Ny polisy malagasy

1. mahatoky ( 13/05/2004 07:56)
Miala tsiny fa tsy ny rehetra no tiana ho lazaina eto.Fanontaniana ry reto a:Hatraiza no fetran'ny galona eny an-tsoroky nyagent iray Hita mantsy fa manararao -pahefana ry zareo ,ka tsy afaka mihaino izay fanazavanao fa vao maika ampidiriny ao anaty PV.Nefa na dia ny fisakanany anao ary dia toy ny misakana BUS ireny[oh:jereo eny Andranobevava RN3]
2. fijo ( 14/05/2004 00:05)
dia valio ko.raha mamaly ianao dia milefitra izy
3. tsilan ( 14/05/2004 13:16)
Mahonena. Saingy entin'ny miakandrefam-baravarana rehetra io eh.
Ny tena tsara dia miteny kaomorianina ianao dia tsy ataony n'inon'inona satria vazaha ianao amin'izay
4. samoina ( 14/05/2004 13:33)
Zà efa taloha elaaabeee teo Antaninarenina teo niaraka t@ namako de nisy pôlisy tery ampitanay de hoy aho hoe:" io misy pôlisy vavy ". 20 mn avy eo nisy nikitika avy eo an-damosina zà tao @ prisunic ( izay tokoa moa ilay supermarché misy escalator iny ?). Iza ? Pôlisy 2 là niteny ahy hivôka. De nentin-jareo t@ birao kely tsyhay tsyhayizay aho de norahonany hoe " nahoana no ompainao hoe pôlisin-dalitra ny namanay ?!!!" Tsy nety nino ny fanazavana izy fa hogadraina hono aho,ets...Dia tsy maintsy nitomany fa izay sisa no solution nandrasan-jareo angamba. Hihihihi
5. fijo ( 18/05/2004 00:07)
ka le fahantrana daholo io e
6. angie ( 18/05/2004 10:52)
za ndray teo Ambohijatovo lay miakatra any Antaninarenina iny no tapa-kevitra tampoka hiova lalana dia lasa nanitsaka ligne continue dia nosakanany. ary noho izany dia tokony mandoa lamandy ary nalainy ny carte grise sady tonga dia niteny izy hoe" raha manome kely ianao dia tsy maninona, any io mantsy 12.000 fmg" dia hoy aho hoe tsy maninona fa aleo alohako any satria tena diso aho fa na izany aza dia mba asehoy ahy ny karatra maha-polisy anao satria ny fiara tsy ahy fa an'ireto vazaha ireto (mpanao vacances)ka izany no fomba any andafy mamipseho karatra alou sady be kou ny misoloky ankehitriny, vao naheno an'io izy dia naveriny daholo ny papier rehetra teny antanany dia nataony hoe "hay tandremo ary @ sisa, mandehana ary fa tsy maninona". ny tena marina dianatahotra izy hoe ho raisiko ny anarany. Mila sahisahy indraindray fa tsy milay mihintsy lay mpanotra.
7. fijo ( 18/05/2004 21:07)
ka izay mantsy ilay efa nolazaiko.raha vao sahy ianao dia mipetraka izy,satria tsy fidiny azy koa anie ny manao an'io e.
8. hendry ( 19/05/2004 15:04)
Misy kosa aloha dia tena mahakivy ny ataon´ny polisy sasany e! misy zanaka polisy fantatro zay fa tena manankarena tsy fidiny ry zareo noho ny asan´ny dadany @ fanorana zay fiara mandeha @ reny route nationale reny. Fa ilay mpamily koa no vendrana indraindray (miala tsiny fa tena zany mihitsy) ny sasany tsinona tsy misy fahadisoana kely akory dia mandrotsaka vola an´ny polisy mba hitsinjovana ny any aoriana hono sao misy fahadisoana dia mba tapina ny mason-dry zalahy.
9. hendry ( 19/05/2004 15:06)
Na zany aza tsy azo hodian-tsy hita fa mba misy ny efa miezaka manao ny asany ara-dalana @ izy reny. Saingy ny ankabeazany dia teren´ny fiainana hono fa kely loatra ny karama ka an @ fanorana sisa no anetseman-dry zareo ny banga.
10. yonikafopl ( 19/05/2004 19:49)
Mba mahagaga ihany izany nefa araka ny henonay dia toa henjehina hono izay tratra manao tsolotra na mandray izany, ka hay ry zokinay izany no tsy mety hanao rehefa misy zavatra mba ilainay maika, fa na eny an-dalam-be kay mbola misy ihany izany
11. fijo ( 19/05/2004 21:29)
tsy foana io raha tsy foana ny fahantrana.ary tsy foana ny fahantrana raha tsy miezaka mitsahatra ny mpanao hotra.
12. yonikafopl ( 20/05/2004 00:39)
dia mihodinkodina eo foana zany ka inona indray moa?
13. tsilan ( 20/05/2004 00:43)
Ny tsolotra sy ny otra dia misy n'aiza n'aiza afa tsy amin'ireo tany tsy manana ny dikan'io voambolana io amin'ny teniny fotsiny angaha.
Saingy mihena ny halehibeny rehefa diovina. Ireo firenena lehibe rehetra eny fa na ny ONU aza dia vao haingana no nampangain'ny Amerikanina fa nandray tsolotra tamin'i Sadam ka izany no tsy nahataitra an-dry zareo tamin'ny resaka Irak. Nikorapaka ny ONU, ary nilaza fa dia aleo aloha jeren'izy samy izy ao an-trano ihany io fa mba tsy hidiran'ny firenena tokana.
Mbola hita eo ny valiny
14. fijo ( 20/05/2004 22:04)
izany hoe samia manao indray izany fa dia mahaiza milalao fotsiny tsy hotratra o.
15. ikaretsaka ( 28/05/2004 21:27)
ka izay ange ilay politikan'ny zanak'olombelona e.. na inona na inona dia mangalangalatra sy mifamelimely foana ary tsy misy fautes raha tsy tsofin arbitre mpitsoka sifflets .. ny kiririokany
16. ikaretsaka ( 28/05/2004 21:28)
ka izay ange ilay politikan'ny zanak'olombelona e.. na inona na inona dia mangalangalatra sy mifamelimely foana ary tsy misy fautes raha tsy tsofin arbitre mpitsoka sifflets .. ny kiririokany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.496