Vadin-joky kilalaon-jandry

1. samoina ( 30/04/2004 13:22)
Inona no tena tiana ambara amin'io fa tsy azoko loatra. Ahoana ny handraisanareo azy ?
2. jhouhlambout ( 30/04/2004 13:45)
Avelao ny zandry mba hanandrana ny vadiny zoky e! sady araky ny fomba fiteny malagasy dia: valala iray aza hono ifanapahana, hihihi.
3. ikaretsaka ( 30/04/2004 14:06)
valala 1 hifanapahana.. ilay sens contraire koa mety
4. leral ( 30/04/2004 14:20)
Fanararaotana daholo izany rehetra izany dia ahitana alaolana fotsiny satria tratra de vadin-joky a hoe ...
5. voninkazokely ( 30/04/2004 17:36)
Ka hoe ny vadin'ny zoky izany lalaovin'ny zandry koo
6. ramoul ( 30/04/2004 20:14)
de ra le zandry ndray no lasa vadiny tampoka de aôna zany klé? tsy maina eo ndray zoky?
7. samoina ( 01/05/2004 03:42)
Amiko dia mba resaka fihantahantana kosa angamba no tiana lazaina @ io fa tsy izay eritreritry ny maro izay. Satria raha ny fanajan'ny malagasy ny zoky no dinihina ( cf lohahevitra momba io ) dia fihetsika mamoa-fady izany milalao vadin-joky izany. Asa re !
8. ikaretsaka ( 01/05/2004 13:37)
Saropiaro @ zandriny indray Rasamoina dia mody hoe... eo.. hi hi hi. Fa ny anton'io dia hoe ilay zoky matetika no mampianatra sy manoro ilay zandry ny lalanan'ny fiainana dia izay ataon'ilay zoky no ianaran'ny zandry..
Tsy azo vadiana anefa ny olona mabnambady fa dia atao kilalao fotsiny izany
9. hendry ( 03/05/2004 18:06)
Rehefa tsy eo zoky dia eo zandry misolo toerana azy. Tsy raisina @ lafiny ratsy ilay izy fa misy tokoa anie ny hoe maty ilay zoky dia lasan´ilay zandry ilay vadiny e! Raha zaho aloha tsy tiako e! saingy efa misimisy ihany ny olona hitako ohatr´zany. Satria ilay zandry hono efa zatra tsara ilay vadin´ny zoky, raha misy ankizy koa moa dia hoe mba tsy manavao ny ankizy ilay zandry.
10. fijo ( 03/05/2004 23:52)
ny nahatonga an'io dia nisy ny atao hoe "loloha"tamin'ny fanambadiana gasy taloha.izany hoe raha maty ilay zoky lahy,dia raisin'ilay zandry ho adidy ny fianakaviany,dia lasa vadiny ao koa izany ilay vadiny.izay no hilazana mialoha rehefa mangatabady hoe:"izahay dia tsy mahazaka loloha"izany hoe raha maty ilay zanakay lahy dia miverina aty aminareo rakala,fa tsy adidin'ilay zandry.
11. samoina ( 04/05/2004 06:51)
Misaotra anareo ary misaotra manokana an-drafijo fa nahazo fahalalàna vaovao indray ny tenako. Mbola tsy nandre io "loloha" io mihintsy ny sofiko anefa mba nihevi-tena ho zanak'antitra ihany. hi!hi!
12. fijo ( 05/05/2004 04:37)
ka izay no hiseraserana eto ko.misy zavatra tsy fantatra nefa dia tena tokony hampianarina ny taranaka dia ny namana sasany no manoro azy.
13. jhouhlambout ( 06/05/2004 07:02)
ary ahoana indray ny momban'ny vadin-jandry?
14. kitjo ( 08/05/2004 03:20)
ieee, marina mitsy io fanazavan fijo io, le kilalao tsinona tsy oe kilalao oe sady vadian zoky no lalaovin zandry, fa oe efa ampaahfantarina le zandry aby oe aona ny andraikiny manoloaana an io sns...

ikaretsaka>ny anao zany avelanao lalaovin zandrinao?hi hihhhi

jhoul> vadin lahimatoa kilalaon lahiaivo,vadin lahiaivo kilalaon ze manaraka eo.......ny farany kilalaon faralahy aby ny vadin zokiny rehetra
15. pitchou ( 10/05/2004 17:34)
mety koa hisy an'ity hevitra ity: rehefa manambady ny gasy dia tsy olona iray no alainy fa ny fianakaviana manontolo no alainy ho fianakaviana, ary manefa didy mhoatra lavitra noho ny zanaka nateraka ny vinanto (na lahy na vavy) ka anisan'ny imasoany ny iray tampo @ vadiny (na lahy io na vavy) indrindra fa ny zandry izay mbola mila fitaizana. Io maha vaovao azy io no matetika hanararaotan'ny zandry isany ihantana aminy ka izay tsy azony any @ RAD dia ilay zaodahy na zaobavy no angatahany azy! raha maha-marika ianao matetika tokoa ny zaodahy mampihanta ny zaobavy keliny, tsy misy eritreri-dratsy io an!
16. jhouhlambout ( 10/05/2004 17:41)
17. fijo ( 10/05/2004 23:25)
aza mampiady olona ry tsaramaso an.
io loloha io no tena nahatonga ilay fitenenana ka.
18. kitjo ( 13/05/2004 18:57)
fijo> iza no hiady?ihhihiihhi

ramaso> miara-milalao ngamba zareo oh oe manao rafanenjika,lolllll fa tsy izy no lalaovina
19. fijo ( 14/05/2004 00:17)
ankiafina izany ny kilalaondry zareo e.ih,ih,ih
20. kitjo ( 14/05/2004 07:02)
d le zandry no boka,ihih, sa le zoky, sa karetsaka d zze hitany mialoha,hiihhi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2056