Fitsarana ivelany

1. yonikafopl ( 24/04/2004 13:33)
Azo hitsarana ny toetran'ny olona ve ny fomba fitafiny?
novalian'i ramaso ny 04/05/2004 21:27
2. sipagasy ( 24/04/2004 13:54)
araka ny hevitro aloha dia TSIA ny valiny é! fa io kosa aloha dia arakaraka ny fandraisan'ny tsirairay azy é! raha amintsika malagasy izao ohatra dia tsy dia mety loatra ny manao akanjo mena raha mandevina sns....
Na koa hoe manao akanjo fohy(mini) mankany ampiangonana ve dia tsy mendrika ilay olona ozany???? misy ihany koa ny fashion victim fa jereo ihany é!
3. kally ( 24/04/2004 14:22)
Ny pitsopitsony madinika @ fitafiny angamba fa tsy hoe ny fitafiny @ ankapobeny : asa,ohatra hoe vozon'akanjo maloto,lobaka misoriraka,training miaraka @ kiraro,...fa tsy hoe rehefa mi-blouson cuir misy fati-korotam-by be izy dia degany be foana na hoe mipalitao sy kravaty foana izy dia olona tena manan-kaja .
4. luz ( 24/04/2004 15:14)
marina izany ry Kally a!!
5. ikaretsaka ( 24/04/2004 19:40)
zay mihitsy ry kally an.. io ilay fashion statement hono..
6. yonikafopl ( 24/04/2004 20:20)
Ka izao mantsy, asa fa ry zareo any Dago any mahita ny sarinay, ny fomba fiakanjonay( manao pantalon taille bass oh, ...) mandoko volo, dia milaza fa maditra izahay, na koa lazain'ny sasany fa mivaro-tena mihintsy aza. Nefa dia lavitra ny fisainanay izany, tsy hanao izany no antony nandaozana Tanindrazana, . Ka asa loatra re, izay ve ilay mbola fisainana malagasy? Tsy mahazaka fivoarana sa...?
7. booboo ( 24/04/2004 20:35)
Tsy hoe tsy mahazaka fivoarana araka ny hevitro fa vaovao tsy dé fanao any dé tsy maintsy misy mitsara fôna. Ilay fivoarana koa mila faritana oe @ sehatry ny inona dia mitaha @ inona.
8. voninkazokely ( 24/04/2004 21:02)
Tsia!
9. samoina ( 25/04/2004 04:31)
Tsy azo hitsarana saingy afaka ahitana endrik'iray @ toetoetran'ilay olona.
Raha mifanena @ yonikafopl aho izao dia heveriko @ fomba fiakanjo sy ny volo milokon'i yoni. fa manana toetra tanora tia tsinjaka sy emission " graines de star " ireny yoni. Dia raisiko arak'izay.
Raha tafaraka amina mpikravaty lava indray aho tsy hi-propose azy ho any @ ireny soirée exotique ireny angamba na hitarika azy eny @ vary mitsangana fa mety hi véxer azy !
Samia manao izay reviny fa tsy mahafaty ny fitsarana ivelany e !
10. jhouhlambout ( 25/04/2004 16:10)
nope
11. yonikafopl ( 25/04/2004 18:01)
Samoina a, raha mahita ahy ianao dia mety mieritreritra izany n nefa raha miaraka miaina amiko ianao dia hahita fa diso ny hevitrao momba ahy, ary izay no tena mampalahelo ireo anadahiko fa tsy nampoiziny hiova toy ireny hono aho, nefa ny fitafiko no niova fa tsy ilay maha izaho ahy velively.Hino ve ianao raha hilazako fa Fito taona izay no nipetrahako taty, ary mbola tsy nandia izany hoe boite de nuit ny tongotro.Betsaka ireo rendrarendra fa tsy nahasarika ahy, izay fantatro fa tsara, manendrika ary mahasoa ny vatako no narahiko. Tsy hitako anefa izay hatao hampitony ny ahiahin'ireo anadahiko momba ahy, miezaka manazava ny sainy aho nefa dia eh eh eh! sa ve haka sary @ jupe lava be aho halefako any e! hi hi hi!
12. jhouhlambout ( 25/04/2004 20:03)
zay mihintsy
13. ikaretsaka ( 25/04/2004 20:43)
fa raha azo atao de le passe partout classic ireny ihany petahana
14. samoina ( 25/04/2004 21:37)
yoni/ Tsy any @" boite de nuit "ihany no ahafahana mitsinjaka fa na an-trano aza. Inoako izay lazainao ary raha tia hampitony ny ahiahin-dranadahy isany ianao dia aza mandefa sary tsapanao fa tsy dia mbola mahazatra ny fijeriny e! Sarotra mantsy ny mifanazava an-tsoratra rehefa sarahin'ny elanelan-tany.Hafa ihany ny mifanatri-tava sy miara-miaina elaela indray ahafahana mandresy lahatra ny havana mikasika ity lamaody ity.
15. tsilan ( 26/04/2004 01:54)
Asa aloha
Fa ny hitako dia n'inon'inona zavatra miseho dia ny ety ivelany aloha no misarika mankany anatiny.
Raha vao mijery olona fotsiny dia hoe manja iny na ratsy, rehefa avy eo vao mamakafaka hoe tsara anaty sa ahoana.
Misy vonkazo sasany vao hitanao dia hoe tsara io, fa rehefa fofonina hay maimbo be ilay izy.
Fomba fijerin'ny olona daholo izany. Raha ianao no mahita olona manao akanjo mara maitso dia hoy ianao aloha hoe miaramila iny. Rehefa avy eo ianao vao mandinika hoe ny mpihaza koa manao toy ireny, na ireo avy nahavita miaramila.
16. yonikafopl ( 26/04/2004 15:45)
Misaotra anareo rehetra , misaotra anao koa samoina nanome torohevitra.
Bizzzzzzzzzzzz doly
17. ikaretsaka ( 26/04/2004 20:23)
miova arakarak'ilay Univers misy anao.. raha aty Texas aho ohatra Dia mba manao pozipozina Texans @ ilay heans sy bottes.. raha any Brooklyn an'i NY aho dia mi jogging sy mi Nike sy mikaskety mivadika
raha any Boston aho manao pataloha kakhi sy lobaka tsy mipasoka
18. fijo ( 26/04/2004 22:58)
izao no tadidio.any mada dia misy fomba fitafy mbola tsy mahazatra azy.ary misy fitafy efa raikitra ao an tsainy.ka izay mivoana amin'io dia mahita resaka.
19. tsilan ( 27/04/2004 12:50)
marina io r'ikaretsaka,
raha ao amin'ny dosy izany dia tsy manao n'inoninona, fa mitafy servieta rehefa mivoaka
20. jhouhlambout ( 27/04/2004 13:38)
mety koa izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1039