kabary

41. mumu ( 09/05/2004 09:18)
hihih tsss be resaka fotsiny reto
42. fijo ( 11/05/2004 00:19)
misaotra mialoha e.
43. tenio ( 11/05/2004 12:24)
Tiako dia tiako tokoa ilay hevitra. Vonona tsara raha ny tenanay hianatra izany kabary izany. Dia misaotra mialoha an'izay hampianatra e!
44. tsilan ( 11/05/2004 13:16)
Ka rahoviana no manomboka ny fampianarana?
Aiza no atao?
Ary ohatrinona ny sarany raha misy ?
Dia alefa amin'iza ny vola mba hanombohana, fa lasa kabary ambony vavahady fotsiny ity. Sasa-miandry an'Ambatobevohoka ho teraka ny vahoaka mantsy.
Nefa aza valiana hoe minoa fotsiny ihany an
45. fijo ( 12/05/2004 00:42)
mandevona hanina tsara aloha ary ,fa hoavy izy tsy hoela e.mahareta fotsiny
46. mumu ( 13/05/2004 11:09)
endraso eo ary i pôly hihihi
47. fijo ( 14/05/2004 00:53)
iza indray izany paolyizany ry mumu.
48. naritsimba ( 14/05/2004 14:01)
Dia faly miarahaba anareo rehetra eh!
Aza dia mihevitra anay hoe Paoly akory ianareo fa misy olana kely izay tsy maintsy alamina tsara, fa efa vonona tanteraka ny Lesona hatramin'ny farany.Efa nanoratra t@ Hery aho ny momba ilay olana kely ka mino aho fa efa ho voavaha izay olana izay.Ny iangaviana kosa dia ny mba hanomanan'ny eto Tana ny toerana hanaovana fampiharana.Ary aoka tsy hataontsika vazivazy ity resaka ity fa sao dia hiteraka laza ratsy ho an'ny mpiserasera rehetra.
Dia misaotra mialoha.
49. samoina ( 14/05/2004 14:19)
Henaranay tsara ny " entimody" na mety ho sarotra aza Ranaritsimba fa dia misaotra anao mialoha @ fikarakarana e!
50. booboo ( 14/05/2004 17:00)
ekena
51. chipie1 ( 14/05/2004 18:02)
wéééé
52. fijo ( 18/05/2004 23:13)
izay ao tana ,asa i lucien raha hafaka manampy amin'ny fitadiavana trano na izay namana mahita hevitra.

miosaotra e.
53. tsilan ( 19/05/2004 04:03)
Aleo hono miandry rafozan-doza toy izay miandry masaka, Ko misaotra an'i Nahamasaka, fa soa ny nahandro nefa moa vary tsy fotsy tsy an-daona ary ny sakafo tsy hanina tsy an-dovia koa mba ataovy malakilaky ny fikarakarana fa maneno ny kankana eh
54. booboo ( 19/05/2004 11:39)
hihihi
55. fijo ( 19/05/2004 23:58)
ka tsy miankina amin'i naritsimba io fa resaka tekinika indray.
56. naritsimba ( 01/06/2004 11:42)
Salama daholo eh!
Eny ary fa dia masaka tanteraka ny lohan'omby ka dia mazotoa mianatra.
Efa lasa any amin'ny Hery ny lesona rehetra ka mizara ho lesona 10 izy rehetra izany hoe lesona iray isan-kerinandro no avoakany ka dia mazotoa eh!
ialan-tsiny indrindra fa noho ny antony manokana no tsy nahatafavoaka azy ara-dalana ka dia mino aho fa hahavita hatramin'ny farany avokoa isika rehetra.
Mino aho fa hahazo tatitra avy aminareo eo am-pamakiana sy fianarana ary ny fampiharana.
Ho an'izay eto Tana kosa dia omany amin'izay ilay toerana hanaovana fampiharana eh!
Dia misaotra antsika rehetra eh!
57. samoina ( 01/06/2004 12:15)
Tsy misy tsiny halàna izany fa naritsimba aza nahavatra nahandro masaka ho an'ireto namana aman'arivony be ireto ! Mankasitraka e !
58. fijo ( 02/06/2004 00:57)
misaotra betsaka indrindra,ary dia manentana ny ao tana mba hanao izay mety ahafahana manao io fampiarana io.
59. ikaretsaka ( 02/06/2004 04:45)
mankasitraka e
60. tsilan ( 02/06/2004 12:29)
Misaotra leiroa an
Mahavita be dia mba tantero eto ihany hoe rahoviana no atao ary aiza.
Ho an'ireo tsy afaka manatrika angamba dia tokony mba manao boky kely ianareo dia mba afaka amidy amin'ireny namana lavitra ireny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6429