Raha mamaky ireto fanehom-pinoana ireto aho dia hoy aho hoe

1. tsilan ( 11/05/2004 16:01)
Raha midera sy mpankatoa ilay Nahary ianao dia aza mampidera na midera amin'olona akory, fa aoka ny asanao sy ny ataonao no hohitan'ny rehetra fa tena mivelona aminy tokoa ianao.
Tsy ilaina ny misora-tena, fa ny vorona no miavaka amin'ny volony ary ny voninkazo no avahana amin'ny fofony.
2. oully ( 11/05/2004 18:01)
Sao dia tokony tsy hihira fiderana an'A/tra eo anatrehan'ny olona intsony aza raha ity fomba fihevitry tsilan ity.
3. fijo ( 11/05/2004 23:59)
aza miegza kosa ry oully an.za zao tia hirampivavahana,satria blues,dia mpino ve rafijo????aokalahy.
4. ikaretsaka ( 12/05/2004 04:31)
rehefa miady hevitra @ io dia anontanio ry zalahy ao ambony hoa fa io relativism io ihany
5. librepenseur ( 12/05/2004 07:30)
Ny vérité universelle no tokony karohina fa tsy relation sy rapport, manjary mipetraka ilay antsoina hoe extremisme.

Amiko manokana rehefa hiantso sy hidera fanahy iray dia tsy olana rehefa manaraka ny fombafomba rehetra ahazoana izany. Izany rehetra izany anefa dia tsy midika velively fa izay ataonao irery ihany no mety sy marina tanteraka.

Marina io voalazan'i tsilan io, ary izay no tena atao hoe fahendrena.

Ho an'i oully mantsy raisiny ho fahotana sy heloka toy ny voalaza ao @ baiboly raha vao tsy mitory sy midera amin'ny hafa.
6. tia_ery ( 12/05/2004 13:56)
Ka fiderana an'ilay NAHARY kosa no resahina ka ahoana kosa ary no tsy ndeha hamantarana izay ankasitrahany sy sitraka eo anatrehany.

Zaho kosa manohana an'i Oully ê!

I Tsilan no mila manazava kely ilay fehezan-teniny hoe ''fa aoka ny asanao sy ny ataonao no hohitan'ny rehetra fa tena mivelona aminy tokoa ianao.''

Hatraiza ny hevitra fonosin'io ? sns...

Sôtra ê!
7. fijo ( 12/05/2004 23:31)
mazava be io ry akama an,ny olona manao ny tsara tsy mila milaza hoe za tena hirakandriamanitra fa hitan'ny olona hoazy eny.
8. tsilan ( 13/05/2004 03:00)
tia-ery

misaotra amin'ny fanontaniana. Ny tiana ambara dia betsaka ny olona no milaza fa kristianina, na mpivavaka moa eh. Ary dia mihambo sy misehoseho tokoa fa mpivavaka.
Betsaka ny olona te-hiseho fa mahavita adidy eo amin'ny fiangonana.
Fa toa fisehona fotsiny ireny rehetra ireny. Raha ao am-piangonana fotsiny aza no hadino ny poketranao dia tsy hita ny naka azy. Raha eo an-tokontanim-piangonana moa dia asa fotsiny. Moa tsy kristianina avokoa ny mpiasa birao rehetra eto an-toerana, na ny an-kamaroan'ny eo amin'ny fitondrana, na isika rehetra mpiserasera an? Saingy inona ny 20%, inona ny GVT, sns sy sns.
Ohatra tamin'ny teny nambarako fotsiny ireo ry Tia-ery an
Misaotra betsaka eh
9. tia_ery ( 13/05/2004 06:52)
Ny maha-Kristiana ange tsy midika fa noho ny ASA na ny TOETRA TSARA na koa izay rehetra heverinareo fa izay ilay izy ê!

Isika indraindray no toa zary mitsara ivelany fotsiny fa izay mendrika ny toetrany na koa manana fitondran-tena toa manodoka dia izay ilay izy !!!

Fa inona marina no hevitra fonosin'ity atao hoe KRISTIANA ê ?

IZAHO sy IANAO no tokony hisaina sy hihevitra ny tena lanjan'io teny io, fa raha tsy diso ny fitadidiko dia in-TELO ihany io teny hoe Kristiana io no miverina ao anatin'ny Soratra Masina.

Sôtra ê!

10. xxx ( 13/05/2004 12:02)
amiko tsy hilaina ny mieboebo fa nahavita anzao sy izao fa anao sy Andriamanitra zany !sinon lasa fireharehana de mivadika zavatra hafa e, mahagaga nefa fa misy olona sasany mievitra fa ny fanaovany anzao sy izao no tena izy na ny fitondrany zao fikambanana isankarazany izao sy ny fisehoana maro samy hafa no tena izy !de raf tsy mitondra intsony izy de lasa manenjika indray! mampalahelo an!?
11. fijo ( 14/05/2004 00:32)
ny kristianina anie ka izay mino sy manaraka an'dralavavolo e.izany hoe izay nino an'andriamanitra talohan'ny nisian'ni lery izany dia tsy izy?????
12. tsilan ( 04/06/2004 18:04)
Nga tsy tonga tamin'ilay ahiahintsika ity no niafarany hoe manao filazam-pinoana ny eny avaratra, ary mampidera Atra ny eny atsimo. Mitotoka Zanahary ny atsinanana, ary mampireondreona Jesosy ny avy andrefana. Fa maninona? Samy te hampiseho fa ny toaviny no tsara indrindra sy mendrika indrindra. Ary Samy te hisarika olona.
Fa hisarika olona haninona?
Raha te hisarika olona ianao dia miasa fa ny asa ataonao no anarahanay anao. Raha misy mpivarotra saribao nahafaty vola an-tapitrisa tao amin'ny herin-taona. Dia jereo fa hangana fivarotan-tsaribao daholo ny elakelan-trano. Tsy nila nanao propagandy ilay mpivarotra saribao fa ny asa nataony no nanarahan'ny olona azy.
Toy izany koa ireny mpiasa isan-karazany ireny.
Gaga anao aho hoy aho Raolombelona an
13. ikaretsaka ( 04/06/2004 22:02)
ka ny talohan'i lery ange nino an-dralavavolo ihany e.. sy nanambara ny fahatongavany ry be volombava sasany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0789