Miara-monina

41. miara ( 26/05/2004 16:44)
Lasalasa le xxx fa tsy hoe niafina ary mbola naveriko tao @ lohahevitra racisme arany lay définition ny racisme.jereo ihany sao de mahasoa
42. fijo ( 26/05/2004 23:33)
peluche>raha nanaraka ahy hatrany amboalohany ianao dia nilaza mazava aho,fa ny lalana no hovana hanesorana azy ireo.tsy nilaza mihintsy aho hoe esory be fahatany tsy aradalana izy.fa hovana ny lalana mba ahafahana manala azy.ohatra.jerena ny zavatra be ataon'ireo karana ireo dia mamoaka lalana ianao fa tsy misy VAHINY mahazo manao an'iny fa tsy maintsy ny teratany ihany no mahazo manao azy.mety hisy fotsy na sinoa tafiditra ao,fa tsy koi izany.
43. peluche ( 27/05/2004 10:29)
Fa hay moa zany ny lalana afaka ovaina refa tsy mifanaraka @ sitrapon'ny tena?oemo ohatra mazava ary hoe inona no heverin'i fijo tokony hatao @ zany lalana zany ohatra?Fa ny karana matetika dia efa génération ela no mipetraka aty madagscar dikan'izany izy manana zo mitovy @ teratany malagasy ihany,hafa tsy hoe ny lalana koa no hanavakavaka ny olona @ alalan'ny fiaviany sy ny lokony sy ny finoany.
44. fijo ( 27/05/2004 22:15)
peluche,ny fahazoana nationalite dia misy fototra roa
_avy amin'ny ra
_avy amin'ny tany nahaterahana.
1)avy amin'ny ra ,izany hoe olona manana ra avy amin'io tany io.oh;frantsay tena frantsay hatrany amboalohany.

2)avy amin'ny tany nahaterahana,izay teraka tao amin'io toerana io dia mahazo ny zompirenena ao.

aty frantsa dia ahazoana zompirenena frantsay ireo "cas" roa ireo,fa any mada dia mbola ny zo avy amin'ny ra ihany no ahazoana ny zompirenena gasy.izany hoe ny karana ,sinoa,vazaha,na nipetraka zato taona tany dia tsy mizaka ny zompirenena gasy raha tsy mangataka,ary nokena.(antony eco)
45. fijo ( 27/05/2004 22:22)
io tsy mila hovana fa dia avela amin'io ihany.
hoy ianao,hafaka hovana arakaraky ny hilana azy ve ny lalana?eny,azo hovana tokoa,ary raha mila ohatra akaiky iano,dia jereo ny any Italie.sy ny eto frantsa.

ka noho izany dia mora ny manova an'io mba ahafahana manala ireo mpambotry gasy ireo.ary atao ampitsikiana izany,fa tsy ankatezerana.
oh/tsy mahazo manana tany ny vahiny.(lalana tany mada taloha io)ary neken'ny gasy tsara
dia azo atao koa ny hoe tsy mahazo manao transport hafa tsy ny gasy.maro no hazo hovana hanamora io tanjona io.
ampitsikiana daholo no hanaovako izany raha ilaina.
46. peluche ( 28/05/2004 13:21)
Tsy mahay momba ny lalana tsara aho fa ny tsy azo lavina angamba dia efa generation maro matetika ny karana no aty madagscar,fa raha arakin'ny lazain'i fijo zany dia tsy manana citoyen malagsy izy reo.Zany hoe na dia efa ela sahla amin'inona ary izy no aty madagscar de tsisy zavatra natao mba hiintegrena an'azy aty madagascar mitsy na kely aza.I fijo miresaka momba an'ny france sy italie zany:inona moa ny anisan'ny olana any-tsy ny jeune étranger zay hatao hoe mahery setra sns,inona ny antony?satria tsy intégré ry zareo.@ manaraka tohizana momba ny politika protectionniste zay heritreretin'i fijo hoe vahaolana momba an'i madagscar
47. peluche ( 03/06/2004 10:43)
Ny lalanan'i fijo zany dia hovaina hono hatao zay mahabe-tombotsoan'ny gasy...Gasy iza nefa?ny manan-karena,ny tantsaha,ny entreprise malagasy:ho an'iza nefa ilay tombotsoa avy eo?tsy holasan'ny chef d'entreprise malgache fotsiny-nga ny vahoka malagasy hahita tombotsoa akory?Dikan'izany lalana miharo ny tombotsoan'ny sasany,manao fankavahana ohatran'izany vao maika holoza ho an'ny malagasy.Sady madagacsar mila mifanerasera @ ny vahiny mba hahita ny teknika vaovao zany akory tsy hanakana azy hanavao,hamorona teknika hafa koa,mila mampiroborobo ny hidiran'ny "investissement étranger" zay manome fond sy technique vaovao.
48. peluche ( 03/06/2004 10:49)
Raha mafy orona tsara ny lalana,tsy voavidim-bola ny mpanao lalana,ny any @ birao sns-zay ilay fanamboarana avy ao anaty,tsy hisy fanavakavahana ny gasy sy ny vazaha ao @ entreprise,n'aiza n'aiza,zay ilay lalana tsy manavaka volon-koditra ,fiavina ,finoana fa n'iza n'iza mivona de voasazy.Ary zay mahampitombo ny tombotsoan'ny rehetra fa tsy ny sasany fotsiny.
49. fijo ( 03/06/2004 23:01)
peluche an izany lazainao izany dia tafiditra amin'ilay hoe nofy.tsy misy tsy manao io poloita fiarovana ny azy io.ary ny lalana no hovana hifanaraka aminy.ary sahako ny milaza eto,fa na sanatria aza mahazo nasionalite gasy ireo karazan'olona ireo,dia tsy ahay hiaraka amin'ny gasy mihintsy satria hafa ny fombany.
50. fijo ( 03/06/2004 23:04)
ireo lalana nazavaiko tery ambony ireo dia tsy za no nanao azy fa efa tamin'ny fahaleovan tena ireo.
ary ity fanontanianao hoe "ka raha atao izany dia ny gasy mpanana ihany no ahazo tombony"
mampalahelo fa aleonao izany ny vahiny ihany no hanjaka amin'ny harena eto.rariny ianao raha hiaro azy ireo satria efa tena fohinao kay izany na ny taninao aza raha hoalain'izy ireo.soa fa tsy maro ny toa anao.
51. fijo ( 03/06/2004 23:09)
marina fa mila mifandray amin'ny hafa isika.fa tsy ny fanomezana azy ny tanin'ny tena akory no fomba tsara hifandraisana aminy.tsaratsara kokoa ny manafatra mpampianatra avy aty na mandefa mpianatra aty dia hita tekinika io.jereo ny fandrobana ataon'ireo karana ireo ny harena ankibon'ny tany any amintsika.aminao ireny dia zavatra tsara sy azo hekena tokoa.????
io dia tokony hoferana hoan'ny gasy ihany ni fitrandrahana azy.
52. tsilan ( 04/06/2004 17:34)
Fijo
Efa henonao ve hoe nomena ny Sinoa koa hono ny fitobian'ny Taksy Borosy eny Nosibe, ka tsy afaka miverina eny intsony izy ireo.
Tena mahavariana satria ny nanesorana azy ireo teny dia hoa amboarina io fitobiana io. Nefa toa lasa zavatra hafa indray nony avy eo
53. peluche ( 07/06/2004 13:16)
fijo."ny ressource naturelle" dia tokony ho an'ny malagasy rehetra,tsy ho an'ny karana manokana na ny sinoa na ny vazaha,na ny gasy manam-bola,izay no tokony hidiran'ny fanjakana hanara-maso ny fitrandrahana an'izy ireo.Hay moa ny an'i fijo lalana hiarovana ny gasy mana-karena ihany fa tsy ho an'ny tombotsoan'ny be sy ny maro(ny gasy rehetra),mba hanafongoronana ny karana ,lalana hentin'ny fo tarintin' ny tsy fitiavana ny karana.
tsilan raha misy ny fanamboarana tsara avy ao anaty,lalana mafy orina tsy hovoavidin'ny sinoa @ izao fotsiny ny fitobian'ny taksibroussy izany.
fa raha ohatra kosa ka hafahana mitrandraka an'ilay tanana tsara izany,ary tsy hotombotsoan'ny sinoa ihany fa holasa tombotsoa maharitra hoa'ny vahoka.inona moa ny olana?ny fantaniana mipetraka koa hoe nahita solution ve ho an'ireo taksi brousy sa nendahina fotsiny ireo.
54. fijo ( 08/06/2004 00:12)
tsilan>tsy mbola neheno izany aho,fa raha toa ka izany no marina dia efa lasa varotra tanindrazana izy ity.
peluche>ny fiarovana ny gasy,tsy resaka hoe gasy manana ihany.marina fa ny manana no hafaka hampiasa ny volany.fa mba mino kosa aho fa tsy ny gasy no hametraka ny volany aty ampita raha manana izy.fa ireo vahiny ireo raha izy no mitrandraka io harena io,dia vola mivoaka izay,ary tsy hitanao intsony iny fa aty dia bye.lany ny harenao dia bye koa ianao.
55. peluche ( 08/06/2004 12:38)
Nahona no voatery hoe hivoka raha hotrandrahan'ny vahiny?Raha misy ny lalana mafy oriny,tsy voavidim-bola ny gasy miara-miasa @ vazaha tsy afaka hivona,hanao baranahan'ny vahiny eto Madagascar.raha resaka tany lasan'ny sinoa zany,anjaran'ny fanjakana no mametra,manisy lalana miaro ny haren-tany malagasy,mba hotombotsoan'ny rehetra satria harena ny rehetra.
Fa raha misy kosa ny hevitra hafahana mitrandraka an'izany ka assurena tsara hoe hotombotsoan'ny malagasy tsy an-kanavaka,inona moa ny olana na sinoa na karana no hitrandraka azy?Ny tombotsoa azo no jerena raha betsaka noho ny voka-dratsy.Zay no tokony hahamafy orina ny lalana,hanarahan'ny fanjakana maso tsara ny fandehany.
56. fijo ( 09/06/2004 00:39)
io voalazanao voalohany io aloha dia,na ianao aza dia ahatsapa fa mbola nofy io.""lalana mafy orina sns"tsy ny lalana no ratsy ao,fa ny fampiarana azy no 0.vokany hatramin'izao dia vola mody aty izay ampiasain'ny vahiny any.
ny fitrandrahana ny vokatra ntsika dia tokony isika aloha no ahazo vahana,rehefa matanjaka isika vao sokafana hifaninana amin'ny hafa.fa raha tsy izany dia lasa fagositozy ao isika.
57. peluche ( 09/06/2004 17:43)
ka rehefa lalna tsy afaka hampiarina,lalana tsy mamokatra-tsisy vokany anie zany.
fa ny fahazoako ny an'i fijo zany dia lalana mitongilana ho an'ny entreprise gasy-tsy hampisy concurrence eo @ marché malagasy,rehefa tsisy ny concurrence dia midaingana ny vidin-javatra-tsy hotombotsoa ho an'ny malagasy rehetra mihitsy zany fa ho an'ilay tompon'ilay entreprise ihany(izany hoe ilay malagasy afaka manangana entreprise),fa zany akory tsy milaza hoe hatao baranahny ny fidiran'ny any ivelany,misy lalana zay tokony hampiarina,tsy hanavahana an'iza na aiza.@ zay tombotsoa ho an'ny rehetra fa tsy ho an'ny sasasny ihany.
58. fijo ( 11/06/2004 00:29)
amin'ny tany toa antsika izao dia azo atao tsara ny miaro ny orinasa gasy tsy hofaty.jereo ny nataon'ny france tamin'ny alstom.rehefa hitanao fa tsy mitovy ny hery hifaninanan'ny orin'asa eo antoerana sy ny vahiny dia azonao ampiana ny eo an toerana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2737