tandremo zany kilalao Yo-Yo zany

1. kitjo ( 07/05/2004 10:19)
Niteraka resabe teto an-drenivohitra tokoa hatry ny omaly, taorian’ny namoahana an-gazety nataon’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny « bureau Veritas » (orinasa nanara-maso ny fampidiran’entana teto amintsika taloha), ilay kilalaon-jaza Yo-yo izay voalaza fa mampidi-doza noho ilay ranon-javatra ao aminy. Raha tsorina ny resaka dia eo amin’ny sehatry ny fampidiran’entana avy any ivelany mihitsy no tian’ny maro soritana amin’izany ary ny Fanjakana avy hatrany no nahazo fanakianana tamin’izany. « Tsy misy fandraisan’andraikitra, hoy ny sasany, tsy misy fanaraha-maso, fa dia baranahiny tsotr’izao … ». Manahy ny rehetra, fa raha toy izao no fandehany dia ataon’ireo vahiny sasany ho toerana « fanariam-pako » ny eto amintsika. Voalaza tao anatin’ilay fanazavana mantsy fa noranana tsy nahazo niditra tany Etazonia sy Amerika atsimo ireny kilalao ireny, ary dia izao natodi-doha nampidirina eto Madagasikara izao. Ny fako eo ihany, fa ny angano dia ity poizina aterak’ilay ranon-javatra ao anatiny ity. « Asa koa izy io, hoy ny fimenomenonan’ireo ray aman-dreny maro, raha endrika an-kolaka entina hanariana zavatra simika ». Dia tsy fantatra intsony fa efa tafiditra ary nolalaovin’ny ankizy marobe tokoa, satria nanintona azy ireo fatratra ny endriny sy ny toetrany mizozotra sy mievotrevotra.
Eo anatrehan’izany, satria tsy tongatonga ho azy teto ireny, dia mitaky ny fanaovana fanadihadiana sy famotorana lalina mikasika ny fidiran’ireny kilalao ireny ny rehetra. Marina fa malalaka ny fampidiran’entana eto amintsika, fa tsy midika kosa izany ho fampidirana izao « fatin-javatra » rehetra izao. Voalaza mantsy fa aretin-kibo mahatsiravina toy ny « choléra » mihitsy no aterak’ilay ranon-javatra ao anatin’ireny kilalaoYo-yo ireny.

Ts za no mandainga ra diso io fa ny gazety l"express
novalian'i kitjo ny 11/05/2004 18:57
2. ravatorano ( 07/05/2004 11:19)
fa mbola nisy nivarotra ihany ireny omaly teny Anosibe fa nifanenjehan ny olona wà
Zé nanana aloha toa nanary ny azy tany andavaka dhl e soa ihany fa nisy nampilaza mialoha fa efa saika nanana avokoa ny isan trano
3. cherri ( 07/05/2004 12:16)
Tokony havoaka haingana ny marina momba an'io : ny SGS ve no tsy nanao ny asany sa ny douanne no be tsolotra nampiditra azy antsokosoko teto raha izao no mitohy de ho zôridiran'ny sasany ity tanindrazana malalantsika ity
4. samoina ( 07/05/2004 12:53)
Avelao any rankizy izany yo-yo mamono izany fa avoahy ny tamaboho sy ny tandrimogasin-tsika a !
5. ikaretsaka ( 07/05/2004 17:18)
marina mihisty izany.. tokony asiana mpanamboatra kilalao vita gasy ireny kao ange any amintsika hoe tsy ilay asa gasy sara raha vita an.. fa ilay tena izy mihitsy .. dia ireny ohatra hoe kalesa roulements, sns ireny no atao tsara sady takatry ny olona
6. kitjo ( 08/05/2004 02:57)
eny oaaaa, taloha ary manao tobil kely @ tahona bararata na tahonkatsaka
mamandrika vorona le @ raketa reny,
bandy sy role, ravitsilihy, kalesa, balaplesy....

tena ra za aloha no mifidy aleoko iany reny e, zao v rangah ny ankizy ts mahay anzany fa tefen ol @ playst sy Xbox, tsy ratsy reny fa na zany aza.....

Zao ndray moa mahita ze andefsan olona poizina

Ary tsy zany iany ange fa mety efa betsaka ny entana oh znay ao e, na reny biski amidy mora importe reny aza mety efa lany date, mayonnaise, frmage, ronono mandry... reo aloha no betsak matetika oe entana efa lany daty d alefa any amitsika
7. angie ( 11/05/2004 10:59)
Tena marina daholo ireo ry zareo a. Na taty Italie koa aza dia naorina daholo ireny kilalao ireny fa voalaza fa nisy poizina.
Ny mahavoa ny any Dago dia misy kilalao tsara vita gasy fa lafo be ary natao ho an'ny touriste fotsiny. ny sakafo sy ny akanjo ndray de na sinoa na lany daty satria ireny no mora. Ny mahatonga izany rehetra izany dia ny tsy fisian'ny mpanaramaso mahafehy izany asa izany ary manaja ny éthique morale...Mbola mafy ny ady zareo fa mahereza daholo a.
8. kitjo ( 11/05/2004 13:19)
Io mitsy mahavoa antsika, ra misy zvt vita ao antoerana ka tsara d atao lafo be d ho an vazaha mizaha tany, tsy fatan gasy akory ny fisiany

Sad efa simba ko le toetsaina vao oe vita gasy d ratsy moa milay satria avy any andafy,tttsss
9. kitjo ( 11/05/2004 14:03)
Nivaly ny fizahana nataon Institut Pasteur d voamarina ireo karazana poizina @ Yoyoy zany ee,
tandremo ny zaza sy ny reny inddra2

Ho an'iza liana vakio gazety Midi fa tao nahitako azy androany

http://www.midi-madagasikara.mg/
misy archives ao raha tara enao
10. jhouhlambout ( 11/05/2004 18:48)
grave be zany le
11. kitjo ( 11/05/2004 18:57)
Manin tsy tadiavina ze nampiditra anzany tany d gadraina any fa ttssss
na izy no ampidirina hopitaly!!!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1265