heritreritra nandalo

1. xxx ( 28/04/2004 14:53)
Ampio raha sitrakao

Nisy heritreritra nandalo teo, fa aingam-pandeha be dia tsy arako.

izay nahtsikaraitra izay na nahita izay nandalo tany akaikiny tany dia mba ento eto zaraina
novalian'i fijo ny 27/05/2004 22:04
2. angie ( 28/04/2004 14:59)
Aoka ny lasa homba ny lasa fa ny ho avy hatrehana e ary mba asehoy ny anarana @ manaraka fa tsy misy mihinana ange eto e.
3. hendry ( 28/04/2004 17:55)
Eritreritra nandalo
tsy mba tonga tany an-trano
dia nanjavona ny an´i xxx
Koa raha tianao ny hivereneny
ataovy zay tsy hahasorena
ny mpikambana @ tena
ato @ serasera
ka asehoy ny anaranao
ny fitsipika hajao
4. ikaretsaka ( 28/04/2004 18:00)
Eritreritra sendra nandalo
Teny ampasanimalo
Katso lasa nivadika nantsatso
Nony tonga teny ankatso
tsssss...
5. tsilan ( 29/04/2004 00:59)
eritreritr nandalo
vao nipoitra de lasan'ny dahalo
fa rampitso angamba tonga
f'aza de manao somonga
6. samoina ( 29/04/2004 08:14)
Eritreritra nandalo,
Nitsoritika, niserana
Omaly izy tao Andohalo
Anio ef'any Fiheferana...
7. eritreritra ( 29/04/2004 08:29)
za lo sady tsy tany andohalo no tsy tany fiheferana no tsy tany ankatso ko e... sady za tsy haingampandeha hihi
8. fijo ( 29/04/2004 22:37)
eritreritra nadalo eny ambony eny
arahina kalo,feo fa tsisy teny
izay sendra azy avy dia ahalala
fa misy bandy irery any mitady kala

raha tojo anao,izay tsy ampoizina
raiso ka araho,fa hisy tombotsoa
aza mandahy na manizingizina
fa raiso dia ho hitanao ny soa
9. rfanjav ( 30/04/2004 08:22)
Eto v le hoe mampiresaka sa ahoana e !

toa tsy azoko tsara hoe inn no tena but-ny !!!
10. hendry ( 30/04/2004 18:11)
o ry rfanjav a, eritreritra mandalo
zay any andohanao
no aravina ho kalo
dia avoaka @ zao
dia zay no tanjona eto
tsy ifampizara sento
fa izara zay nandalo
@ reo tsy fahavalo
fa @ namana ato @ serasera
ka aza mitaveravera

Efa hivaha koa aho ngamba atsy ho atsy.
11. jhouhlambout ( 30/04/2004 18:30)
hendry> aza taitra fa normal izany, hoy ny malagasy manao hoe: efa ela nikatsaka ny fahendrena ka tody tamin'ny fahaverezana .... koa diniho tsara izany.
12. methode ( 01/05/2004 18:20)
Toa tsy hitako le eritreritra tadiavina ko?
13. sambatra73 ( 03/05/2004 10:47)
eritreritra nandalo
teto am-pinana goavy
ary sô de misy kalo??
kany an-kibo vô aloavy!!!
14. hendry ( 03/05/2004 17:46)
jhouhlambout> ka lasa nanao tononkalo ho azy teo nefa hita be hoe tsy angadin´ny tena koa.
15. fijo ( 03/05/2004 23:34)
ka tsy angady satria heritreritra mandalo fitsiny ko
16. xxx ( 13/05/2004 04:37)
eritreritra sendra nandalo,
zah efa nahita azy ...
na dia efa lasa aza izy ..
nataoko veloma ihany fa
saingy tsy hita avy eo,
tsy voasambotra akory ...
17. tsilan ( 13/05/2004 13:27)
Eritreritra nandalo,
nanavatsava ny tanana.
Teny Ihosy tany Isalo
dia niroro a-Mahatamana.

Eritreritra niserana
nandalo tao Analakely
Ka asiko fiheverana
Ty fikaotina Makorely
18. kitjo ( 13/05/2004 18:30)
eritreritra nandalo
d nampiteniteny foana
d talanjona ny maro
niteny mbamin maona

eritreritra nandalo
@ forum serasera
samy nilaza teo ny maro
nijanona mbamin saofera
19. fijo ( 13/05/2004 23:58)
heritreritra nandalo
tato an tsaiko ny maraina
satria ny vahoaka ra8
tsy mahavidy mofodipaina

heritreritra nandalo
sy niserana ihany
fa kay moa olo maro
no miaina toa izany.

heritreritra nandalo
any tany lavitra any
tana diego ary hisalo
nahalasa ilay vinany.
20. kitjo ( 14/05/2004 01:19)
eritreritra nandalo
any Chine manaraka andra8
f'izy ihany no fantatra
ary ny vaoaka te ho sambatra

eritreritra mandalo oe
manin tkou moa no hoe
vao mainka sika milentika
sady voasongon mpanenjika?
kanefa toa mba miasa ihany
sa kosa misy be vinany?

ny fantatra sy tsapa anefa
mihena ny any ambilany
za ts oe manarakefa
fa ny mairna hohita eny iany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1423