mpanao spaoro taloha

1. fijo ( 20/04/2004 23:29)
nahita ny sarin'i maradona aho,di nahatsiaro ny tenako koa.ary maro ireo hitako toa io.ny tiako lazaina dia izao.maro ny mpanao spaoro taloha no lasa matavy rehefa mitsahatra.tsy hanontany ny antony aho,fa milaza amin'ireo zandry hoe lanjalanjao fa mety holasa toa io koa ianao.
novalian'i Rojoukel ny 23/05/2005 08:47
2. ikaretsaka ( 21/04/2004 03:33)
arajarak'ilay sport ataonao io
3. ravatorano ( 21/04/2004 07:49)
marina ny an ikaretsaka satria za zao dia judo no nataoko taloha ary niampy rugby moa izany rehefa niakatra nianatra taty Iarivo.
Dia toy io foana izany ny toebatako nanomboka ny taoan ny faha 12 taonako.Fa marina koa aloha le we rehefa tsy mikotrana intsony dia lasa mivoraka b jereo i Ferdinand an i AC Sotema , ry Rolland kelin i Fima , ry Frederic zay tena lasa goavana be mihitsy amizao satria tsy mikotrana tsotry.
Ny hitako fotsiny ireo , fa hafa kosa aloha i Radezy Monstre izay tena mbola mikotrana ny rht rhtr hatramizao.
4. ramoul ( 21/04/2004 17:09)
tokony hikotrana foana nge zany na dia tsy manao sport tsony ary é!
5. fijo ( 22/04/2004 22:14)
jean jacques mbola mikotrana be ka.
i clément zandrin'i jacky mpanao karate izao aty raha hitanareo dia tsyhino ianareo hoe lery ve iny.lasa glady be,marina fa tokony hitoy ilay izy fa ny fotoana koa anie no sarotra e
6. ikaretsaka ( 22/04/2004 22:53)
i gaolibe no tena tsy mampino ko
7. hendry ( 23/04/2004 14:30)
Zaho koa efa tratra, zatra milomano dia nisy fotoana tsy nilomano efa ho herintaona dia nivoraka. Aleo ihany tohizana madinidinika eny ilay izy raha mbola afaka fa manova toe-
batana.
8. ikaretsaka ( 23/04/2004 22:14)
fa izany hono an.. fa ny mpanao hazakazaka am-bisikleta no tsy mivoraka na mijanona aza.. henoko t@ dokoteran'ny ekipanay atro ampianarana io
9. jhouhlambout ( 27/04/2004 13:45)
donc tsy tokony ahena ny fihetsehana fa manjary manao accuumulation ny vatana
10. fijo ( 27/04/2004 20:55)
tandremo anefa fa ny mpiazakazaka am bisikileta dia ny lamosiny indray no tena olana raha vao mitohy an.
11. ikaretsaka ( 27/04/2004 21:40)
aleo kosa aloha lamosina toy izay zavatra hafa kle
12. fijo ( 28/04/2004 21:41)
aza miteny izany ialahy fa pro taty andafy no fantatro amin'io ary mijaly be lery rehefa mipetraka ka hitsangana.satria ilay lamosina efa zatra miforitra.olana be io fa tandremo
13. jhouhlambout ( 29/04/2004 06:03)
marina mihintsy izany
14. ralay ( 29/04/2004 12:50)
Marina daholo ny voalazanareo ireo fa ny tiako hanampy azy dia miankina @ toe-tenan'ny tsirairay ny mampatavy sy ny tsy mampatavy rehefa mijanona sport. Miankina @ sakafo hanina koa. Ny olana dia ny lamosina no marary rehefa mihangeza satria tsy misy intsony ilaymuscle sy ny abdo mitazona ny colonne vertebrale ka lasa mavesatra aminy ny poids-nao. Ny kibo koa no mandeha.
Ny torohevitro dia raha misy azo hanaovana sport dia manaova ihany na dia indray mandeha par sem ihany aza.
15. fijo ( 29/04/2004 22:47)
o ralay an,ilay indray mandeha par sem tsy mahintsana ilay kaly isan kerinandro.
16. ikaretsaka ( 29/04/2004 23:17)
arakarak'ilay sport io.. raha manimpy fotsiny ve na manao golf .. tsy lasa ka..
17. fijo ( 03/05/2004 23:38)
ka na hiazakazaka aza dia indray mandeha fotsiny ve le
18. ikaretsaka ( 04/05/2004 03:28)
raha mahavita lavitr'ezaka ka indray isakerinandro hono dia tsara kokoa
19. ralay ( 04/05/2004 15:40)
ka minimum anie izany ry fijo e fa tsy natao hanitsanana ilay kaly be herinandro e, Au moins mba manao an'io kely mba tsy hikoince e! . Ny ahy ary io tsy vitako intsony fa isaky ny RNS ihany izany hoe indray mandeha isan-taona no manala koince hehe! soa ihany fa tsy nivika aloha.
20. fijo ( 04/05/2004 23:30)
ih,ih,ih,izay ilay manao baolina isaky ny paka.amin'ny herin taona indray ny manaraka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.708