kolontsaina herin'ny firenena iray

1. fijo ( 06/05/2004 23:59)
raha mandinika isika dia mahita fa na matanjaka toa inona aza ny amerikanina sy ny europeanina dia tsy naharesy an'ny vietnam,tsy nahafehy an'ny inde,lasa gaigy koa izao ao irak,ary dia mitady foana an'ny japana.tao mogadisio moa dia niala menatra ny bekintana.taty madagasikara kosa vao tonga ny vahiny avy dia nanjaka ary dia nametraka ny kolontsiny.
raha jerena ny zavatra hiraisan'ireo tany tsy nety voafehy ireo dia ny kolontsainy no tsy nety voazanaka mihintsy,hany ka tsy nahafahana nifehy azy.
isika kosa dia io no nariantsika voalohany ary dia hatramin'izao ny vokany.
mba homeo ary re ny hevitsika hialana amin'io.
novalian'i mimich ny 29/06/2004 11:20
2. miara ( 07/05/2004 09:20)
Fa inona ilay kolontsaina,tian'i fijo lazaina,ny finona, ny fomban-drazana,ny fomba fisainana ve?
Ny inde ohatra vozanaky ny britannique ,raha momba ny irak ndray tsy mahaga ny amerikana raha tsy mahavofehy satria manao didin-jadona,arrogant lotra,hoy i bush hoe war president izy ka tsy tokony hogaga raha hamaly koa ny arabo hoe alefaso ary ny "war".Raha ampifandraisana @ gasikara afaka manome ohatra mazava ve i fijo hoe inona ary ny kolontsaina tokony notazomin'ny gasy mba tsy hahavojanakan'azy ntsony?
3. ravatorano ( 07/05/2004 10:43)
nony tonga teto zany ny mpanjnaka dia natao indrindra izay nampidirana ny toetsaiana frantsay aloha voalohany indrindra ary dia nanaraka ho azy ny fomba amampanaon dry zareo.Ny kolotsaina frantsay aloha tsy dia hitako mibahana loatra eto amitsika fa ny rivotra entin izanyizay vokatry ny fanjanahantsaian noraisintsika no tsapako fa mihamisongadina izao.
Ohatra ny resaka hira fotsiny : ny rap,hip hop,ny rn'b anie no tena bàkira malaza sy ankafizin ny tanora e.Raha vao miresaka zavatra hafa ianao defa tara be zany , nareo efa zokinibe,efa net ne zao nolalaovina fa tsy timbre tsotry é !
Zà akory tsy milaza fa diso ny maka tahaka ny kolotsiana vahiny , saingy raha hanariana ny an ny tena kosa tena disoko lavitra tokoa .
Izao koa raha manao ireny fomba nentim paharazana ireny ianao dia lazaina fa manompo sampy , ny eny amin ny bas kartié no manao an ireny é fa fomba taraiky be ireny é (fakana rano mahery sy fary ary fitondrana izany alohan ny androm pamorana ny ankizilahy eto Tanà)
Fandanianiam poana e ...sns...
Ka asana ramalagasy na hifikitra amin ny an ny sasany ianao dia ho very tanteraka ny soatoavina navelan ireo razam benao
4. xxx ( 07/05/2004 18:52)
marina fa misy trace-ny kolon-tsaina.Ity misy cas anakiray:raha oharina ohatra etas-unis sy mexique de pays anakiroa samy voazanaka etas-unis vozanaky ny anglisy,ary ny mexique vozanaky ny espagnol...de hita fa samihafa be ny fiovaran'ireo pays reo,etas-unis zao lasa 1ere puissance,mexique mivaryngadina.De avy eo moa ry zareo avy eo samy nahazo faleovan-tena,de nefa mbola manana fona usa ary mexique mahantra fona
5. miara ( 07/05/2004 19:00)
mipetraka ary ny fantaniana hoe fa naninona sns...de araky ny tantara de hita fa tao usa,nisy karazana colonie anankiroa,ny iray pilgrin nipetraka tany @ ouest zay milaza ny tenany fa protestant,tsy miankina @ ny couronne britannique,manana ny methode famboleny sns..-ary le colonie tany @ est miankina @ britanique,manaraka ny politika sy ny système anglais rehetra.
Fa avy eo nisy ny ady de resy ny est,ka lasa le systeme vaovao tao pilgrin zay tsy miankina @ couronne britanique ntsony no nanpiasainy usa.
Raha ohatra hono zany usa ka mbola nitazona ny système britannique dia niafara otrany mexique koa
6. miara ( 07/05/2004 19:03)
Raha hampiarina @ gasikara zany dia tokony hanavao système hafa mihitsy zay mifanaraka @ toe-kareny,toe-tsainy fa tsy hanarakam-bokony fona ny système napetraky ny frantsay zay efa lany andro.
7. fijo ( 11/05/2004 00:15)
ilay kolontsaina tiako lazaina dia ilay maha gasy antsika mihintsy.finoana,fomba amam panao,fisainana.za tsy manda fa voazanbaka i inde,fa nolazaiko fa tsy voafehy izy satria tsy nanary ny momba azy.ny arabo koa toa izany.afganistan moa dia lasa gaigy izay nanandrana najanaka rehetra tao.hatramin'izao.
8. mabloo ( 25/06/2004 10:27)
raha any ambanivohitra sy any amin'ny cote mbola hita taratra ny mahagasy antsika fa aty am ville lo kely ny finoako!!
9. mcfy ( 25/06/2004 13:32)
k ny any amabanivohitra nge sisa izao no dago sy malagasy e! rah ts'zany v efa misy milaza hoe : maika b ho any berlin aho lesy fa refa miverina miresaka (ho any Behoririka nefa izy @ io), texas city mo @ zany efa tsy lazaina intsony ny lazany.
10. mimich ( 29/06/2004 11:20)
araka ny hevitro manokana dia tena tokony ho tranndrahana ifotony ny kolotsaina sy ny fomba amam-panao malagasy fa io no maha firenena ny firenena iray, izany akory tsy midika hoe miverina ny faha mpanjaka sns , fa jerena ilay fototra sy ilay soa toavina ao anatin'ireo fomba malagasy dia iireny ny no trandrahana sy atao izay hampifanaraka azy @ vanim-potoana iainana. raha raisina oh fotsiny ny japoney, hainy ny mampifanaraka ny fandrosoany sy ny fomba amam-panaony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2821