ireo nivadi-pinoana

1. ikaretsaka ( 13/05/2004 03:47)
Maromaro amintsika ny hoe Katolika lasa protestant na protestant lasa katolina na silamo lasa kristyianina na kristianina lasa athe na temoins lasa batista .. na lasa jsosy mamonjy nivadika advantista sns... inona kay no nahatonga anareo nivadika? nisy ady ve tany ampiangonana sa nisy olona nitory teny taminareo tany andalana sa nanara-bady sa nitsirika ilay fiangonana hafa tany dia voasarika tany sa ahoana?
Dia inona no hitanareo hoe Manque tany dia trop loatra ary amin'ilay fiangonanareo vavao?
novalian'i eliana ny 02/08/2004 03:58
2. max ( 13/05/2004 06:22)
raha ny hoe katolika mivadika protesta na mivadika anu*izay de resaka manaraka ny vadiny fa mety tsy nisy fifamaliana izany ok
3. kakalahy ( 13/05/2004 07:57)
Tsy de oe nivadika finoana aloa no tena izy fa nivadika antokom-pivavahana ê! De resaka aim-panahy no tena antony fa tsy misy zavatra hafa loatra. Misy mantsy ny fivavahana mampatory ara-nofo sy ara-panahy.
4. jhouhlambout ( 13/05/2004 08:44)
fahatsapan-tena fa diso lalana angamba?
5. ravatorano ( 13/05/2004 09:41)
m[miala tsiny ry namana fa zà aloha dia tsy hivadika mihtsy an ilay efa finoako.
6. fijo ( 14/05/2004 00:28)
za aloha dia lasa athé satria hitako fa feno fitaka ilay finoana.ary mampandry adrisa fotsiny.ka nialako.
7. mumu ( 14/05/2004 07:36)
amiko andriamanitra iray iany no inoana ! na katolika na protestant na... refa kristianina.
donc tsy mivadika za fa andehanako zay tiko aleha
8. jhouhlambout ( 14/05/2004 08:16)
.... andeha ho aiza?.....
9. mumu ( 14/05/2004 12:42)
jhlouhl : ka efa hoe any amin'izay tiko aleha kou!!
10. yonikafopl ( 16/05/2004 21:39)
ny kristiana nivadika ho athe, na musulman ihany no azo atao hoe mivadika finoana angamba hoy aho fa ny ankoatra izay ilay mivadika antokom-pivavahana @ antsoin'i ramaso.
Izaho koa ry mumu izay mino an"Atra Ray sy zanaka ary Fanahy Masina dia any aho
11. arena ( 17/05/2004 17:54)
zà koa aloha pour an ' i yonikafopl sy mumu e ! rehefa tsy mino an' i Jesosy Kristy zay dé hafahafa e !
12. fijo ( 18/05/2004 22:13)
za zao tsy mino dia hafahafa ahoana ary.io ilay zatra mihinambary ka sa sesefana sakafo hafa aza dia tsy voky raha tsy mihinambary.
za aloha raha misy sipa tiako arahina na catho na protest dia hidirako e.
13. yonikafopl ( 18/05/2004 22:17)
de rehefa azonao ilay sipa vwe ry fijo dia ahoana? hi hi hi hi
14. tsilan ( 19/05/2004 03:41)
Ka raha ho any Ivato ianao ohatra amin'ny ora maha be fiara dia aleo mifindra ainga manaraka ny alalana any Soleil sy Soavimasoandro ary ny Base fa any no aingana na be vovoka aza.
Rha te handihy no te hitomany ohatra mandritry ny fotoam-pivavahana dia mandeha manantona ny Jesosy Mamonjy akaiky anao indrindra.
Raha te hitoloko sy maontina ianao dia tongava amin'ny an-tsasakadiny protestanta.
Raha te ho eo anelanelany dia misy mpiandry raharaha ao amin'ny Katolika.
Aza adino ny rakitra fa misy fanatazana in-dray mandeha fara faha-keliny. Tsy mandray latsaky ny 100 ariary, koa atakalozy mialoha ny volanao
Mazotoa mijery Tompoko
15. fijo ( 19/05/2004 04:25)
rehefa azo dia vita ny fankanesana any ko,aninona any intsony?
16. angie ( 19/05/2004 07:40)
Ny zavatra mahagaga ahy dia amintsika malagasy dia Atra no ambony fa tsy ny fahasamihafa anisan'izany oh ny fisian'ny FFKM izany hoe miray na dia samy manana ny fiangonany. Kanefa aty @ fiangonana katolika romana de tena mitazona sy miziriziry @ heviny mihintsy ry zareo. Ohatra ny vadiko katolika za protestant de araky ny tenin'i papa dia tsy tokony hanome kominio ny hafa finoana ny mopera... nampisy olana taminay zany satria za lasa tsy nety niangona tany @ katolika intsony satria za tsy afaka manao kominio. noho izany dia lasa misaraka izahay rehefa miangona. Nony avy eo nandeha niresaka t@ mopera zahay de nolazaiko azy fa au lieu de mampiray lasa mampisaraka anay ny fiangonana. Izaho alou de efa niteny mihintsy fa tsy hivadika ho katolika tanteraka fa kosa manaja izany aho rehefa tsy raisinareo normale aho dia lasa aho mankany @ fiangonako. Asa any dago raha misy cas tena hoe taorian'iny teny farany nataon'i papa momba ny kominio iny raha nisy olona voa toa anay koa???
17. fijo ( 19/05/2004 22:25)
mahita io mihintsy aho any mada,ary havako no efa voan'io.tao antanimena.tsy nampidiriny fiangonana ilay faty.fa teo amin'ilay tohatra kely hiditra no "namasinina "
18. yonikafopl ( 20/05/2004 00:50)
ouffffffff mbo tsy rariny kosa izany ka
19. fijo ( 20/05/2004 22:57)
zava nisy izany ary niainana ka izay ilay finoana.mampisaraka hoy angie izay,fa tsy mampifanantona.ary io dia ianareo samy mpino no tena mifandrafy sy mifanenjika ary mifankahala ao,fa tsy izahay akory
20. chipie1 ( 21/05/2004 08:00)
andriamanitra iray iany no ivavahana
ka tsy itako oe inona lotra no tokony ivadihana finoana!!!raha kristianina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.293