MAMPIARAKA

1. aladin ( 04/05/2004 15:18)
ho anareo efa nampiaraka inona no souvenir tena tsy afaka ao an-tsainareo sy ao am-ponareo indrindra?(tsy tafiditra ao alou ny resaka sex an!)
Nenah 'zao de tratran'ny orana tany ankodaoda be andro arivariva amin'ny 5ora sy sasany any.De tsy nahatsiaro izay hatsiaka nody na de lena sy kotsa aza.
novalian'i fijo ny 11/05/2004 21:28
2. ikaretsaka ( 04/05/2004 16:44)
ilay very koa ko.. mandeha tany tsy fantatra dia very hono tena aventure be.. tsy za aloha e.. za karetsaka dia tsy very izany
3. yonikafopl ( 04/05/2004 17:02)
ilay tratran'i ranadahy nefa mba efa nanafina ery no tena gaigy kou!
4. aladin ( 04/05/2004 18:35)
fa refa le mampiaraka marina de ambiance be e?fa tadidiko t@zay fa efa taraiky koa izahay 2 vô nahita taxibe le mialoka eo de toa tsy mahare izay atsiaka.hihihi
5. fijo ( 04/05/2004 22:00)
nanatitra tery ankadilalana dia nilatsaka tao anaty dal eo ambanin'ny tohatra mankeny andohalo.
6. aladin ( 05/05/2004 04:24)
fijo>elah sa izy?
7. mumu ( 05/05/2004 07:42)
nena ilay miaraka mikaly de mifamahana hmmm hihihi
8. jhouhlambout ( 05/05/2004 08:00)
tratran' i n° 2 teny an-dalana dia mody fanina!
9. hendry ( 05/05/2004 08:48)
Nampiaraka teny @ faritr´Akatso, hay ny manodidina ny campus iny hono tsy azo ampiarahana. Ilay tiana ambara eto tsy hoe mandalo fotsiny fa nipetraka dia nampiaraka e! Tratran´ny securité (mpiambina ny manodidina ny campus) dia saika tsy amelan´ ilay mpiambina raha tsy miakatra any @ responsable hono. Raha ny tena marina kay nitady vola izy, notazominy adin´iray mahery teo zahay.
10. cherri ( 05/05/2004 09:06)
ny ahy loza fa ilay nipetrapetraka iny fa nisy tanalahy maramara be nandady teo @ patalohako fa nahavita niteny ratsy be aho nefa le bandy kay hoy ianreo Mpiandry !!!!!!dia inona fa tsy lasa fitorianteny ilay fampiarahana
11. alz ( 05/05/2004 09:09)
Mahay mampimé enao cherri.
!!!!!!!!!!!!
12. aladin ( 05/05/2004 10:06)
cherri>hahaha!
13. jhouhlambout ( 05/05/2004 17:47)
cherriiii ..... hoy ilay hira izay!
14. ikaretsaka ( 05/05/2004 22:01)
marina mihitsy kos any an'i cherri io sady mpiseho
15. fijo ( 05/05/2004 23:25)
aladin>za no tafatsoropaka tao,soa ihany fa tsy ny tongotro roa
16. fijo ( 05/05/2004 23:33)
hendry tamin'ny taona firy izany,ary taiza fa za koa efa tratra teo amin'ilay vato ery ambanimbany akaikin'ny tanimbary ery.sao isika ilay izy.saika nodarohako ilay rangahy tamin'izay.année 80 na 82.
17. vatosoa ( 06/05/2004 07:30)
Avy ny orana tamin'izay, teo amin'ny valo ora halina teo. Izahay ao anaty automobile mafana tsara, eny amin'ny ville haute ao Tana, mihinana frites dia mihaino Shania Twain dia mijery an'Antananarivo mirehitra jiro. C'était romantique.
18. donemaskit ( 06/05/2004 07:54)
nandeha nanao shopping tany @ Cora Zoom, nandritra ny adiny maromaro, nefa tsy dia nahita hovidiana akory !! Ny nampilay an'izay andro zay dia ilay mankao @ cabine d'essayage ! haha ! "Ty hoe andramo?" Dia lasa zay mitsam miara-mankao... voatery nividy ihany avy eo manjary hoainina bé @ ilay mpivarotra ! ah ! nahafinaritra iny lé !
19. aladin ( 06/05/2004 19:25)
vatosoa> waw!sady le mangina be ve amnio?
20. fijo ( 06/05/2004 22:04)
asiana daina kely koa eo dia tena milay be.ih,ih,ih,vazivazy io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1943