heritreritra nandalo

21. fijo ( 18/05/2004 00:02)
ny heritreritra mandalo,
fa izaho eto ihany.
avy any mahajanga sy andohalo
tsy nanova inona izany.

heritreritra mandalo,
ny masoko manganohano.
te hanafatra an dra8
avy aty ampitan drano.
22. nala ( 20/05/2004 16:32)
eritreritra mandalo
eo am-pihinana-mofo akondro
oay! kay lany ny ahy ka mivalo
mba omeo re ry Rondro!

eritreritra mandalo
iny nidina an'Ambondrona
zana-tohatra im-balo
iray dingana de vondrona

eritreritra nandalo
lany mofo lany saosy
ndeha aho ho any isalo
sao mba hahita baogaosy
(Tselonina !)
23. fijo ( 20/05/2004 21:55)
eritreritra nadalo fa za aloha andeha hatory.
24. tsilan ( 20/05/2004 22:38)
eritreritra nandalo
avy any Ambohitsaina
Ny vahoaka izao mimalo
mitoloko, mitaraina

tsy ampy intsony ny ariary
mba hividianana sakafo
ary efa hita miharihary
vidim-piainana miha lafo

Fa toa falifaly ny sinoa
ary mikotaba koa ny zone
satria hioha-pampana tokoa
ny tombom-barotra ka bonne

Eritreritra nandalo
Avy hatrany dia niraikitra
Ka miantso anao Ra8
mba ovay ireo mpiandraikitra
25. fijo ( 24/05/2004 22:31)
heritreitra nandalo
hoanareo vahoaka
mahereza re mikalo
aza hatsahatra ny toaka

heritrertra nandalo
avy aty ambony
hofohanako ny dahalo
hodorako ny rongony

heritreritra nandalo
hoan'ireo izay mafy ady
minoa an dra8
dia hivoaka ny kady

heritreritra nandalo
hoan'izay efa mana mbola
miezaha re ho maro
dia mahaiza re midola

26. kitjo ( 25/05/2004 14:01)
mmhhh, ary be inspiraka aby kay refa ....
27. nala ( 26/05/2004 17:09)
zaho aza mba nampitaha ny inspirako tamnolona fa mba manana ihany aho. Ary ndeha hotohiziko kle.
Ndeha hi inspiraka aho kaloha
28. chipie1 ( 26/05/2004 18:15)
nala: mazotoa mi-inspiraka aza
29. fijo ( 26/05/2004 23:21)
tandremo ihany anefa ny firaka fa mahafaty raha be no voasintona ao an
30. nala ( 27/05/2004 16:37)
chipie1: ndao hiaraka sao mivaha irery any aho!
ho lasalasan'ambiroa !
31. fijo ( 27/05/2004 22:04)
tandremo ry chipie,fa mamindra ny fivahana an.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1949