ny joro sy ny sorona ! ahoana ny hevitrareo momba azy ireo ?

1. ravatorano ( 29/04/2004 11:15)
Ny sorona dia fanaon ny zanak ' Israely raha nitalahoi na nanao fivavahana na nila fibebahana tamin Izy Tompo ry zareo.Voalaza ao amin ny Levitikaosssy koa fa tsy ny biby rehetra dia azo atao sorona avokoa fa misy mahasamby hafa.
Ny joro kosa dia nataon ny Razambe malagasy sy ireo izay mbola manao an izany ho fangatahi pitahiana amin Andriamanitra , amin ireo nialoha lalana , indrindra ho fanajana izany Andriananahary izany.Samy atao hiderana an Andriamanitra izany ireo fomba roa samy hafa ireo.Saingy amizao fotana izao dia lazaina fa fanompoatsampy ny fanaovana joro.Tsy hijery ny lafiny anakiray izay tena goavana b koa isika dia ny fiarahan ny rehetra :havana manontolo mifankahita amin io fotoana io , ny mpiara monina , ny iray tanana.Nisy aza sahy mihitsy nilaza fa tokony ho foanana eo amin ny kolo tsaiana malagasy ny joro.Tao amin ny radio tsy miankina telo izao no efa nahenoako an izay .
D zendana ny tenako
novalian'i hendry ny 30/04/2004 18:30
2. aladin ( 29/04/2004 11:40)
araka ny kely fantatro de tsy tokony atao tsony ny resaka sorona @izao.Stria efa Jesosy kristy no natao sorona farany teo @ hazo fijaliana hanavotana ny oul.ka ny fandraisana azy sisa no ilaina.Tadidio fa mety hanao sorona ny oul nefa tsy @ fony izany.Ho an'ny kristiana 'zany io tsy tokony hanaovana sorona io satria ny kristiana ihany no mino fa jasosy no natao sorona hanavotana azy.
3. hery ( 29/04/2004 13:16)
Ny testamenta taloha tokoa no nisy fanaovana sorona nataon'ny Jody tamin'izany fotoana izany. Fa nony tonga i Kristy izay sorona velona, fifanekena (=testamenta = alliance) vaovao dia tsy nilaina intsony ny sorona. Ho an'ny Kristianina izany dia i Kristy no sorona tokana sady mandrakizay. Sady mpisorona izy no atao sorona (satria manolotra ny tenany ho sorona). Ny fampifandraisana an'io fomba jody io amin'ny fiainana Kristianina dia azonao vakiana ny taratasy ho an'ny Hebrio (9-11 any ho any).
4. tia_ery ( 29/04/2004 14:39)
Izay ilay atao hoe ''RAISINA NY BAIBOLY DIA ENTINA HANAOVANA INTERPRETATION MBA HANAMARINANA NY TENA FA MISY ZAVATRA TIANA ATAO''.

Mampalahelo ny fotopisainana tahaka izay aroso eto; ny tsy fantatro dia ny hoe i Ravatorano ve afaka mba manazava ny fototra niandohan'ny JORO sy ireny fombafomba fanao fahiny ireny.

Tsoriko aloha Ravatorano fa fanazavana sy fanamarinan-tena fotsiny ny fanaovana rapprochement des cas ohatr'ireny ê!

Ny fisoronana ange ka acte expiatoire no nanaovana azy ê! misy règle sy principe ary tsy ataotao foana ê! Ary eto dia apetrako hoe ireny no atao hoe SYMBOLE na koa TANDIDONA ka aza mampitovy zavatra tsy mitovy fa manahiran-tsaina be ny mihevitra ny ohatr'ireny. Azo tsorina fotsiny ange hoe i ravatorano mankasitraka ny JORO sns ... fa aza ampitahaina na koa ampitoviana amin'izay voasoratra ao amin'ny Soratra Masina.

Sôtra ê!


5. fijo ( 29/04/2004 23:11)
izany hoe ny baiboly ihany no manohitra ny baiboly.testamenta ii manohitra ny testamenta i,
tsy hitako izay maharatsy io joro io.nanao an'io daholo ny razambe taloha ka tonga ve ny finoana vahiny dia hoe ajanony ny anareo fa ity anay ity no tsara?loza
6. tia_ery ( 30/04/2004 07:47)
Ny izy ry Fijo dia na apetraka amin'ny FOTOTRA nampisy azy dia ekena hoe izay no izy ary izay ilay antsoina amin'ny hoe IDOLATRIE; ny mahasarotra ny fanekena azy fotsiny dia ny fampidirana sy fampitoviana fa hoe ''nisy sorona sns... tao amin'ny Soratra Masina'' dia izay no entina hanamarinana sy hilazana fa IZY IO.

Ny JORO amiko dia ny RAZANA foana no iantefan'ny ary eto no anindriko fa ny ZANAHARY sy ny ANDRIANANAHARY tamin'ny Malagasy dia tsy mitovy; fa nisy ny ambaratongany ireo.

Ary i Fijo koa mba mahita ho lazaina ê! Aiza ho aiza no misy an'izany Testamenta taloha mifanohitra amin'ny Testamenta vaovao izany ô ?

Izay ange tsy maintsy misy foana ê! ''Mandehana ianareo ary ataovy mpianatra ny firenena rehetra ...'' izay ilay ASA, ka aza gaga raha toa ka voahozongozona ireny fomba amam-panao ireny.

Sôtra ê!


7. ravatorano ( 30/04/2004 08:41)
tia_ery>tsy hoe akory hanamarinako ny fisian ny joro ny sorona>Tsy izany velively fa kosa raha nilaza ianareo fa tamin ny testamenta taloha no nisy sy nanao sorona farany ny Kristianina(sorona velona) dia ekeko satria mazava be ny voalazanao sy hery.
Ny fototry ny joro indray dia izao mbola tsi nisy ny fivavahana kioristianina dia efa nanao anio ny razambetsika malagasy>Efa nisy lohahevitra ihany napetrako teto hoa aminareo v fivavahan ny razatsika ny fivavahana kirisitianina?
Misy marina ny filazan i fijo hoe :rehefa tonga v ny fivavahanam kristiqanina dia hoe avelao ny fomban drazana fa ity indray no tena izy.Aminao v natao hanozongozonana ny fomban drazana ny fivavahana kristianina satria izany fanompoana sampy ny fomba nentin drazana toy ny famadihana , ny joro, ny fankalazana ny alahamady, ny fanapaham bolon jaza , ny famorana amin ny tena endriny amin ny maha malagasy ny malagasy.
Amiko ny fivavahana kirisitianina dia entina koa hifandrindra amin ny fomban drazana misy eo amin ny fiaraha monina ary natao hanampy b b kokoa ny saina mba hahatakatra marina ny tena zava misy sy miafina amin ny amnodidina ny tena.
Misaotra é
8. tia_ery ( 30/04/2004 18:13)
Ilay izy angamba tsy hoe ''tsy mbola tsy nisy ny fivavahana kristiana'' fa ny tena marina dia ny hoe ''tsy mbola tonga teto amintsika ny fivavahana Kristiana'' no marimarina kokoa.

Ny sisa rehetra dia fanamarinan-tena sns...

Sôtra ê!


9. hendry ( 30/04/2004 18:30)
Ny ahy raha vao maheno heo sorona sy joro zany aho dia tsy resaka fivavahana no tonga ao antsaiko fa ilay eny @ reny toerana lazaina hoe "masina" toy ny rovan´
Ambohimanga, toerana misy fadifady sy ny sisa. Na sorona na joro amiko toa mitovy ihany, jereo anie ohatra nisy nandika fady teo @ toerana iray dia mila manao joro hono, ka raha mamono omby eo ny olona hanaovana ilay joro dia natao sorona zany ilay omby natao ala-
fady.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2823