy raharahiany, misy mahasoa azy, hanamelohana ahy ve ny maha-tsy Kristiana ahy?

Ny momba ny lalàna dia izao no misy : Adidin' ny webmaster ny manontany ny mpikambana vaovao hoe ampy taona ve ianao, raha tsia no valiny dia mila sonian' ny ray aman-dreniny ny fidirany amin' ilay sehatra. (COPPA, tsy haiko loatra ny fanalavana azy fa jereo @ net).
Azon ' ny webmaster sakanana tsy hahita tari-dresaka sasany ny zaza tsy ampy taona, kanefa tsy andraikiny ny hanaporofo fa ny olona mitonona ho olon-dehibe dia ampy taona tokoa. Izany dia an' ny ray aman-dreny manome accès internet ka raha manana ilay toe-tsaina tsy te-hivoatra ianao dia asio cadenas ny solosaina, ary asio mpiambina ny ankizy hanaraka azy hijery hoe tsy miditriditra cybercafe izy.
13. fijo ( 24/05/2004 21:42)
marina ary tohanako tokoa io resaka io ambony io.malalaka eto,ka samia mitsara tena fa tsy i hery no hatao hiandry izay rehetra miditra ato.afa ny asany ato fa tsy mpiandry zaza.
14. ikaretsaka ( 24/05/2004 22:13)
izay mihitsy.. fa efa natsipiko tary ambony ange io hoe tsy oatery ho birth certificate fa fahatsapanytenan'ny tsirairay e
15. kitjo ( 25/05/2004 16:21)
Za aloha tsy mankasitraka io resaka io, tsy oe tsy mankasitraka fa tsy tiako ny mamaky azy d ny ataoko d tsy mankao fts aho.
Tsy tiako le resaka fa tsy ny fisian le lohahevitra akory, kanefa manaja ireo izay tia azy koa aho.

iza ary no hosakananao oe aza mankao, na oe aza manoratra an'izao?

aiza no hahalalanao ze oe firy taona i anona na i anona, ny "birthday" mipetraka ao @ takelaka ao aza tsy fantatra ra marina na tsia...

Misy olona mety io no idirany ato ary mety etna olondehibe
fa refa tsy misy hevitra ry reto,

aleo ze to ho ao mankao d izay tsy te tsy miditra fts e,
Le izy ange tsy azo sakanana e, sady io oe fiainana andavandro, samy manana ny zavatra ilainy idirany ato ary mi -interesser azy @ fiainany,

Fa ataoko fa efa zava-dehibe aloha ny nanokanana an'io ho lohahevitra iray manokana e, sa aona?
za koa aloha d efa saika tsy niditra forum tsn noho io resaka io fa rehefa natokana le izy tsy nisy olana tsn

Eny e, mitadiava iany aloha haantsara ny takelaka na ny zavatra hafa aza fa refa tsy mahita aza terena ny olona @ izay tiany sady tsy ato ihany no misy an'io. Raha io ve no hitany mahasoa azy ato kosa azy zany.


Mety misy olona monto-dava koa ato tsy tia mitsiky na miome, hofoanana koa ve y hatsikana sy lalao tsy ho maty be zay?ihihhi
16. chipie1 ( 26/05/2004 09:19)
tsy hita tsony i fatsora ly hihihi
17. 2689 ( 26/05/2004 13:56)
Heverin' ny sasany fa badouraly daholo angamba ny namana ato! Fa milay koa ilay mody miakatra be an! I Hery amin' izany mody tsy mikozy intsony fa mijery ny fanohanan' ny olona azy fotsiny sisa.
18. fijo ( 27/05/2004 23:41)
tsy hoe kosa miandry fotsiny izy,fa mitombina ny zavatra lazainy,dia tsara raha tohanana.
19. kitjo ( 03/06/2004 10:49)
hahhaa
badouraly hono,lolll
iny ndray no ts hitako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0767