Ady amin ny kolikoly

1. ravatorano ( 23/04/2004 06:29)
Mafana dia mafana ny fandrafetana, ny fanaovana atrik 'asa momba ny ady amin ny kolikoly.
Aminareo namana inn no mety mahatonga azy io ary ahoana no iadivana aminy ?
Misokatra ny adi hevitra ary misaotra anareo mandray anjara dieny mialoha é !
novalian'i ludo ny 06/08/2004 06:34
2. hendry ( 23/04/2004 13:47)
Mahatonga azy: tsy ampy ny karama dia mitady irika ahazoana tombony.
Iadiavana aminy: ampitomboana ny karama.
Fa zao kosa aloha, tokony arakaraky ny asa vita no anomezana ny karama fa tsy atao safibe mantsina. Misy tsinona indrindra any @ reny biraom-
panjakana reny zara raha miasa nefa dia mitomboka isam-
bolana ny karama. Mila fanaraha-
maso akaiky, zay mahavita be omena prime, zay tsy mahavita ny asany anesorana ny karamany.
3. ramoul ( 23/04/2004 15:05)
marina mintsy zany ry hendry. manaiky aho
4. tsilan ( 23/04/2004 15:41)
Marina io ry Hendry ary ampiako hoe ny taham-bidin-katsemboana dia 1/1000 ny taham-bidim-bokatra.
Taloha dia natao antso avo ny hoe mikarama vary masaka ny olona eh. Fa 15 taona izao mikarama vary manta ny olona. Tsy azon'ny karama intsony ny kitay sy ny saribao.
Soa aloha fa misy ny fripery sy ny sinoa mba hividianana njaika mora, raha tsy izany be ny rovitra pataloha sy ny mbola tsy nikiraro teto an-drenivohitra.
Noho izany tsy maintsy mandidy izay azo didiana aloha sitrany ahay.
Jereo fa tsy ny fanenjehana ataon'ny fivondronana akory no mahfoana ny mpivarotra amoron-dalana. Fitadiavana io> Aleo maty rahampitso.
5. ikaretsaka ( 23/04/2004 22:16)
hatrany ambony no midina.. hatrany ambany no miakatra... iadivana aby
6. ramoul ( 26/04/2004 16:37)
tsy hitako intsony izay zavatra tsy hedivana aty dago ary ra mbola mitay izao zavatra izao dia betsaka amin-tsika malagasy no angalatra etsy sy eroha.
Mila fandinihina mihitsy io resaka kolikoly io ary tokony ho foanana fa mampidi-doza ho anny tanin-tsika
7. xxx ( 26/04/2004 17:08)
ramoul an, aiza moa i dago izany fa tsy hitanay amin'ny sarin-tany?
8. ikaretsaka ( 26/04/2004 20:24)
aza mifananihany kely azafady o
9. fijo ( 28/04/2004 22:19)
mety ao anaty fonao ao ka.
ny olana anie ry zareo dia izao e.ny ambony tsy voa mihintsy na tratra manao izao aza.ratsy io zavatra io,nefa sahy hitsara izay te hanome kilalao ny zanany amin'ny krismasy ve isika?
tsy midika izany hoe momba an'io aho an.fa mila ezaka amin'ny tsirairay ilay izy
10. tsilan ( 29/04/2004 01:14)
Izay no marina Rafijo an
Raha miteny fotsiny ny momba io VPM io ianao dia misy milaza avy hatrany hoe nangalatra izy koa tsy nosamborina.
Teto amin'ny tanana anefa hatrizay dia tsy mbola nisy izany hoe nanodikondim-bolam-panjakana izany ka midoboka. Na ny WB sy ny FMI aza miaro ny mpanodikodina koa.
Sarotra eh. Ny tantsaha sy ny valala be mandry ihany no voasoketa.
11. fijo ( 29/04/2004 22:58)
izay;homeo ohatra aloha ny olona dia hanao ezaka koa izy avy eo
12. ikaretsaka ( 29/04/2004 23:26)
izay mihitsy..
13. rfanjav ( 30/04/2004 12:39)
Hoy ianareo hoe tsy ampy ny karama no mahatonga ny kolikoly ... ka rahoviana moa vao azo lazaina hoe ampy ny karama e ?!!!

na ireny lehibe efa manana ny maha-izy azy ireny aza manao an'io, d sahy miteny v ianareo fa tsy ampy ny karaman'ireny ?

14. rfanjav ( 30/04/2004 12:41)
Za tsy miteny we tokony tsy ampiakarina ny karama !!! rariny d rariny tokoa raha atao zany, nefa arakaraka ny ampiakarana an'io no maha-lafo ny vidin-javatra eto ! vao re eny @ sisintsisiny fotsiny aza fa hoe ampiakarina ...% hono ny karaman'ny mpiasam-panjakana d efa ny vidin-javatra no miakatra voalohany (zavatra ilaina @ fianana andavanandro io ) !

Ka rahoviana le karama vao atao hoe ampy ???

D rahoviana koa zany vao ho afaka le kolikoly?

za manao hoe tsy ho afaka mihitsy io fa z mahita irika kely d lasa zao raha tsy mibolisatra !!!
15. ludo ( 06/08/2004 06:34)
Amiko ny koli2 d takaitra mipetraka @ zanak'
olombelona manerana zao tontolo zao, satria
ny manana Ariary te ho anana Ariary roa nefa
ny nefa lay miditra isam-bolana manify iany
d tonga hoazy lay fakam-panahy eo ambanin'ny mena miraviravy!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2265