Hino an'Iza .... ?

1. psykatr
(
30/04/2004 11:46)
Izao no tsapako t@ fandinihina ny forum tato: Ny mpino dia miandrandra fa misy Andriamanitra kanefa tsy afaka manome porofo mazava, ny Tsy mpino kosa indray dia manizingizina fa tsy misy Andriamanitra kanefa koa tsy afaka manome porofo mitombona. Zany hoe: miodikodina eo fotsiny fa tsy hisy valiny mazava sy raikitra ilay izy... Koa raha izany ary dia maninona isika raha samy mitazona ny heviny fa tsy mitady hamporisika ny hafa hiova hevitra? fa tena tsisy VALINY mihintsy io .......
Misaotra e!
Misaotra e!
novalian'i ikaretsaka ny 03/05/2004 00:06

2. hery
(
30/04/2004 13:04)
Marina mihitsy izay.
Izaho aloha tsy mieritreritra ny hanova hevitra n'iza n'iza mihitsy. Izay noana sy mangetaheta ka manatona ilay mofo sy rano velona dia ho voky. Izay tsy noana tsy misy olana. Izay tsy manatona koa na noana aza tsy misy olana ihany koa.
Ny dialogue izay tena mitombona dia ny fahafahana mandresy lahatra ny TENANAO hoe sambatra ve ianao ao amin'ny finoanao na ny tsy finoanao fa tsy ny hahafahanao mandresy lahatra ny hafa amin'izay fahasambarana iainanao ao anatin'ny finoanao na ny tsy finoanao akory.

3. ikaretsaka
(
30/04/2004 13:16)
izay mihitsy.. ary na hitompo teny fatratra aaza hoe misy sakafo matsiro sy sy maha afaka hetaheta aty aminay (fiangonanay , finoanay) dia tsy ho voatery hisy hihinana raha efa voky taloha izy

4. hery
(
01/05/2004 08:30)
Sady ho an'ny olona sarotra an-kanina (ohatra anay) dia zara aza ny sasany tsy mihinana ilay sakafo :)