Vadin-joky kilalaon-jandry

21. petaka ( 16/05/2004 09:34)
O ry zareo a! aza alefa lavitra
22. petaka ( 16/05/2004 09:44)
o ry zareo a! aza alefa lavitra ny sainareo, na ny marina koakoa dia hoe alalino ny fomba malagasy, ampiako kely fotsiny ny filazan'i fijo fa io no marina. Ny ohabolana feno dia hoe "Ny vadin-joky, lolohan-jandry". Izany teo amin'ny fomba malagasy(indrindra ny eo afovoan-tany) dia rehefa mangatam-bady, amin'ny fangataham-bady iny dia resahina io "loloha". Ka ifanarahana raha ahazaka na hitondra na tsia ilay "loloha" ilay hanambady, ka rehefa maty ilay zokiny dia raisin'ilay zandry adidy ny fikarakarana ny vady aman-janakan'ny maty. Tsy mùisy resaka vady io fa adidy lolohaviny. Enta-mavesatra, tsy zaka lolohavina io ho an'ny sasany laviny dieny mialoha. mety hisy anefa noho ny fifaneraserana, mifankatia ilay olona dia mety ho lasa vady kely na vady masay ilay zandry (fahotàna izany ho an'ny monogame).Misy aza any amin'ny faritany (Sakalava ohatra) raha sanatria maty tanora ilay zokilahy dia tonga vadin'ilay zandrilahy ilay Ramatoa satria lolohany ny taranany. Misy lafiny ratsy sy tsara izany e! Atreho aloha fa mbola betsaka ny fomba sy ny filozofia malagasy tokony hianarantsika.
PS: Azonareo vakiana ilay boky "Kabary am-panambadiana" nosoratan'i Rev Maurice RASAMOELA raha handalina io ianareo
veloma eeeeeeeeee!
23. kitjo ( 16/05/2004 09:45)
mba milalao ny zoky sy zandry sy vadinjoky fa aiza d hipetaka foana kosa e

sa aona ry petaka?
24. petaka ( 16/05/2004 10:45)
le izy koa anie izao e: rehefa ho lany mondronkely amin'ny filolohavana ny adidy izy tsy aleo tonga de vadiana. Eritrereto fa raha sady hikarakara ny vady amanjanaky ny maty no hikarakara ny azy nefa ho lasan'ny olonkafa indray ilay vadin-joky (hanambady satria olombelona ihany), tsy ho faty antoka ve ? Efa avy mikarakara ianao dia ny hafa no hioty vokatra;Aleo vadina ihany dia azy ny tombotsoa rehefa tafita ny zanaky ny tena sy ilay an'ny maty
Sa ahoana hoy ianareo ?
25. fatsoraly ( 16/05/2004 17:12)
Oadray!
Ko raha tsy "roue de secours" ny bandy na koa "tip-top"!
26. fijo ( 18/05/2004 00:20)
ka izay ilay izy e hifanarahana io,fa tsy antery
27. nala ( 27/05/2004 17:20)
Fa ny mpanararaotra mandika io fitenenana io hanaovana ny sin-dratsiny.
Fomba fahita ny zava-misy mitranga io raha ny fahazoako ny Ntaolo fa tsy hoe : tanjona na hoe anatra na baiko e.
Matetika mifankahazo am-po foana ny vadin'ny zoky sy ny zandry hafa sexe aminazy, ilay zokiny koa mampihanta, ilay iray koa manararaotra.
28. fijo ( 27/05/2004 22:23)
ka adalan'nilay vadinjoky koa raha mety izy ko.
29. jhouhlambout ( 28/05/2004 07:46)
zay kou alou e! anazy ny safidy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3076