materialiste sa fadiranovana???

1. besoiiin ( 26/04/2004 19:22)
matetika ary mazàna ny sipa gasy dia mifidy bandy iarahana! tsy miaraka izy ohatra raha tsy manana fiara ianao na nike ny kiraronao! na vazaha ianao... etc raha tena mba manana ny hoentimanana moa ianao dia tena môla ry zareo ary hiadivana mihintsy ny hiaraka aminao....
mahantra fadiranovana ve ny sipa gasy no dia manana izany toetra izany sa izy mihintsy no efa materialiste??? ary mazàna dia ireo nahita fianarana sy olo-mandroso manao izany! aiza ilay fitiavana @ zany???
novalian'i fijo ny 19/05/2004 20:00
2. ikaretsaka ( 26/04/2004 19:46)
ataoko heo misy profiteuse angamba?
mety ho diso za fa izany ny fahitako azy
3. kally ( 26/04/2004 20:08)
Tsy haiko aloha fa izaho gasy,ary ilay olona tiako tsy nitondra fiara izy no hitako,tsy nikiraro nike izy,tsy bôgôsy be izy,tsy olo-malaza koa izy nefa dia niaraka izahay.Nefa izaho koa sipa gasy an!sy mbà nandia fianarana koa!ary tsy isan'ireo mihemotra aho,ka asa re ry besoiiin .
4. ikaretsaka ( 26/04/2004 20:46)
ka io ilay hoe "misy" fa mety koa hoe "ts'isy"
(jereo hafatro eo ambony)
5. mimita ( 26/04/2004 22:07)
efa nisy lohahevtr mitovi2 anio teto ra tsy diso a!!fa nga ry besoinnn ny sipa ihany no tena manao anio a!!!nareo bandy ko tean mpanao anio mitsy ko!!!!za mahita bandy bogosse b miaraka @ sipa rasty tare b!!ay ny iarahany @ kay sosy fotsiny!!!
zany eo ihany fa na d zany kosa ary v tsy hitady oul mba mitovi2 niveau @nao kosa enao?arakaraka alou io e!!!fa en general,za mahita fa samy manao an'io daholo na sipa na bandy sa tsy marina zany ry zareo?d nahona ary!!
6. ikaretsaka ( 26/04/2004 22:31)
zay mihitsy..
7. joda ( 27/04/2004 09:55)
de ny tena no maignatra e...ny ahy soupule sy mille bandy e..izay tia @ananako avia..
8. tequila ( 27/04/2004 12:16)
Manana fanontaniana ho anao ary aho e : enao ve zany tsy miaraka raha tsy sipa mahavita tena aloha ?

Zah koa alou sipa gasy e , fa tsy manao an'ireo zavatra lazainao rehetra ireo . Nareo moa eto efa manao classement ny sipa ihany ka dia catégorie manokana ngamba io lazainao io ka . Asa...
9. ramoul ( 27/04/2004 12:27)
amin'izao fotoana izao dia raha tsy manambola enao tsy maihita izay fanirianao.ny vola ve zany no mitondra ny fitiavanao ny olona ray fa tsy ny fonao intsony na ny fitiavana? Koa raha samy hanao an' izany daholo isika inona tsony ny fitiavana matotra am' zany fa tsy misaraka isaky ny tsy manambola ny mpivady.
Mampalahelo ny olona ankehitriny
10. hendry ( 27/04/2004 15:44)
Tsy ny gasy ihany io ry besoiiin ary tsy ny vehivavy ihany. Efa nisy lohahevitra mitovitovy amin´io marina nandeha teto. Ny antony mahatonga an´io dia ny fivoaran´ny fiainana sy ny fidangan´ny vidim-piainana ka lasa manjary misy lanjany kokoa ny fananana fahaizana na vola na zay zavatra mety ahafahana mivelona tsaratsara kokoa noho ny hafa.
11. mimita ( 27/04/2004 16:03)
zay mitsy,za zao vo tratra mitsy fa ny bandy akamako le mba revenay tena mikoty le akamako satria ngamba iny no hitany fa b sosy kokoa,sady c le cas alou e!!sady mety hitany fa sexy kokou d aleony iny!!
12. besoiiin ( 27/04/2004 21:07)
za ange tsy miteny hoe ny sipa rehetra io e! misy ny azo atao hoe tena matotra angamba;fa tsy afamadà kosa isika fa raha atao ny salan'isa angamba eo@ 60%n'ny sipa civilisée raha kely indrindra no manana io toetra io! marina fa misy ilay fomba fiteny hoe: "mitifi-danitra sao mba mahavoa tendrombohitra" ! valable ary ve izany raha fitiavana no resahana?

indramiko eto ilay tononkalon'ilay sipa iray izay ; hoy izy mantsy
Misy marina mandefitra
misy tsara fa alefitra
misy ratsy nefa tiana
misy soa fa dia ariana
13. besoiiin ( 27/04/2004 21:20)
tequila! amiko ny fifidianako ny sipa iarahako dia tsotra:
1) tarehy amambika alou! satria ny vady jerijery hoy ny fitenenana ary iny rahateo koa no manaitra anao voalohany!
2)toetra amampanahy! manaraka izay ary na ratsy toetra aza izy rehefa tianao dia ahitsinao ! raha tia anao kou izy manaiky hahitsinao!
ireo ny ahy no critère! raha ny resaka fananana sy fahavitantena izany tsy blem amiko! fa na mpangataka teny amorondalana aza ianao rehefa tiako sy nitempoan'ny foko! tsy blem amiko ny miaraka aminao! koloiko sy karakaraiko fotsiny ianao hitovy ] mparabelona rehetra dia mety io! raha sendra tojo ny sipa laibany indray mou vao maika tsara !

kally: clap clap clap ! tehaka ho anao
14. fijo ( 27/04/2004 21:45)
ohatra izao ilay sypa ao amin'ny honey.hiarahandry zajahy satria misy saosy.
15. ikaretsaka ( 27/04/2004 22:17)
iny koa iray
16. xxx ( 27/04/2004 23:56)
Fa ndaindray koa ny materialiste mety fadiranovana an. Ilaozana manamboatra matiere dia lany ny saosy ary fadiranovana.
17. ikaretsaka ( 28/04/2004 02:57)
izay mihitsy..
18. besoiiin ( 28/04/2004 10:11)
hihihihihi ! marin'zany!
19. tequila ( 28/04/2004 20:06)
Ka ngah moa tsy mba zay koa ny hanaovan'ny sipa safidy hozy enao e?
20. fijo ( 28/04/2004 22:43)
tsy manome tsy aho fa fiainana io ko.aleo izy mba hiadana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4732